Tononkiran'i Salômôna Sava lalana - Malagasy Bible Interconfessionelle

Sava lalana –Ny Tononkiran’i Salômôna dia amboaram-kiram-pitiavana izay ahitana ny fihetsehampon’ny mpifankatia anankiroa. Efa hatramin’ny ela no nandraisana ny Tononkiran’i Salômôna ho fanehoana an’ohatra ny fifandraisan’Andriamanitra amin’ny vahoakany. Ny fifankatiavan’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray anefa dia fanomezana avy amin’Andriamanitra. Noho izany dia manana ny toerany ao amin’ny Baiboly izy, ary ny Tononkiran’i Salômôna dia azo raisina tsotra ho toy ny akom-pigagana manoloana izay voalaza ao amin’ny tantaran’ny Fahariana (Gen 2.23-25).

Azo tsinjaraina fito ity boky ity (1.2–2.7; 2.8-17; 3.1–5.1; 5.2–6.3; 6.4–7.11; 7.12–8.5a; 8.5b-14), izay ahitana hainteny ifamalian’olon-droa mifampitady dia mifankahita, mifanary dia mifampikaroka; izany indraindray dia voatapaky ny feon’olon-kafa izay tsy ary ho be fitiavana avokoa: ny mpiandry ondry (tovolahy sakaizan-dralehilahy), ny renin-dravehivavy na ny anadahiny na koa ny tovovavy sakaizany. Eny antsefatsefany eny dia mihambo ho mpanelanelana azy roa mpifankatia ireo sokajin’olona ireo. Saingy tsy azy anefa izany fitiavana izany, fa fanomezan’Andriamanitra ho an’izay mifankatia.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help