1 Samoela 30 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Voaroba i Tsiklaga. I Davida manenjika ny Hamalekita

1Ny afakampitso, rehefa tonga tany Tsiklaga i Davida sy ny olony, dia notafihin’ny Hamalekita ny atsimon’i Joda sy i Tsiklaga, noravan’izy ireo sy nodorany ny tanàna.

2Nobaboin’izy ireo ny vehivavy mbamin’izay rehetra tao an-tanàna na kely na lehibe, nefa tsy nisy novonoiny na iray aza, fa nentiny avokoa ary dia notohiziny ny diany.

3Rehefa tonga i Davida sy ny olony, dia nahita fa nisy nandoro ny tanàna, ary nisy nitondra ireo vadiny mbamin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy.

4Dia nanala ny fony nitomany i Davida sy ireo mpanaraka azy mandra-pahatankin’ny ranomasony.

5Voasambotra koa ireo vadin’i Davida roa, dia Ahinôhama avy any Jizrehèla sy i Abigaîla vadin’i Nabala avy any Karmela.

6Mafy ny fahoriam-panahy nahazo an’i Davida, fa niara-nioko hitora-bato azy ny olona satria samy nalahelo mafy izy ireo nieritreritra ny zanany lahy sy ny zanany vavy avy. Na izany aza dia nankahery tena i Davida, noho ny amin’ny TOMPO Andriamaniny.

7Ka hoy i Davida tamin’i Abiatara mpisorona sady zanakalahin’i Ahimeleka:

–Ento atỳ amiko ny efôda fanontaniana ny Tompo, azafady.

Dia nentin’i Abiatara teo amin’i Davida ny efôda.

8Ary nanontany tamin’ny TOMPO i Davida hoe:

–Raha henjehiko ve ireny tontakely ireny, dia mety ho azoko?

Ka hoy ny navalin’ny TOMPO azy:

–Enjeho izy ireo fa ho azonao, ary dia hoafahanao ireo babo.

9Dia niainga i Davida sy ny namany eninjato lahy. Rehefa tonga teo amin’ny riakan’i Besôra izy ireo, dia nijanona ny roanjato lahy

10satria reraka loatra ka tsy afa-niampita; fa i Davida sy ny efajato lahy no nanohy ny fanenjehana ireo Hamalekita.

11Teny an-tsaha teny ireo miaramila dia nahita tovolahy Ejiptianina ka nentiny tany amin’i Davida. Nomena mofo izy hohaniny, ary rano hosotroiny.

12Dia nomena didina mofomamin’aviavimbazaha sy sampahom-boaloboka maina roa. Rehefa avy nihinana ireo izy, dia nihanahazo hery, satria efa tsy nihinan-kanina nandritra ny telo andro sy telo alina.

13Dia nanontany azy i Davida hoe:

–An’iza moa ianao, ary mba avy taiza?

Ka novaliany hoe:

–Tovolahy ejiptianina aho ary mpanompon’ny Hamalekita iray. Nilaozan’ny tompoko aho afak’omaly satria narary.

14Talohan’izao dia nanafika ny faritra atsimo amin’ny Keretita sy ny an’i Joda ary ny an’i Kalebita izahay. Ary nodoranay ny tanànan’i Tsiklaga.

15Ary hoy i Davida taminy:

–Azonao entina any amin’izany andian-tontakely izany ve aho?

Dia hoy ny navaliny azy:

–Raha mianiana amiko eto anatrehan’Andriamanitra ianao fa tsy hahafaty ahy, na hanolotra ahy amin’ny tompoko, dia hitondra anao eo amin’izany andian-tontakely izany aho.

Resin’i Davida ny Hamalekita

16Dia nentin’ilay tovolahy ejiptianina tany amin’ny Hamalekita i Davida. Ary ny Hamalekita efa niparitaka nanerana ny faritany, ka nihinana sy nisotro ary nanao lanonana fa nahazo harem-be tany amin’ny tanin’ny Filistinina sy ny tanin’i Joda.

17Namely azy ireo vao mangiran-dratsy i Davida mandra-paharivan’ny andro manaraka. Tsy nisy niangana na iray aza afa-tsy tovolahy efajato izay afa-nandositra nitaingin-drameva.

18Avotr’i Davida avokoa izay rehetra lasan’ny Hamalekita. Navotany manokana ireo vadiny roa.

19Tsy nisy tsy azony na kely na lehibe hatramin’ny zazalahy sy ny zazavavy ary ny harem-be, dia izay rehetra nobaboin’ny fahavalo. Tafaverin’i Davida avokoa izany.

20Nalain’i Davida koa ny biby fiompy rehetra na kely na lehibe. Ary nandeha teo alohan’ireo biby ireo ny mpitarika azy ka niantsoantso hoe: «Itony no azon’i Davida!»

21Ary i Davida niverina tany amin’ny roanjato lahy izay efa reraka tsy afa-nanaraka azy ka nijanona teo amin’ny ranon-driakan’i Besôra. Niainga izy ireo hitsena an’i Davida sy ny mpanaraka azy. Dia nanatona azy ry Davida ka niarahaba azy.

22Fa ireo ratsy fanahy sy faikan’olona tamin’izay nanaraka an’i Davida dia samy niteny hoe:

–Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy omentsika amin’ny babo izay azontsika afa-tsy ny vady aman-janak’izy ireo ihany; aoka hoentiny any ireo dia, avelao izy handeha.

23Fa hoy i Davida hoe:

–Ry rahalahy, aza mba manao izany amin’izay nomen’ny TOMPO antsika; Izy no niaro antsika sady nanolotra ho eo am-pelatanantsika ny andian-tontakely izay tonga namely antsika.

24Koa iza no hihaino anareo amin’izany hevitrareo izany? Tsia,

«fa mitovy ihany ny anjaran’izay nidina hiady

sy izay nijanona niandry entana:

hiarahan’ny roa tonta mizara ireo.»

25Nanomboka tamin’io andro io, dia nataon’i Davida lalàna sy fomba ho an’i Israely izany ary mbola arahina mandraka androany.

26Rehefa tafaverina tany Tsiklaga i Davida, dia nandefasany anjara tamin’ny babo ireo loholon’i Joda sakaizany, ka nataony hoe: «Iny fanomezana ho anareo avy amin’ny babo azo tamin’ny fahavalon’ny TOMPO.»

27Nandefasany koa ireo loholon’i Betela sy i Ramôta-Negeba ary i Jatira,

28ireo loholon’i Harôhera, sy i Sifmôta ary i Estemôa,

29ireo loholon’i Rakala sy ny tanànan’ny Jerahimelita ary ny Kenita,

30ireo loholon’i Hôrmà sy i Bôra-Hasàna ary i Hatàka,

31ireo loholon’i Hebrôna ary ireo izay any amin’ny toerana rehetra nodiavin’i Davida sy ny olony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help