1Tamin’izay i Ptôlemeo mpanjakan’i Ejipta dia namory miaramila tsy tambo isaina hoatra ny fasika amoron-dranomasina ary koa sambo maro; ka nitady hahazo an-kafetsena ny fanjakan’i Aleksandra izy mba hakambana amin’ny fanjakany.
2Dia niroso nankany Siria i Ptôlemeo ka nanao tenim-pihavanana hatrany. Novohain’ny mponina teo anoloany ny tanàna; ary nirohotra hitsena azy ny olona, fa nodidian’i Aleksandra hitsena an’i Ptôlemeo noho ny maha rafozany azy.
3Kanefa isaky ny tafiditra amin’ny tanàna anankiray ity mpanjakan’i Ejipta, dia mametraka miaramila hiambina an’io.
4Fony izy mby teo akaikin’i Asdôda, dia nasehon’ny mponina azy ny tempolin’i Dagôna may, ny tanàna mbamin’ny manodidina azy rava, ny faty nihahaka etsy sy eroa, ny sisan-taolan’ireo nodoran’i Jônatàna nandritra ny ady ka nangonin’ny Asdôdita hiavosa teny amin’ny lalàna handalovan’i Ptôlemeo.
5Nitantarana ny nataon’i Jônatàna ny mpanjakan’i Ejipta mba hankahalany an’io kanefa nangina fotsiny izy.
6Tamin’ny fomba manetriketrika no nankanesan’i Jônatàna tao Jôpa mba hihaona amin’i Ptôlemeo; nifampiarahaba izy ireo, dia samy nandry tao.
7Nanatitra ny mpanjaka hatreo amin’ny ony atao hoe Eleotera i Jônatàna, vao niverina ho any Jerosalema.
8Lasan’ny mpanjaka Ptôlemeo tamin’izany ireo tanàna amoron-tsiraka hatrany Seleosia eo amoron-dranomasina. Ary zava-mamohehatra no mbola kasainy hatao amin’i Aleksandra.
9Dia nandefasan’i Ptôlemeo masoivoho i Demetry mpanjaka mba hilaza aminy hoe:
–Avia hanao fifanekena isika fa homeko ho vadinao ny zanako vavy novinadin’i Aleksandra, ary hanjaka eo amin’ny fanjakan-drainao ianao.
10Nanenenako ny nanome azy ny zanako vavy, satria nitady hamono hahafaty ahy i Aleksandra.
11Naniry hahazo ny fanjakan’i Aleksandra ny mpanjakan’i Ejipta no nanivaiva azy toa izany.
12Dia notsoahany tokoa ny zanany vavy ka nomeny an’i Demetry. Nanomboka teo no tafasaraka tamin’i Aleksandra i Ptôlemeo; sady nitranga ampahibemaso ny fifankahalàny.
13Niditra ny tanàna Antiôkia i Ptôlemeo, dia nitonon-tena ho mpanjakan’i Azia; ka satro-panjakana roa no indray nentiny, dia ny an’i Ejipta sy ny an’i Azia.
Fahafatesan’i Aleksandra sy i Ptôlemeo14Tany Silisia i Aleksandra tamin’izay fotoana izany, satria nikomy ny mponina tao amin’io faritra io.
15Vao nandre ny nataon’i Ptôlemeo i Aleksandra, dia niroso hamely azy; kanefa niroso koa i Ptôlemeo ka nanehatra azy tamina tafika matanjaka, ary naharesy tosika azy.
16Nandositra tany Arabia i Aleksandra mba hitady fialofana any; ka nisandratra avo ny fiambonian’i Ptôlemeo mpanjaka.
17Kanjo notapahin’ny Arabo anankiray atao hoe Zabdiela ny lohan’i Aleksandra, dia nampitondrainy ho any amin’i Ptôlemeo.
18Andro fahatelo taorian’izany koa dia maty i Ptôlemeo mpanjaka; ka novonoin’ny mponina ho faty ny andia-miaramila ejiptianina napetrany tany amin’ireo tanàna mimanda.
19Dia i Demetry no tonga mpanjaka tamin’ny taona faha-167.
Nanao fifanekena tamin’ny Jiosy i Demetry II20Tamin’izany andro izany no namorian’i Jônatàna ny lehilahy tao Jodea mba haka ny toera-mafin’i Jerosalema; ary nanangana milina betsaka fandrobahan-drindrina izy mba hamelezana azy.
