Genesỳ 39 - Malagasy Bible Interconfessionelle

I Jôsefa tao amin’i Pôtifara izay ejiptianina

1Tafidina tany Ejipta i Jôsefa, satria ireo Jismahelita no nitondra azy tany. Lehilahy ejiptianina atao hoe Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Jismahelita.

2Ary ny TOMPO nomba an’i Jôsefa izay nanjary lehilahy nambinina. Nitoetra tao an-tranon’ilay Ejiptianina tompony izy;

3ary hitan’ity tompony fa nombàn’ny TOMPO i Jôsefa ka nampahombiaziny avokoa izay rehetra nataony.

4Ary nahafaly fatratra ny tompony i Jôsefa ka nataony mpiasa manokana; dia nomeny hiandraiketany ny tao an-tranony sy izay nananany rehetra.

5Nanomboka hatreo, noho ny amin’i Jôsefa, dia notahîn’ny TOMPO ny tao an-tranon’ilay Ejiptianina sy izay rehetra nananany. Io fitahian’ny TOMPO io dia nanenika ny fananany rehetra na an-tsaha na an-tanàna.

6Noho izany dia navelany teo am-pelatanan’i Jôsefa avokoa ny fananany rehetra; ka tsy nihevitra na inona na inona intsony i Pôtifara, afa-tsy izay sakafo hohanin’ny tenany ihany.

I Jôsefa sy ilay vadin’ny tompony

Tovolahy tsara tarehy sady bikàna i Jôsefa.

7Taorian’ireo zava-niseho ireo, dia nangata-maso tamin’i Jôsefa ny vadin’ny tompony, ka nanao taminy hoe:

–Avia handry amiko!

8Fa hoy ny navalin’i Jôsefa azy:

–Sanatria! Napetraky ny tompoko eo an-tanako avokoa ny fitandremana ny fananany rehetra ary matoky manana ahy izy ka tsy mikarakara na inona na inona intsony ato an-trano.

9Ary na ato an-trano aza dia tsy manana fahefana noho izaho izy; ka tsy nisy nandrarany ahy, afa-tsy ianao izay vadiny. Koa ahoana no ahazoako manao zava-dratsy lehibe toy izany, ka hanotako amin’Andriamanitra?

10Isan’andro isan’andro dia mbola nanangoly an’i Jôsefa ihany ilay vehivavy; fa tsy nanaiky handry na hiray aminy izy.

11Indray andro dia niditra tao an-trano i Jôsefa mba hanao ny raharahany, ary tsy nisy mpanompo tao an-trano.

12Dia nosamborin’ny vadin’i Pôtifara tamin’ny lambany izy, ka nataony hoe:

–Avia handry amiko!

Fa navelan’i Jôsefa teny an-tanan-dravehivavy ny lambany, dia nandositra nivoaka ny trano izy.

13Nony hitan-dravehivavy fa nandositra i Jôsefa ka namela ny lambany teo an-tanany,

14dia niantso vonjy tamin’ireo mpanompony izy ka nanao hoe:

–Jereo fa nentina taty amintsika iny lehilahy hebreo iny mba hanadala antsika. Nanatona ahy saika handry tamiko izy, kanjo niantsoantso mafy aho.

15Fa raha vao nandre ahy nanandra-peo sy niantsoantso izy, dia nandositra nivoaka ny trano ka namela ny lambany teto anilako.

16Dia napetrak’ilay vehivavy teo anilany teo ihany ilay lamba mandra-pahatongan’ny vadiny tao an-trano.

17Dia nitantara tamin’ny vadiny araka ireo teny ireo koa izy ka nanao hoe: «Nanatona ahy mba hanadala ahy ilay mpanompolahy hebreo nentinao taty amintsika iny.

18Fa nanandra-peo sy niantsoantso aho, dia lasa nandositra nivoaka ny trano izy ka namela ny lambany teto anilako.»

19Tezitra mafy ilay tompon’i Jôsefa, rehefa nandre ny fitantaràn’ny vadiny izay nataon’ny mpanompony taminy.

20Koa nasain’i Pôtifara nosamborina i Jôsefa sy nasainy nohidîna tao am-ponja izay nisy ireo mpigadra meloka tamin’ny mpanjaka.

I Jôsefa tao an-tranomaizina

Fa raha tao am-ponja i Jôsefa,

21dia nomba azy kosa ny TOMPO sy naneho hatsaram-po taminy, ka nampahita sitraka azy tamin’ny lehiben’ny fonja.

22Dia natolotr’ilay lehiben’ny fonja teo an-tanan’i Jôsefa avokoa ireo mpigadra rehetra, ka izy no mitarika ny asa rehetra nataon’ireo mpigadra.

23Koa ilay lehiben’ny fonja dia tsy niraharaha na inona na inona tamin’ny zavatra rehetra nankininy tamin’i Jôsefa, satria ny TOMPO nomba azy ka nanambina izay nataony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help