Nehemià 2 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Omen-dalana hiverina any Jerosalema i Nehemià

1Tamin’ny taona faha-roapolo nanjakàn’i Artakserksesa, volana Nisàna, raha ilay nisakafo iny indrindra ny amperôra, dia naka divay aho ka nandroso azy taminy. Vao izay aho no mba nalahelo teo anatrehan’ny amperôra

2ka hoy izy tamiko:

–Nahoana no malahelo tarehy ianao, kanefa tsy marary tsinona? Tsy zavatra hafa izao fa alahelom-po mihitsy.

Dia raiki-tahotra mafy aho

3ka niteny tamin’ny amperôra hoe:

–Ho velona mandrakizay anie ianao, ry andriamanjaka! Nahoana no tsy halahelo tarehy aho, fa rava ny tanàna misy ny fasan-drazako sady levon’ny afo ny vavahadiny?

4Dia hoy ny amperôra tamiko:

–Inona àry no angatahinao?

Nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra aho aloha,

5vao niteny tamin’ny amperôra hoe:

–Raha sitrakao izany, ry andriamanjaka, ary raha misy fankatelemanao ahy mpanomponao, dia mba alefaso ho any Joda aho, ho any amin’ilay tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako azy.

6Ny amperôra, izay nanana ny vadibeny nipetraka teo anilany, dia mbola nanontany ahy hoe:

–Haharitra fotoana firy any anefa ianao ary rahoviana no hiverina?

Dia sitraky ny amperôra ny handefa ahy, koa nilaza fetr’andro taminy aho

7sady nanampy teny hoe:

–Raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka hisy taratasy homena ahy ho an’ireo governoran’ny faritra any andafy andrefan’ny ony Eofrata, mba hamelany ahy handeha hatrany Joda.

8Aoka hisy taratasy homena ahy koa ho an’i Asafa mpiandraikitra ny alam-panjakana mba hanomezany hazo ahy hatao amin’ny varavaran’ny trano fiarovana manolotra ny tempoly sy amin’ny mandan’ny tanàna ary amin’ny trano hitoerako.

Dia nomen’ny amperôra ahy ireo taratasy ireo, araka ny fiarovana nanambinan’Andriamanitra ahy.

9Nankany amin’ireo governora any andafy andrefan’ny ony Eofrata aho ka nanolotra azy ny taratasin’ny amperôra. Nisy manamboninahitra sy mpitaingin-tsoavaly rahateo nirahin’ny amperôra mba hiaraka amiko.

10Raha nahare izany i Sanebalato ilay Hôrônita sy i Tôbià ilay Hamônita mpanampy azy, dia samy sosotra tokoa satria nisy lehilahy tonga hikarakara izay hahasoa ny Israelita.

Jeren’i Nehemià ny hasimbàn’ny manda

11Dia tonga tany Jerosalema aho ka nipetrapetraka tao telo andro;

12nefa tsy nisy olona nilazako izay natsindrin’Andriamanitra ny foko mba hatao ho an’i Jerosalema. Avy eo dia niainga alina aho, nombàn’olona vitsivitsy; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay boriky nitaingenako ihany.

13Nandeha alina aho ka nivoaka ilay vavahadin’ny Lohasaha dia nandroso nankany amin’ilay loharanon’ny Dragona ary nihazo ilay vavahadin’ny Fanariam-pako. Nozahako ny mandan’i Jerosalema efa rava sy ny vavahady efa levon’ny afo.

14Dia nizotra nankany amin’ilay vavahadin’ny Loharano aho sy nihazo ilay farihin’ny mpanjaka; nefa tsy nisy intsony lalana azon’ilay biby nitaingenako naleha.

15Iny alina iny ihany no niakarako ny tevana amoron’ny lohasahan-driaka sy mbola nizahako ny manda; izay vao nitampody aho, dia niditra ilay Vavahadin’ny Lohasaha ka tafaverina.

16Tsy nahalala izay nalehako na izay nataoko ireo mpanapaka; fa, talohan’izao, dia tsy mbola nisy nilazako izany ireo Jiosy, na mpisorona na loholona na mpanapaka na olon-kafa mpiandraikitra ny asa.

17Ary hoy aho taminy;

–Hitanareo ny fahavoazana mihatra amintsika fa rava i Jerosalema ary kilan’ny afo ny vavahadiny. Koa andeha hanangana indray ny mandan’i Jerosalema isika mba tsy ho fandatsa intsony!

18Dia nambarako azy ny fiarovana nanambinan’Andriamanitra ahy ary koa ny teny nolazain’ny amperôra tamiko; ka hoy ireo hoe:

–Ndao àry isika hanorina ny tanàna!

Dia nivonon-kanao izany asa soa izany tamin-kerimpo ry zareo.

19Fa raha nahare izany i Sanebalato ilay Hôrônita sy i Tôbià ilay Hamônita mpanampy azy ary i Gesema ilay Arabo, dia nanaraby sy naneso anay hoe:

–Inona izao zavatra hataonareo izao? Hikomy amin’ny amperôra angaha ianareo?

20Izao kosa no valin-teny nasetriko azy:

–Ilay Andriamanitry ny lanitra mihitsy no hanambina anay; ka dia hirotsaka hanorina ny tanàna indray izahay mpanompony. Ianareo kosa tsy manana anjara na zo na fahatsiarovana akory atỳ Jerosalema!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help