Hiran'ireo Zatovo Telo Lahy Sava lalana - Malagasy Bible Interconfessionelle
Sava lalana –Ny rijan-teny grika momba ny boky Daniela dia azontsika amin’ny endrika roa somary misy fahasamihafany kely ihany, dia ny dikantenin’ny Septoazinta sy ny an’i Teôdôsiôna; izany dia ahitana sombin-dahatsoratra telo izay tsy hita ao amin’ny rijan-teny hebreo na aramianina. Ireto sombin-dahatsoratra telo ireto, izay noraisin’ny Fiangonana Katôlika ho deoterôkanônika fa noheverin’ny Fiangonana prôtestanta ho apôkrifa, dia nadika araka ny dikantenin’i Teôdôsiôna eto. Ny sombin-dahatsoratra voalohany dia misy rijan-teny litorjika roa natsofoka ao amin’ny tantaran’i Daniela 3: «Ny vavak’i Hazarià» sy «Ny hiran’ny sakaizan’i Daniela telo lahy». Ny sombin-dahatsoratra roa hafa dia tsy manam-pifandraisana mivantana amin’ny boky fototra, ankoatra ny momba ny tenan’i Daniela: fony mbola zaza izy, dia efa nitana toerana lehibe teo amin’ny tantaran’i «Sozanina»; fa rehefa lehibe kosa dia izy mihitsy no ivon’ny tantaran’i «Bela» sy ny «Dragona».