Salamo 115 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO An’Andriamanitra irery ny voninahitra

1Aza izahay, ry TOMPO ô, aza izahay

fa Ianao ihany no omem-boninahitra,

noho ny fitiavanao sy ny toetranao mahatoky.

2Ahoana no ilazan’ireo hafa firenena hoe:

Mba aiza ity Andriamanitrareo?

3Ilay Andriamanitray dia any an-danitra,

ka efany avokoa izay tiany hatao.

4Ny sampin’ny hafa firenena kosa

dia volafotsy amam-bolamena;

zavatra notefen’olombelona ireny:

5manam-bava fa tsy miteny;

mana-maso fa tsy mahita;

6manan-tsofina fa tsy mandre;

manana orona fa tsy manambolo;

7manan-tanana fa tsy mandray;

manan-tongotra fa tsy mandeha;

ary ny tendany tsy mahaloa-peo.

8Ho tahaka azy anie izay manao azy

sy izay rehetra mitoky aminy!

9Ry fokon’i Israely ô, matokia ny TOMPO.

–Heriny sy ampingany Izy!

10Ry taranak’i Aharôna

ô, matokia ny TOMPO.

–Heriny sy ampingany Izy!

11Ry mpanaja ny TOMPO ô, matokia ny TOMPO.

–Heriny sy ampingany Izy!

12Mahatsiaro antsika ny TOMPO ka mitahy:

–Hotahîny anie ny fokon’i Israely!

–Hotahîny anie ny taranak’i Aharôna!

13–Hotahîny anie ny mpanaja AZY!

–Hotahîny anie na ny kely na ny lehibe!

14Hohamaroin’ny TOMPO anie ny ankohonanareo,

dia ny anareo sy ny an’ny zanakareo!

15Hitahy anareo anie ny TOMPO,

Mpanao ny lanitra sy ny tany!

16Ny lanitra dia an’ny TOMPO;

ny tany kosa nomeny ny olombelona!

17Tsy ireo maty no hidera ny TOMPO

na ireo mitsitra any an-toera-mangina;

18fa isika velona no misaotra ny TOMPO

manomboka izao ka ho mandrakizay.

Haleloià!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help