21Dia nisy lehilahy vitsivitsy, mpankahala firenena sady mpanohitra ny lalànan’Andriamanitra, nandeha nankany amin’i Demetry mpanjaka mba hilaza taminy fa ataon’i Jônatàna fahirano ilay toera-mafy.
22Nahatezitra an’i Demetry ny nandrenesana izany, ka niezaka faingana nankany Ptôlemaida izy sy nanoratra tamin’i Jônatàna hitsaharany tsy hanao fahirano ny toera-mafy sy hahatongavany malaky dia malaky any Ptôlemaida hidinika aminy.
23Nony voarain’i Jônatàna izany taratasy izany, dia nodidiany hotohizina ny fahirano; ary nifidy loholona israelita vitsivitsy sy mpisorona maromaro hiaraka aminy izy, dia niseha-doza hanatona an’i Demetry.
24Naka volamena sy volafotsy ary lamba amam-panomezana hafa betsaka izy, dia nankany amin’ny mpanjaka any Ptôlemaida ka noraisiny tsara.
25Nisy nanao fitarainana namely an’i Jônatàna ny olona sasany mpiray firenena aminy saingy tsy mpandala ny lalànan’Andriamanitra.
26Toy ny nataon’ny mpanjaka talohany ihany no nataon’i Demetry tamin’i Jônatàna; nofenoiny voninahitra teo anatrehan’ireto rehetra atao hoe «sakaizan’ny mpanjaka» izy.
27Nohamafisiny ny andraikitra maha mpisorombe azy ary koa ny tombontsoa rehetra efa azony taloha; ary nasainy nosoratana ho anisan’ireo «sakaiza voalohan’ny mpanjaka» izy.
28Nangatahin’i Jônatàna tamin’ny mpanjaka mba ho afaka amin’ny hetra rehetra i Jodea sy ireo faritra telo ao Samaria; ka hanome azy volafotsy valo arivo kilao izy ho setrin’izany.
29Neken’ny mpanjaka io fangatahana io, ka naraikitra an-tsoratra ho an’i Jônatàna avokoa izany rehetra izany araka izao endrika izao:
30–Izaho, Demetry mpanjaka, dia miarahaba an’i Jônatàna rahalahiko sy ny firenena jiosy.
31Indro alefanay aminao ny kopian’ny taratasy milaza ny aminareo; nosoratanay ho an’i Lastena izay anisan’ny «havan’ny mpanjaka» izany mba hampahafantarina anareo:
32«Izaho, Demetry mpanjaka, dia miarahaba an’i Lastena araka ny anaram-boninahitra hoe ‹ray›.
33Nanapa-kevitra aho ny hanisy soa ny firenena jiosy noho ny hitsimpo asehony amiko. Sakaizantsika manko ny Jiosy ary manao ny rariny amintsika;
34koa hamafisiko ho fananany ny faritany Jodea ary ny faritra telo nesorina tamin’i Samaria mba hatambatra amin’i Jodea, dia i Aferemà sy i Lidà ary i Ramataîma mbamin’ny tanàna madinika miankina aminy. Ho fanambinana an’izay rehetra mandeha hanolotra sorona any Jerosalema no anaovako izany; tsy handoa ny hetra ho an’ny mpanjaka intsony izy toy ny fanao teo aloha, isan-taona, avy amin’ny vokatry ny tany sy avy amin’ny voankazo.
35Manomboka izao ny zavatra hafa rehetra fandoany ho ahy avy amin’ny fahafolon-karena, na avy amin’ny haban-tsena, na avy amin’ny famokaran-tsira, na avy amin’ny hetran’andriana manokana, dia anafahanay azy avokoa.
36Manomboka izao no mankany, dia tsy azo anovana ireo fepetra ireo na iray aza.
37Koa ankehitriny, imasoy ny hanao kopian’it taratasy ity; dia atolory an’i Jônatàna izany mba hapetrany amin’ny toerana miharihary, any an-tendrombohitra masina.
