Salamo 22 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Antso ataon’ny efa trotraka

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon’ny hoe «Ny dieravavy, fony mazavatsinanana». Salamo nataon’i Davida.

2Andriamanitro ô, Andriamanitro ô

nahoana no dia nilaozanao aho?

Nahoana no mijanona eny lavitra eny Ianao

ka tsy mamonjy ahy na mihaino ny tarainako?

3Mandritra ny andro aho miantso Anao

saingy tsy valianao, Andriamanitro ô;

ary miantso koa aho amin’ny alina,

saingy tsy mahazo fiononana.

4Kanefa mipetraka an-tsezafiandrianana

Ianao, ry ilay Andriamanitra masina

Izay fidèran’i Israely vahoakanao.

5Nitoky taminao ireo razanay;

natoky Anao izy ka tsy diso fanantenana,

6niantso vonjy taminao ka nafahanao,

natoky Anao ka tsy diso fanantenana.

7Efa toy ny kankana aho fa tsy olona intsony,

ka sady voaompa no lavin’ny vahoaka;

8izay mahita ahy dia maneso avokoa,

manondro molotra, mihifikifi-doha.

9Ka hoy izy ireo ny amiko hoe:

«Ny TOMPO no itokiany ka aoka hanavotra;

eny tia azy Izy, ka aoka hanafaka!»

10Ianao, Tompo ô, no namoaka ahy

mba hiala avy tao an-kibon-dreniko

ka nampandry ahy teo an-trotroany.

11Vao teraka aho, dia nankinina taminao;

mbola tany am-bohoka aho, efa Andriamanitro Ianao.

12Koa aza manalavitra ahy fa akaiky izao ny loza;

ary izay hamonjy ahy dia tsy misy mihitsy.

13Ireo fahavaloko no mitangorona amiko

toa ombilahy maro manemitra ahy,

toa ombilahy masiaka avy any Basàna.

14Misanasana vava hamely ahy ireny,

mova tsy liona mandrotika sy mierona.

15Very hery toy ny rano mihanaka aho,

ary mivahavaha ny taolako rehetra;

toa savoka ny foko ka miempo ato anatiko.

16Maina toy ny tavim-bilany ny tendako;

miraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako.

Toa ao amin’ny vovoky ny fahafatesana

no efa ametrahan’ny fahavaloko ahy.

17Andian’olon-dratsy no mitangorona amiko

toa alika maromaro manodidina ahy;

nafatotr’ireo ny tongotra aman-tanako.

18Ny taolako rehetra no sisa hita, satria mahia aho

ka jeren’ireo fotsiny sady angarihany;

19ifampizaràny ny fitafiako

ary ataony antsapaka ny akanjoko.

20Ianao kosa, TOMPO ô, aza manalavitra ahy;

Ianao, ry heriko, faingàna re hamonjy.

21Afaho tsy ho ritra tankina ny aiko,

arovy aho tsy ho rembin’ireo alika,

22vonjeo tsy ho rotidrotiky ny liona,

ary tsy ho voan’ireo tandrok’ombimanga.

Dia namaly ny vavaka nataoko Ianao!

23Koa hanambara ny lazanao amin’ireo namako aho

ary hidera Anao, rehefa miangona izahay:

24«Miderà ny TOMPO, ianareo mpanaja Azy.

Aoka hanome voninahitra Azy

ianareo rehetra taranak’i Jakôba;

aoka hangovitra eo anatrehany

ianareo rehetra taranak’i Israely!

25Fa tsy nohamavoiny na notebahiny

ity mahantra izay vesaram-pahoriana;

tsy nandà ny hifanatri-tava aminy Izy,

fa nihaino tokoa ny tarainany.»

26Tompo ô, Ianao no ahazoako midera Anao

rehefa tafangona maro ny vahoakanao;

eo anatrehan’ireo mpanaja Anao

no hanefako ny voadiko taminao.

27Hasaiko amin’ny sakafon-tsorona ny ory:

hihinana anie izy ka ho voky!

Hidera ny TOMPO anie ireo mitady Azy

ka ho finaritra ho ela velona!

28Aoka ny vahoaka hatrany am-paran’ny tany

hahatsiaro ny TOMPO ka hiverina aminy;

aoka ny fianakaviamben’ny firenen-drehetra

samy ho tonga hiankohoka eo anatrehany!

29Fa ny TOMPO no mpanjaka,

Izy no manapaka amin’ireo firenena.

30Eny, hiankohoka eo anoloany aza

ireo rehetra matory ao ambanin’ny tany:

handohalika avokoa eo anatrehany

izay rehetra miverina ho vovoka

satria efa tsy nisy aina intsony.

31Hanompo Azy ny taranak’ireny;

ny taranaka manaraka hilazana ny Tompo.

32Ireo olona vao ho teraka hitantarana

izay nataony hanafahana ny vahoakany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help