Hôsea 13 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny fahafatesan’ny vahoaka nikomy tamin’Andriamanitra

1Rehefa niteny i Efraîma,

dia nampatahotra ny besinimaro izy

ka nahery tao Israely.

Fa ny nanompoany an’i Bahala

no nahameloka sy nahafaty azy.

2Ankehitriny mikiribiby manota izy,

ka mandrendrika volafotsy

hanaovana sarivongan-tsampy

araka ny hakingany mamorona azy.

Asan’ny mpahay taozavatra avokoa ireny

kanefa dia lazainy hoe:

«Anolory sorona izy!»

Olombelona no mitsaoka ombilahikely!

3Ho toy ny rahona vao maraina izy

ary ho toy ny ranon’ando

ka ho levona vetivety;

eny, ho toy ny akofa paohin-drivotra

hiala amin’ny famoloana izy

ary ho toy ny setroka

mivoaka amin’ny varavarankely.

4Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao,

hatry ny fony ianao tany Ejipta;

ary ianao dia tsy mahafantatra

andriamani-kafa ankoatrako

sy mpamonjy afa-tsy Izaho.

5Izaho no mpiandry anao;

fony ianao tany an-taniefitra

tany amin’ny tany karankaina.

6Nony mby teo amin’ny ahi-maitso ianao

dia afa nivoky tokoa.

Eny, voky ianao, ka niavonavom-po;

izany no nanadinoanao Ahy.

7Koa tonga toy ny liona Aho

aminareo Israelita,

ary koa tahaka ny pantèra

mamitsaka amoron-dalana.

8Toy ny famelin’ny orsa very zanaka

no amelezako anareo,

ka rotehiko ny tratranareo.

Toy ny fandrapaky ny liom-bavy

no andrapahako anareo;

ny bibidia no hamiravira ny fatinareo.

9Ny maharingana anao, ry Israely,

dia noho ianao manohitra Ahy

Izay hany mahavonjy anao.

10Aiza àry izao ny mpanjakanao

izay tokony hamonjy anao?

Amin’ny tanànanao rehetra,

aiza koa ireo mpitondra anao?

Fa ianao ihany no nanao hoe:

«Omeo mpanjaka sy filoha aho».

11Koa tamim-pahatezerana

no nanomezako mpanjaka anao,

ary tamim-pahavinirana

no nanesorako ireny indray.

12Voatana an-tsoratra

ny helok’i Efraîma,

tsara tahiry ny fahotany.

13Tahaka ny an’ny vehivavy hiteraka

no fanaintainana mahazo azy.

Kanefa dia zaza adaladala:

tsy mety mivoaka avy ao an-kibo izy,

na dia efa tonga aza ny fotoany.

14Izaho TOMPO ve hanavotra ireo olona ireo

tsy ho voagejan’ny fahafatesana,

ka hanafaka azy amin’ny toeran’ny maty?

Rafahafatesana ô,

aiza ny aretina fandringananao?

Ry toeran’ny maty ô,

aiza ny loza fandripahanao?

Tsy hana-maso miantra Aho.

15Fa na dia miroborobo aza i Efraîma

eo anivon’ireo mpiray firenena aminy,

dia hiakatra avy any an-taniefitra

ny rivotra avy atsinanana;

ka ny TOMPO no handefa izany.

Dia ho ritra ny loharanony

ary ho tànkina ny fantsakàny.

Hobaboina ny tahiriny,

dia ny fanaka sarobidy rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help