Nampian’i Jônatàna i Demetry II tao Antiôkia38Nony hitan’i Demetry mpanjaka fa nandry feizay ny tany teo ambany fifehezany ary tsy nisy olona nanohitra azy intsony, dia nalefany hody any an-tokantranony avy ny miaramilany rehetra. Ireo miaramila hafa firenena, izay nalainy tany amin’ny nosy grika, no hany notazoniny; ka tonga fahavalon’i Demetry avokoa ny miaramila rehetra nanompo ireo mpanjaka nodimbiasany.
39I Trifôna, izay nomba an’i Aleksandra taloha, dia nahita fa nimonomonona tamin’i Demetry avokoa ireto miaramila ireto; ka nandeha izy nankany amin’ilay Arabo atao hoe Imalko, izay nitaiza an’i Antiôkôsa, zanakalahin’i Aleksandra mbola tanora.
40Noteren’i Trifôna i Imalko hanolotra an’ilaikely aminy mba hampanjakainy handimby an-drainy; notantarainy tamin’ilay Arabo ny zavatra rehetra nataon’i Demetry mbamin’ny fankahalàn’ireto miaramila ireto azy. Naharitra andro maromaro no nitoeran’i Trifôna tao.
41Tamin’izay ny miaramila sirianina, nitoby tao amin’ny toera-mafin’i Jerosalema sy tany amin’ireo tanàna mimanda hafa any Jodea, dia mpila ady tamin’ny Israelita. Koa nandefasan’i Jônatàna iraka i Demetry mpanjaka mba hangataka ny hanalany an’ireo miaramila ireo.
42Ka ny valinteny nasain’i Demetry natao tamin’i Jônatàna dia toy izao:
–Tsy izany angatahinao izany ihany no hataoko ho anao sy ho an’ny firenenao, fa homeko voninahitra mitafotafo ianareo raha vantany vao misy ahazoako manao izany.
43Ankehitriny kosa mety ny andefasanao miaramila hamonjy ahy, fa lasa nitsoaka avokoa ny miaramilako.
44Dia vatan-dehilahy andiany telo anisan’ireo mahery fo indrindra no nalefan’i Jônatàna ho an’i Demetry tany Antiôkia; ka nahafaly ny mpanjaka tokoa ny fahatongavan’ireo.
45Nisy roa alina sy iray hetsy manko ny mponin’i Antiôkia no nivory tao afovoan’ny tanàna ka nitady hamono hahafaty ny mpanjaka.
46Nibosesika teny an-dalamben’ny tanàna ireo vahoaka sady efa nanomboka namely; fa i Demetry kosa nialoka tao an-dapa.
47Tamin’izay no nantsoin’ny mpanjaka hamonjy azy ny Jiosy, ka indray nirohotra izy rehetra nankeo aminy; avy eo dia niparitaka eran’ny tanàna ireo, ka namono nahafaty olona sahabo ho iray hetsy androtrizay.
48Nodoran’ny Jiosy ny tanàna, sady babo be dia be no azony tamin’io andro io; ary voavonjiny koa ny mpanjaka.
49Voatanan’ny Jiosy araka izay tiany hanaovana azy ny tanàna Antiôkia; ka nony hitan’ny mponina izany, dia niraviravy tanana izy ary nandefa fitarainana tamin’ny mpanjaka hoe:
50–Mangataka fanekempihavanana aminao izahay; ary aoka ny Jiosy mba hitsahatra hamely ny tenanay sy ny tanàna!
51Sady nametraka fitaovam-piadiana tokoa ny vahoaka no nanao fanekempihavanana tamin’ny mpanjaka. Nahazo vonihahitra kosa ny Jiosy teo anatrehan’i Demetry sy teo anatrehan’ny olona rehetra manerana ny fanjakany, ka niverina ho any Jerosalema nitondra babo betsaka.
52Dia nahazo nipetraka teo amin’ny sezafiandrianam-panjakana ihany i Demetry mpanjaka; ary nandry feizay ny tany teo ambany fifehezany.
53Kanjo nialan’i Demetry avokoa ny fampanantenana nataony, ka tonga nanohitra an’i Jônatàna izy. Tsy namaly fitia ny asa soa vita izy, ary nanelingelina an’i Jônatàna mihitsy aza.
Niandany tamin’i Antiôkôsa VI i Jônatàna54Taorian’izany no tonga kosa i Trifôna, nitondra an’i Antiôkôsa. Mbola zaza izy io kanefa voatendry ho mpanjaka sy nametrahana ny satroboninahitra.
