Bena-Siràka 11 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Ny fahendren’ny olona manetry tena

no hahazoany mampitraka ny lohany

ary koa hahafahany mipetraka

eo ampovoan’ireo lehibe.

Aza mijery ny ivelany fotsiny

2Aza mandodoka olona noho ny hatsaran-tarehiny;

ary aza marikoriko olona noho ny amin’ny endriny.

3Bitika ny renitantely raha miohatra amin’ny voro-manidina;

nefa ny zavatra vokariny no lohalaharana amin’ny zava-mamy.

4Aza mirehareha amin’izay fitafiana entinao

ary aza manandra-tena amin’ny androm-boninahitra;

satria ny asan’ny Tompo no mahagaga,

saingy takona amin’ny olombelona izany.

5Maro ny mpanjakazaka tafapetraka ambany;

fa izay tsy nohevitreverin’ny olona kosa

no nitondra ny satroboninahitr’izy ireo.

6Maro ny manampahefana

no tototry ny fanalàm-baràka,

ary maro ny olona malaza

no voatolotra hanompo ny hafa.

7Aza manome tsiny olona, raha tsy efa namotopototra;

mandiniha aloha ianao, vao izay no mananatra.

8Aza mamaly na inona na inona, raha tsy efa nihaino;

ary aza miloa-bava hiteny, raha mbola misy mandahatra.

9Aza mifanditra amin’izay zavatra tsy momba anao,

ary aza mitsabaka amin’ny adiadin’ny samy mpila vaniny.

Ny fanampian’Andriamanitra no tena mandaitra

10Anaka, aoka ny zavatra indray ataonao tsy ho maro loatra;

fa raha maro sahanina ianao, dia tsy hilaozam-pahavoazana.

Na dia hihazakazaka aza ianao,

dia tsy hisy zavatra ho tratranao;

tsy izay firotorotoana etsy sy eroa

no hahatafavoaka ny ezakao.

11Misy mifofotra sy misasatra ary miasa haingana,

kanefa vao mainka mihamahantra bebe kokoa.

12Misy ny tsy manan-kery sady tsy mana-piahy,

tsy ampy tanjaka, ary be fahantrana;

fa ny Tompo kosa nitsinjo azy mba hanasoa azy,

ary nanala azy tamin’ny toetra nanetrena azy:

13ny Tompo tokoa no nampitraka loha azy,

ka maro no gaga ny amin’izany.

14Na zava-tsoa na zava-dratsy,

na fahafatesana na fiainana,

na fahantrana na fananan-karena,

dia samy avy amin’ny Tompo avokoa.

17Ny fahalalahan-tanan’ny Tompo dia azo antoka

ho an’ireo olona tia vavaka;

ary ny hatsaram-pony no hitarika azy

amin’ny lalam-pahombiazana hatrany.

18Misy manan-karena noho ny fikajiana amam-pitsitsiana,

kanefa izao no tamby ho azony amin’izany:

19Izy manao anakampo hoe: «Nahazo fitsaharana aho,

ka afaka hanaram-po amin’ny fananako ankehitriny»,

dia tsy mahalala akory izay handalovan’ny fotoana

ka hamelany ny hareny ho an’ny hafa sy hahafatesany.

Hain’ny Tompo ny manova ny toe-javatra

20Aoka hifikiranao sy hifantohanao ny andraikitrao;

ka ho ao anatin’izany asanao izany anie no hianteranao!

21Aza gaga amin’ny asa fanaon’ny mpanota ianao;

matokia ny Tompo ary mahareta amin’ny raharahanao,

fa zavatra mora foana eo imason’ny Tompo

ny mampanankarena tampoka eo no ho eo ny mahantra.

22Ny fitahian’ny Tompo no valisoa

ho an’ny olona tia vavaka;

ary ao anatin’ny fotoana haingana

dia hody ventiny ny zava-nandrandrainy.

23Aza manao hoe: «Inona indray moa no mbola ilaiko?

ary inona no soa mbola mety ho azoko amin’ny ho avy?»

24Aza manao koa hoe: «Efa manana ny ampy aho;

ka loza inona indray no mbola hiaretako amin’ny ho avy?»

25Amin’ny andro fahasoavana,

dia hadino ny zava-dratsy;

ary amin’ny andro faharatsiana,

dia hadino ny zava-tsoa.

26Mora ho an’ny Tompo manko amin’ny andro ahafatesana

ny mamaly ny olona araka ny lalana nizorany avy.

27Ny ora fijaliana dia mampanadino ny fifaliana lasa;

ary ny fiafaran’ny olona no hampiharihary ny asany.

28Alohan’ny fahafatesany, aza manao olona ho sambatra;

amin’ny fahafatesany manko no ahafantarana ny olona.

Mahaiza mifidy ny olona ifandraisana

29Aoka tsy izao olona isan-karazany izao

dia hampidirinao ho ao an-tranonao avokoa,

fa maro ny fandrika ataon’ny mpamitaka!

30Ny fon’ny mpiavonavona dia toa tsipoy

voatana sambobelona anaty trano mifefy;

sahala amin’ny mpitsikilo izy

mikendry ny fianjerànao.

31Amin’ny fanovàna ny zava-tsoa ho zava-dratsy

no anaovan’ny mpiavonavona vela-pandrika;

ary ny fihetsika madio no asiany pentina.

32Ny pitik’afo iray mahatonga vainafo miredareda;

ary ny mpanota iray no mampihanaka ny ra latsaka.

33Tandremo ny mpanao ratsy, fa mamorona teti-dratsy izy

ka sao ianao hataony manan-tsiny mandrakizay.

34Raha vahiny no ampiantranoinao,

dia mety hampisavorovoro anao izy

ary hampiady ny ankohonanao aminao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help