1Izay mikasika godorao madity dia voaloto;
ary izay mifanerasera amin’ny mpiavonavona
dia zary hanahatahaka azy.
2Aza mibata enta-mavesatra
mihoatra noho ny zakanao;
toy izany koa, aoka ianao tsy hifanerasera
amin’olona mahery na manankarena noho ianao.
Tsy afaka hiaraka mihitsy
ny vilany tany sy vilany varahina;
raha vao mifandona izy roa tonta,
dia ho montsana ny vilany tany.
3Ny manankarena no manao ny tsy rariny,
kanefa izy indray no mandrahondrahona;
ny mahantra no iharan’ny tsy rariny
sady mbola voatery manao fialàn-tsiny.
4Raha ahitany tombon-tsoa ianao;
dia hampiasain’ny mpanankarena;
fa raha sahirana ianao, dia hariany.
5Raha manam-katao ianao,
dia hiara-miaina aminao ny mpanankarena;
saingy tsy hahoany akory
izay hanendaka ny anananao.
6Raha misy ilan’ny mpanankarena anao,
dia hanangolingoly anao izy,
sy hody hitsikitsiky aminao
ary hanome fanantenana anao;
hanao teny mandodoka anao izy ka hanontany hoe:
«Inona no zavatra azoko atao ho anao?»;
7kanefa halàny baràka amin’ny fanasam-be ianao,
mandra-pahalany harena anao hamaly azy indroa na intelo;
ary, amin’ny farany, dia hihomehezany ianao.
Avy eo, raha mahita anao izy, dia hanary anao
sady handihindihy loha noho ny aminao.
8Tandremo sao mety hangoleny ianao
ka hiharan’ny fietrena noho ny hadalànao.
Mbà malina miaraka amin’ny manampahefana9Raha asain’ny manampahefana ianao,
dia aza dodona loatra ny hankany,
fa vao mainka hanasa anao izy.
10Aza misosososo hankeo aminy
fandrao horoahiny ianao;
ary aza mijanona lavitra azy loatra,
fandrao hohadinoiny ianao.
11Aza mihambo ny hiresaka aminy toy ny mitovy saranga
ary aza mitokitoky amin’ny resaka be ataony;
fa ny teniny mikararana no hisedrany anao
ary ny tsikitsiky ataony no hanombantombanany anao.
12Olona tsy manana antra izy
ka tsy mahatana ny teninao;
ary tsy hotsitsîny aminao
na ny famelezana na ny gadra.
13Aoka ianao no mailo ary hitandrina fatratra
fa lalana mety hianjeranao no andehananao!
Mpanankarena sy mahantra15Ny zava-mananaina rehetra dia tia izay mitovy aminy,
ary ny olona rehetra dia tia izay olona namany.
16Mifandray araka ny karazany avy ny nofo rehetra,
ary mitambatra amin’izay itovizany ny olona.
17Fiombonana inona no mety hisy
amin’ny amboadia sy ny ondrikely?
Toy izany koa ny amin’ny mpanota
manoloana ny olona tia vavaka.
18Fihavanana inona no mety hisy
amin’ny amboahaolo sy ny alika?
Ary fihavanana inona no mety hisy
amin’ny mpanankarena sy ny mahantra?
19Ny borikidia any an-taniefitra no firembin’ny liona;
toy izany koa ny mahantra no fitsentsitry ny mpanankarena.
20Hàlan’ny mpiavonavona ny fietrena;
toy izany koa hàlan’ny mpanankarena ny fahantrana.
21Ny mpanankarena izay mangozohozo
dia tohanan’ny sakaizany;
fa ny malahelo izay solafaka
dia ailikilikin’ny sakaizany.
22Raha ny mpanankarena no mivoana,
dia maro no manampy azy;
na manao tenin’adala aza izy,
dia omen’ny olona rariny.
Fa raha ny malahelo no mivoana,
dia anomezan-tsiny azy izany;
ary raha milaza zavatra mitombina izy,
dia tsy raharahaina akory.
23Raha ny mpanankarena no miteny,
dia mangina ny olona rehetra;
sady manakoako hatrany amin’ny rahona
no iderana ny lahateniny.
Fa raha ny mahantra no miteny,
dia atao hoe: «Mba iza koa io?»;
ary raha sendra mibolisatra izy,
dia atosiky ny olona ho lavo.
24Tsara ny harena izay tsy laroin’ota;
fa ratsy kosa ny fahantrana
raha famaizana noho ny ota izany.
25Ny fon’ny olombelona no mamboatra ny endriny,
ka mahatonga azy ho tsara na ho ratsy.
26Ny endrika mirana no mariky ny fo sambatra;
fa fieritreretana milofo no amoronana ohabolana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.