1Indrisy! Nihavasoka ny volamena;
efa nihamatroka ilay metaly tsara;
ireo vatosoa voatokana ho an’ny Tompo
dia niparitaka teny an-dalambe rehetra teny.
2Indrisy! Ireo vaton’i Tsiôna izay sarobidy
sady manan-danja toy ny volamena madio
dia tonga mitovy vidy amin’ny siny tany,
asan-tanan’ny mpanefy tanimanga?
3Na ny amboadia aza dia manolotra nono
mba hampinonoana ny zanany;
fa ny zanakavavin’ny fireneko kosa tsy mifaditra ovana
tahaka ny vorombe any an-taniefitra.
4Main’ny hetaheta ireo zaza minono
ka miraikitra amin’ny lanilany ny lelany.
Mitaky mofo ireo ankizy madinika
nefa tsy misy mizara ho azy.
5Ireo mpihinana hanim-py
dia mitofezaka eny an-dalambe.
Ireo nobeazina tamin’ny fitafiana jaky
dia mihosinkosina eny an-tobim-pako.
6Lehibe noho ny heloky ny tao Sôdôma
ny fahotan’ny vahoakako;
nefa noravana indray mipi-maso io tanàna io
ka tsy nisy nihetsehana akory.
7Ny printsiny dia nangatsakatsaka noho ny oram-panala;
fotsy noho ny ronono ny fihodirany,
mavokely noho ny akoran-driaka ny tenany,
ary manga toy ny safira ny lalan-drany.
8Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny endriny;
ka tsy fantatra intsony izy eny an-dalambe.
Miraikitra amin’ny taolany ny hodiny,
dia hoditra maina toy ny kitay.
9Aleo lavitra aza matin-tsabatra
toy izay matin’ny mosary
sy mitofezaky ny harerahana
satria tsy misy vokatry ny saha.
10Ny reny tokony ho feno fitiavana aza
no nirotsaka nahandro ny zanany;
dia izany no nataony sakafo
tamin’ny fandringanana nahazo ny vahoakako.
*11Nanampatra havinirana ny TOMPO
ka nampitosaka ny fahatezerany mirehitra.
Namelona hain-trano tao Tsiôna Izy
handevonana ny fanorenany.
12Tsy nanampo na ny mpanjakan’ny tany
na ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao
fa hiditra ao an-tanànan’i Jerosalema
ny fahavalony ama-mpandrafy azy.
13Fahotan’ny mpaminaniny sy heloky ny mpisorony
izay nahafaty ny mpivavaka marina tao an-tanàna
no nahatonga izany fahavoazana izany.
14Toy ny jamba eny an-dalambe ry zareo
no niraparapa fandeha sady voahosin-dra;
hany ka voarara ny mikasika ny fitafiany.
15Rehefa tonga izy, dia misy miantsoantso hoe:
Mihataha ianareo fa maloto izy,
mihataha fa aza manatona azy.
Raha mandositra izy nefa tsy mahita izay haleha
dia hoy ny firenen-kafa hoe:
«Tsy mahazo mijanona ela atỳ amintsika ireo!»
16Ny TOMPO mihitsy no nampiely azy
fa tsy te hahita azy intsony.
Koa tsy nohajaina ny mpisorona
ary tsy niantrana ny zokiolona.
*17Mbola vizana ny masonay
miandry foana ny famonjena.
Nitazana teo an-tilikambo izahay
nanantena firenena tsy hahavonjy.
18Arahi-maso ny fihetsikay:
Tsy afa-mankeny an-kianjanay akory izahay.
Manakaiky ny fiafaranay, tapitra ny andronay;
eny, migadona ny fiafaranay.
19Ny mpanenjika anay kosa haingam-pandeha
noho ny voromahery eny an-danitra.
Manenjika anay hatrany an-tendrombohitra izy,
ary manotrika hamely anay any an-taniefitra.
20Ilay niankinan’ny fiainanay,
ilay mpanjaka nohosoran’ny TOMPO
ka mba efa nilazanay hoe:
«Eo ambany fiarovanao no hanananay toerana
eo anivon’ny firenen-kafa»,
dia indro voafandriky ny longoam-pahavalo!
*21Mifalia sy miravoa ianareo,
ry mponin’i Edôma,
izay mitoetra ao amin’ny tanin’i Hotsy;
saingy handalo aminareo koa
ny tsangambavam-panamelohana
ka ho mamo sy hiboridana ianareo!
22Efa tapitra ny famaizana anao, ry Tsiôna,
ka tsy hoentina ho babo intsony ianao.
Fa ianao kosa, ry Edôma,
hovalian’ny Tompo ny fahadisoanao,
hovakiny bantsilana ny helokao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.