Estera Grika 8 - Malagasy Bible Interconfessionelle

37[13] «Aoka ny rijan-tenin’ity taratasy ity hapetaka amin’ny toerana talaky maso manerana ny fanjakana manontolo, mba hivonon-kamely fahavalo ireo Jiosy amin’io andro voatondro io.»

38[14] Dia niainga faingana ny iraka mpitaingin-tsoavaly mba hampihatra izany baikon’ny amperôra izany; ary, tao Soza koa aza, dia navoaka izany didy manan-kery izany.

39[15] Nivoaka ny lapa i Môrdôkay tamin’izay; ka fanamiam-piandrianana no nitafiany, satroboninahitra volamena no nisatrohany, ary fehiloha vita rongony madinika miloko jaky no nanaovany. Koa faly ny mponin’i Soza, rehefa nahita azy.

40[16] Ny Jiosy kosa nazava endrika sy ravoravo.

41[17] Isam-paritany sy isan-tanàna namoahana sy nametahana ny teny aman-didin’ny amperôra, dia ravoravo sy heni-kafaliana ny Jiosy ary nanao fanasana ombàm-pifaliana. Maro ny hafa firenena no nanaiky hoforana sy tonga Jiosy noho ny fahatahorana ny Jiosy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help