Salamo 143 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Tompo ô, aza antsoina hotsaraina aho

1 Salamo nataon’i Davida.

TOMPO ô, mba henoy vavaka aho,

anongilano sofina ny fifònako.

Araka ny toetranao mahatoky

sy araka ny fiantrànao no amalio ahy.

2Mpanomponao aho ka aza antsoina hotsaraina,

fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.

3Nenjehim-pahavalo tokoa aho;

nohoseny an-tany ny aiko.

Nampitoeriny tamin’ny haizina aho

mova tsy ny maty fahagola.

4Koa reraka ato anatiko aho;

fadiranovana ny foko ato amiko.

5Tsaroako izany andro fahiny;

sainiko avokoa ny nataonao,

eritreretiko ny asa vitanao.

6Mivavaka manandra-tanana aminao aho;

ny fanahiko eo anatrehanao

dia tahaka ny tany mangentana.

Fiatoana

7Valio faingana aho, TOMPO ô,

fa efa ambivitra ny aiko.

Aza manafin-tava amiko Ianao,

ndrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.

8Ataovy tsapako isa-maraina ny fitiavanao,

satria Ianao no itokiako;

ampahafantaro ahy ny lalan-kizorako,

satria Ianao no ifantohako.

9TOMPO ô, afaho amin’ny fahavalo aho

fa ao aminao no iereko.

10Ampianaro aho hanao ny sitrakao,

satria Andriamanitro Ianao.

Enga anie ny Fanahinao tsara

hitarika ahy amin’ny tany marina!

11Araka ny maha TOMPO Anao,

dia velomy indray aho;

noho ny fahamarinanao,

dia esory amin’ny fahoriana aho.

12Noho ny fitiavanao ahy,

dia fongory ny fahavaloko

ka aringano avokoa ny mpandrafy ahy,

satria mpanomponao aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help