Tsefanià 2 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Antso ho amin’ny fibebahana

1Mandiniha ka mieritrereta,

ry vahoaka lany henatra,

2dieny ianareo tsy mbola tonga toy ny akofa

izay miely indray andro monja,

dieny tsy mbola mahazo anareo

ny afom-pahatezeran’ny TOMPO,

ary dieny tsy mbola tonga aminareo

ny andro hirehetan’izany.

3Mitadiava ny TOMPO ianareo rehetra,

ry mpanetry tena eto amin’ny tany

sady mpanatanteraka ny fitsipiny.

Manaova ny marina,

manetre tena eo anatrehan’ny TOMPO.

Angamba ho voatsimbina ihany ianareo

amin’ny androm-pahatezerany.

Ny loza mananontanona ny vahoaka eo andrefan’i Joda

4Fa hilaozana i Gazà, ary ho lao i Askelôna.

Horoahina mitataovovonana ny mponin’i Asdôda,

ary hofongorana ny an’i Hekrôna.

5Lozanareo avy any Kaftôra,

izay mipetraka amoron-dranomasina!

Izao no tenin’ny TOMPO mitsara anareo:

«Ry Kanàhana tanin’ny Filistinina,

haringako tsy hisy mponina intsony eo aminao.

6Ny taninao eo amorontsiraka

dia ho lasa fiandrasam-biby fiompy

ka hiriariavan’ny mpiandry ondry

ary hasiana valan’ondry aman’osy.»

7Ny sisa velona amin’ny taranak’i Joda

no hanana izany faritra izany;

ao no hiandrasany biby fiompy,

ary ny tranon’i Askelôna

no hatoriany amin’ny hariva.

Fa hanasoa azy ny TOMPO Andriamaniny

ary hanome fanambinana azy indray.

Ny loza mananontanona ny vahoaka eo atsinanan’i Joda

8Ny TOMPOn’izao rehetra izao

sady Andriamanitr’i Israely:

dia manao teny hentitra hoe:

«Reko ny olon’i Môaba sy Hamôna

nandatsa sy nanaratsy ny vahoakako.

Eny, nandatsa azy izy roa tonta,

ary nanitatra ny taniny teo amin’ny azy.

9Koa velona AHO ary mianiana

fa ho levona i Môaba sy i Hamôna,

ho tahaka ny tanànan’i Sôdôma sy Gômôra

ka ho kirihitra tsilo sy lava-tsira

ary ho tany lao mandrakizay;

ho avy handroba sy haka ny taniny

ireo sisa velona amin’ny vahoakako».

10Izany no famaizana setrin’ny avonavony

satria izy roa tonta dia samy nandatsa

ny vahoakan’ilay TOMPOn’izao rehetra izao

ary nanitatra ny taniny teo amin’ny azy.

11Hahatsiravina ny hataon’ny TOMPO aminy;

hofoanany avokoa ireo andriamanitry ny olombelona.

Koa na ireo hafa firenena faran’izay lavitra aza

dia hiankohoka avokoa hitsaoka Azy,

samy any amin’ny taniny avy.

Ny loza mananontanona ny vahoaka any atsimo sy avaratra

12«Ianareo koa, ry Etiôpianina, hoy ny Tompo,

hovonoiko amin’ny ady ianareo».

13Haninji-tanana koa ny TOMPO

hamely ny faritra avaratra

ka handringana an’i Asiria;

Izy no hahalao ny tanànan’i Ninive

ka hahatonga azy ho karankaina toy ny taniefitra.

14Ao amin’ny toerana nisy an’i Ninive

dia handrian’ny omby aman’ondry

sy ireo karazam-biby samy hafa;

honenan’ny vorondolo sy tararaka

eny an-tampon’ireo andrin-tranony,

feom-borona no ho re eo am-baravarankely,

faharàvana no ho hita raha vao mby eo an-tokonana

satria ho voaendaka ny rafitra hazo sedera.

15Izany no hiafaran’ilay tanàna fatra-pirehareha,

sady niaina tamim-pilaminana

ary nihevi-tena ho tsy manan-tsahala.

Indrisy, efa tonga lao izy izao ary fierem-biby!

Izay rehetra mandalo eo akaikiny dia hisioka

sy hanakifi-tanana ho fanesoana azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help