Jeremià 10 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Andriamanitra velona mifanandrina amin’ny sampy

1Mihainoa ny hafatra izay nambaran’ny TOMPO momba anareo, ry olon’i Israely.

2Izao no lazain’ny TOMPO:

«Aza ianaranareo ny fomban’ny firenen-kafa;

ary aza atahoranareo ny famantarana

izay miseho eny an-danitra,

fa ny firenen-kafa no matahotra ireny.

3Ny fanaon’ny firenen-kafa

dia zava-poana ihany.

Hazo any an’ala no kapainy,

dia sokirin’ny mpandrafitra ho sampy.

4Ravahany volamena na volafotsy izany,

hamafisiny amin’ny tantanana sy ny fantsika

mba tsy hampihetsiketsika azy.

5Toy ny kalo eny an-tanin-kôkômbra

ireo andriamanitra sampy ireo

ka tsy miteny akory;

entina izy fa tsy mba afa-mandeha.

Aza matahotra azy ianareo,

fa tsy afaka manisy ratsy izy

ary tsy afaka manisy soa ihany koa.»

6Tsy misy tahaka Anao, ry TOMPO,

fa lehibe Ianao ary lehibe ny lazanao

amin’ny asa mahery nataonao.

7Iza no tsy hatahotra Anao,

ry Mpanjakan’ireo firenena,

fa mendrika anao izany.

Ny hendry rehetra amin’ireo firenena

sy ao amin’ireo fanjakana rehetra

dia tsy misy mitovy aminao.

8Fa adala sy very saina izy rehetra:

zava-poana ny fampianarany

fa tapa-kazo ihany izany.

9Ireo sampy ireo dia ravahana

takela-bolafotsy avy any Tarsisy

na volamena avy any Ôfira,

izay namboarin’ny mpanao asan-tanana

sy ny mpanefy firavaka;

ary lamba jaky sy volomparasy

no nampitafiana azy.

Asan’ny mpahay taozavatra avokoa

ireny sampy rehetra ireny.

10Fa ny TOMPO kosa

no tena Andriamanitra,

Andriamanitra velona

sy Mpanjaka mandrakizay.

Rehefa tezitra Izy,

dia mihorohoro ny tany;

ary ny firenena dia tsy mahatanty

ny fahavinirany.

11Izao àry no holazainareo aminy: ireo andriamanitra tsy nanao ny lanitra sy ny tany ireo dia holevonina tsy ho etỳ an-tany intsony, sady tsy hanan-toerana atỳ ambanin’ny lanitra.

12Tamin-kery no nanaovan’ny Tompo ny tany,

tamim-pahendrena no nanorenany

izao tontolo izao,

ary tamim-pahaizana no namelarany

ny habakabaka.

13Baikony no mampitoby

ny ranobe any an-danitra any

sy mampiakatra ny rahona matevina

avy any am-paravodilanitra,

ary andatsahan’ny tselatra ny ranonorana

sy ivoahan’ny rivotra avy amin’ny fitoerany.

14Ketrina avokoa ny olona rehetra

ka tsy mahatakatra ny hevitr’izany.

Ireo mpandasitra sarivongan-tsampy

dia menatra avokoa tamin’ny nataony;

satria fitaka ireo sarivongana ireo

fa tsy manam-pofonaina akory.

15Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny;

fa amin’ny andro hamaizana azy,

dia ho levona izy.

16Fa tsy mitovy amin’ireo ny Tompo,

ilay Anjaran’i Jakôba,

satria Izy no mpamorona ny zava-drehetra;

ary ny vahoaka Israely dia fananany.

Ilay TOMPOn’izao rehetra izao no anarany.

Antomotra ny fahavoazana (Jeremià)

17Angòny hiala teo ny entanao,

ry Jerosalema voafahirano.

18Fa izao no lazain’ny TOMPO:

«Amin’ity indray mandeha ity

dia horoahiko ny mponina eo amin’ny tany;

hotemeriko akaiky izy

mba tsy hisy ho afa-mitsoaka.»

(Jerosalema)

19Hoy kosa i Jerosalema hoe:

«Indrisy ity fahavoazako e!

Lalina ny ratra mahazo ahy.

Nefa anjara-fahoriako izao, hoy aho,

ka dia hozakaiko ihany.

20Rava ny laiko, tapaka avokoa ny tadiny.

Tsy manan-janaka intsony aho fa lasa ireo.

Tsy misy hanangana ny laiko intsony

na hanorina indray ny fialofako.»

(Jeremià)

21Hadalàn’ny mpitondra izao:

Tsy nanontany ny TOMPO izy.

Izany no tsy nahombiazany,

ary niparitahan’izay rehetra nandrasany.

22Injany misy feon-javatra

mirohondrohona sy mihamanatona,

dia fanakorontanana goavana

avy any amin’ny tany avaratra any,

mba hahatonga ny tanànan’i Joda ho lao

sy ho fonenan’ny amboadia.

Vavak’i Jeremià

23TOMPO ô, fantatrao

fa ny olombelona tsy mahafehy ny lalany,

ary ny mpivahiny tsy mahalamin-dia.

24Koa ahitsio aho, ry TOMPO,

nefa araka ny antonony ihany

fa tsy araka ny fahatezeranao

fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho.

25Ny firenen-kafa izay tsy mahalala Anao,

dia ny vahoaka izay tsy mivavaka aminao,

no aoka hisafoahan’ny hatezeranao.

Fa nandripaka an’i Jakôba ireo,

eny, nandripaka azy hatramin’ny farany

ary nandrava ny toeram-ponenany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help