1Izay manaja ny Tompo no hanao toy izany;
ary ny mpahay lalàna
no hahazo fahendrena.2Toy ny reny hitsena azy ny fahendrena,
ary toy ny vady virijiny handray azy,
3ka ny fahazavan-tsaina no toy ny mofo hafahany azy
ary ny fahendrena no toy ny rano hampisotroiny azy.
4Hiankina amin’ny fahendrena izy ka tsy hilofika
ary hiraikitra aminy ka tsy hahazo henatra.
5Ny fahendrena dia hanandratra azy
ho ambonin’ireo mpiray fonenana aminy;
ary rehefa hiteny eo anivon’ny fivoriambe izy,
dia ny fahendrena no hampiloa-bava azy.
6Fifaliana sy firavoravoana no ho hitany,
ary laza maharitra mandrakizay no ho anjarany.
7Ny olona adala kosa tsy mba hahazo ny fahendrena,
ary ny mpanota tsy hahita izany na oviana na oviana.
8Mihataka lavitry ny mpiavonavona ny fahendrena
ary ny olona fandainga tsy hihevitra izany akory.
9Tsy sitraka ny fiderana an’Andriamanitra
eo am-bavan’ny mpanota,
satria tsy mba avy amin’ny Tompo
izany fiderana izany:
10ny fahendrena no mampanonona ny fiderana
ary ny Tompo mihitsy no manentana amin’izany.
Fahafahana aman’andraikitry ny olona11Aza manao hoe: «Ny Tompo no nampivoana ahy»,
satria izay zavatra halany, dia tsy ataony.
12Aza manao hoe: «Ny Tompo no nampania ahy»,
satria tsy mila izay mpanota akory Izy.
13Ny toetra maharikoriko isan-karazany
dia samy ankahalain’ny Tompo;
ka ireo olona manaja Azy ihany
no tsy mankamamy an’izany.
14Tany am-piandohana no nahary ny olombelona ny Tompo
ary namela azy samy hanaraka ny fisainany avy.
15Raha tianao àry, dia hitandrina ny didiny ianao,
miankina amin’ny sitrakao ny hiraiki-po amin’izany.
16Nataon’ny Tompo eo anoloanao ny afo sy ny rano,
ka azonao atsotra amin’izay tianao ny tananao.
17Eo anoloan’ny olona ny fiainana sy ny fahafatesana,
ka izay ironan’ny safidiny no homena azy.
18Lehibe manko ny fahendren’ny Tompo;
sady mahery Izy no mahefa
ary mahita ny zavatra rehetra;
19ny masony dia eo amin’izay manaja Azy,
ary fantany avokoa ny asan’ny olombelona.
20Tsy misy olona notereny hankahala fivavahana
ary tsy misy olona nomeny lalana hanota.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.