Jodita Sava lalana - Malagasy Bible Interconfessionelle

Sava lalana –Ny bokin’i Jodita dia mirakitra ny tantaran’ny vehivavy anankiray nahazoan’ny vahoaka jiosy ny fanafahana, tamin’ny ady izay saika nahafongotra azy. Ny fahitana an’i Jodita dia mamohafoha ny amin’i Deborà (Mpits 4–5) na ny amin’i Estera.

Kanefa ny lahatsoratra aroso eto dia tsy miraharaha loatra ny zava-nisy ara-tantara sy ara-jeôgrafia. Ohatra, i Nebokadnetsara izay nampijoro ny fanjakana neôbabilônianina ka nandresy an’i Asiria, dia lazaina fa mpanjaka anankiray tao Asiria. Etsy an-daniny ny zava-nitranga voatatitra dia maneho Jiosy tafaverina avy any an-tsesitany (Jdt 4.3; 5.11); kanefa io Nebokadnetsara io ihany no nanao sesitany azy. Azo soritana ihany koa fa ny tanàna Betolia, izay foibe ihoronan’ny lahatsoratra manontolo, dia tsy voateny na aiza na aiza; ary ny anaran-toerana aroso ao amin’ny Jdt 4.6, ohatra, dia tsy ahitana toerana mifanandrify aminy ao Palestinina.

Izany rehetra izany dia mahatonga hihevitra fa tantara noforonin’ny mpanoratra ity lahatsoratra ity mba hiniana hanafinafenana ny tena zava-nisy tamin’ny androny, dia toa ny vanim-potoana nananosarotra fony ireo Jiosy nikomy tamin’ilay mpanjaka sirianina Antiôkôsa IV Epifana (175–164 tal J.K.). Ny kendren’ny mpanoratra, tamin’izay, dia ny hampahery ireo mpiray firenena aminy mba hijoro tsara na dia eo aza ny zava-manahirana ary mba hiraiki-po amin’Andriamanitra hatrany na inon-kidona na inon-kihatra. Ny zavatra nimasoan’ny lahatsoratra tahaka ny bokin’i Daniela no mba imasoan’ny mpanoratra ity bokin’i Jodita ity ihany koa.

Ny tantaran’i Jodita izay hita ao amin’ny Baiboly Katôlika 1938 (sy ny edisiôna rehetra manaraka azy mandraka izao) dia miainga avy amin’ny Volgata latinina izay dikanteny nataon’i Jerôma (347-420) avy amina rijan-teny fototra aramianina. Somary vita maimaika ihany io dikanteny nataony io ka mahatonga fahasamihafana maro, raha miohatra amin’ny dikanteny DIEM izay miainga avy amin’ny rijan-teny fototra grika heverina ho azo antoka indrindra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help