55Nijoro nanotrona an’i Antiôkôsa avokoa ny miaramila nalefan’i Demetry sady niady namely an’io ka nahatonga azy ho resy sy vaky nandositra.
56Lasan’i Trifôna ireo elefanta fampiasa an’ady ary azony koa i Antiôkia.
57Tamin’izay no nanoratan’i Antiôkôsa kely taratasy ho an’i Jônatàna toy izao: «Hamafisiko amin’ny andraikitra maha mpisorombe ianao sy atsangako hitondra ny faritra efatra ary ataoko anisan’ny «sakaizan’ny mpanjaka».
58Nandefasany vazy volamena sy fanaka fomban-databatra koa izy, sady nomeny lalana hisotro amina tsatokaty volamena, ary koa hitafy jaky sy hitondra jaigrafy volamena.
59I Simôna rahalahiny kosa notendren’i Antiôkôsa ho mpitari-tafika amin’ny faritany eo anelanelan’ny Fiakaran’i Tiro sy ny sisin-tanin’i Ejipta.
60Niainga i Jônatàna tamin’izay, ka nitety ny faritany manontolo andrefan’i Eofrata ary nifindrafindra tanàna. Nivory homba azy sy hiara-miady aminy avokoa ny miaramila rehetra tany Siria. Tonga tao Askelôna izy, ka notsenain’ny mponina tamim-pomba manetriketrika.
61Avy teo izy dia nankany Gazà; saingy nanidy vavahady teo anoloan’i Jônatàna ny mponina, ka sady nataony fahirano ny tanàna no namaboany sy nodorany ny tanàna madinika manodidina azy.
62Koa nitaraina tamin’i Jônatàna ny olona tao Gazà; dia nekeny ny hihavana tamin’ireo, nefa nalainy ho antoka ny zanakalahin’ny lehibeny ka nalefany ho any Jerosalema. Noteteziny toy izany ny tany hatrany Damasy.
63Ren’i Jônatàna tamin’izay fa tonga ao Kedesa any Galilea ireo jeneralin’i Demetry sady nitondra tafika goavana hisakanana azy amin’ity asa tontosainy.
64Koa niroso i Jônatàna hifanehatra aminy, fa i Simôna rahalahiny no napetrany tao Jodea.
65Lasa nankany Bety-Tsoro i Simôna nanodidina azy sy nanao fahirano azy naharitra andro maromaro.
66Nangata-pihavanana taminy ny voafahirano ka nekeny; saingy nasainy nivoaka ny tanàna ireo, dia noraisiny ho azy i Bety-Tsoro ka nametrahany andia-miaramila.
67I Jônatàna sy ny tafiny kosa nitoby teo akaikin’ny farihin’i Genesareta. Ny ampitso vao maraina no nidirany tao amin’ny lemak’i Hatsôra.
68Ary indreo ny miaramila hafa firenena tamy hitsena azy teo amin’io lemaka io, sady nandefa otrika teo an-tendrombohitra hamelezana an’i Jônatàna. Ny ankamaroan’ny fahavalo no nandroso hanehatra azy teo anoloana;
69fa nipoitra tampoka kosa ny otrika avy ao am-piereny ka nisantatra ady.
70Dia vaky nandositra ny miaramila rehetra mpomba an’i Jônatàna; tsy nisy nijanona afa-tsy i Matatià zanakalahin’i Absalôma ary koa i Joda zanakalahin’i Kalfỳ, samy jeneralin-tafika.
71Tamin’izay i Jônatàna dia nandriatra ny fitafiany sy nanosim-bovoka ny lohany ary nivavaka.
72Avy eo izy vao lasa indray niady tamin’ny fahavalo ka nanosika azy hihemotra sy nampandositra azy.
73Nahita izany ireo mpitsoaka ady nandao an’i Jônatàna dia niverina taminy indray ka niara-nanenjika ny fahavalo hatrany Kedesa nisy ny tobiny; dia izy ireo indray no tonga nitoby tamin’io toerana io.
74Nisy vatan-dehilahy andiany telo ireo miaramila hafa firenena no maty tamin’izany andro izany; ary niverina ho any Jerosalema i Jônatàna.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.