Tononkiran'i Salômôna 3 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Manonofy mitady ilay tiany ravehivavy (Ravehivavy)

1Isan’alina aho eo am-pandriako iny

dia mitady ilay tiako;

tadiaviko izy fa tsy hitako.

2Hifoha aho ka hitety ny tanàna,

hamakivaky arabe sy kianja,

mba hitady ilay tiako;

tadiaviko izy fa tsy hitako.

3Ireo mpiambina misafo ny tanàna

no tojo ahy ka anontaniako hoe:

«Mba hitanareo ve ilay tiako izay?»

4Vao nolalovako kely ireo,

dia hitako ilay tiako;

ka hazoniko izy fa tsy avelako,

raha tsy tongako any an-trano

ao an’efitr’ilay reny niteraka ahy.

(Ralehilahy)

5«Ry tovovavin’i Jerosalema ô,

noho ny amin’ny gazela

na ny dieravavy eny an-tsaha,

dia miangavy mafy anareo aho hoe:

Aza tairina na fohazina ilay tiako,

raha tsy efa sitrapony!»

(Ravehivavy)

6Iza moa irỳ miakatra avy any an-taniefitra

tahaka ny setroka mitambolimbolina

ho etona mandraradraraka miora

sy emboka mamerovero

ary fofon-javamanitra isan-karazany?

7–I Salômôna eo amin’ny filanjàny iny,

otronin’ny miaramila enimpolo,

dia miaramila voafantina tamin’i Israely.

8Mirongo sabatra avokoa ireo

sady efa voasedra hiady.

Misakelika ny sabany avy izy

hiatrehana fanairana amin’ny alina.

9Nampanao filanjana ho azy

tamin’ny hazo avy any Libano

i Salômôna mpanjaka.

10Volafotsy no natao tanjany,

volamena ny fiankinana,

lamba volomparasy ny fipetrahana;

ary ny ao anatin’io filanjana io

dia ireo tovovavin’i Jerosalema

no nandravaka azy tamim-pitiavana.

11«Ry tovovavin’i Jerosalema ô,

andao hijery an’i Salômôna mpanjaka

manao ilay satroboninahitra

izay nasatroky ny reniny azy

tamin’ny androm-panambadiany,

dia ilay andro nifalian’ny fony.»

(Ralehilahy)

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help