Ohabolana 12 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Izay tia fananarana tia fahalalana;

fa adaladala izay mankahala tsikera.

2Ny tsara fanahy dia mahazo sitraka avy amin’ny TOMPO,

fa izay manana sain-dratsy kosa helohiny.

3Tsy haratsiam-panahy no maha tafaorina ny olona;

fa ny marina kosa mamaka tsy misy mahozongozona.

4Satroboninahitry ny vadiny ny vehivavy tsara fanahy,

fa homamiadana mikiky azy kosa ny vehivavy tsy mendrika.

5Ny olo-marina mihevitra ny rariny;

fa ny olon-dratsy kosa misaina fitaka.

6Ny tenin’ny olon-dratsy dia fandrika mahafaty;

ny lazain’ny olo-marina kosa mamonjy ny hafa.

7Raha miongana ny olon-dratsy, dia tsy misy tafajanona;

fa ny ankohonan’ny olo-marina kosa maharitra hatrany.

8Ny fahaizan’ny olona no hiderana azy,

fa izay adaladala kosa hatao tsinontsinona.

9Aleo olon-tsotra manana mpanompo anankiray,

toy izay mpirehaka ho maro mpanompo nefa tsy manan-kohanina.

10Ny olo-marina mahalala mitsimbina ny bibiny;

fa ny olon-dratsy kosa masiaka hatramin’ny atiny.

11Izay miasa ny taniny ho voky hanina,

fa izay manao hevi-dravina kosa tsy ampy saina.

12Ny olon-dratsy maniry tombontsoa tsy ara-drariny;

fa ny olo-marina kosa mamaka sady mamokatra.

13Ny olon-dratsy voafandriky ny laingany ihany;

fa ny olo-marina kosa afa-miala amin’ny fahoriana.

14Ny tenin’ny olona no ahazoany fahombiazana

sy andraisany ny vokatr’izay asan’ny tanany.

15Ny adala dia mihevitra ho mahitsy toetra;

fa hendry kosa ny olona izay mandray torohevitra.

16Ny adala maneho hatezerana eo no ho eo,

fa ny hendry alaim-baràka kosa mahatsindry fo.

17Izay milaza ny marina no manambara ny rariny;

fa fitaka kosa no ambaran’ny vavolombelona mandainga.

18Izay mitsaontsaona dia mety handratra toy ny sabatra;

fa ny tenin’ny hendry kosa dia fanasitranana.

19Ny teny marina dia mitombina hatrany;

fa ny lainga kosa dia indray mipi-maso ihany.

20Fitaka no ao am-pon’izay miteti-dratsy;

fa fifaliana kosa ho an’izay misaina fihavanana.

21Tsy misy ratsy manjo ny olo-marina;

fa ny olon-dratsy kosa heniky ny loza.

22Mankahala ny mpandainga ny TOMPO,

fa mankasitraka kosa ny olona mahatoky.

23Ny olona malina tsy mampideradera ny fahalalàny;

fa ny fon’ireo adala kosa mamoaka hafokana.

24Ny olona mazoto miasa no homena fitondrana;

fa ny olona kamo kosa dia hampanaovina asa an-terivozona.

25Ny ahiahy mandreraka ny fon’ny olona;

fa ny teny soa kosa mahafaly azy.

26Ny olo-marina dia mpitari-dalana ny namany

fa ny toetran’ny olon-dratsy kosa mamery azy.

27Ny mpihaza kamo tsy mba manana haza hatono;

fa soa sarobidy kosa ny olona mazoto miasa.

28Ny lalan’ny fahamarinana no misy ny fiainana;

fa ny lalam-paharatsiana kosa mankany amin’ny fahafatesana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help