1Tamin’izay andro izany i Jodita no nandre ny zava-nitranga. Io Jodita io dia zanakavavin’i Merary izay zanakalahin’i Oksa, zafin’i Jôsefa, zafiafin’i Hôziela, zafin-dohalik’i Hilkià, zafin-kitrokelin’i Hananià, zafim-paladian’i Gidehôna, ary zafin-dorian’i Rafaîna, dia i Rafaîna zanakalahin’i Ahitôba, zafin’i Elià, zafiafin’i Hilkià, zafin-dohalik’i Eliaba, zafin-kitrokelin’i Natanaela, zafim-paladian’i Selomiela ary zafin-dorian’i Sarasaday, dia i Sarasaday zanakalahin’i Simehôna ary zafin’i Jakôba.
2Ny vadin’i Jodita dia i Manase izay iray foko sy iray tarika aminy. Io Manase io dia maty tamin’ny fotoam-pijinjana ôrza.
3Iny izy nijery ny mpifehy amboaram-bary teny an-tsaha iny no voan’ny hainandro mahery ny lohany; dia nilamaka am-pandriana i Manase ka maty tao Betolia tanànany ihany ary nalevina tao amin’ny fasan-drazany, tao amin’ilay saha izay teo anelanelan’i Dôtàna sy i Balamôna.
4Efa telo taona sy efa-bolana izao no naha mpitondratena an’i Jodita. Nijanona tao an-tranony hatrany izy;
5teo amin’ny tafon-trano marin-tampona, dia nampanorenany tranotomboka hitokanany. Nitafy akanjo maha mpitondratena izy, kanefa nasiany akanjo anaty malailay izany.
6Taorian’ny nahafatesan’ny vadiny, dia nifady hanina isan’andro i Jodita, afa-tsy ny andro sabata na tsinam-bolana sy ny andro mialoha azy ary koa amin’ny andro fety hafa firavoravoan’ny vahoaka Israely.
7Tsara bika ravehivavy ary nanan-toetra mahatehotia. Harembe no navelan’i Manase vadiny ho azy, dia volamena sy volafotsy, mpanompo na lahy na vavy, andiam-biby fiompy ary saha famboly; ka nokarakarainy avokoa izany.
8Tsy nisy olona niteny ratsy azy satria fatra-panaja an’Andriamanitra izy.
9Henon’i Jodita ny teny fanakianana nataon’ny mponina tamin’ilay lehiben’ny tanàna, satria kivin’ny tsy fahampian-drano ireo. Henon’i Jodita koa ny teny rehetra nolazain’i Hozià tamin’ny olona ka nianianany fa hatolony amin’ny Asirianina ny tanàna rehefa lasa ny andro dimy tsy ahazoam-pamonjena.
10Koa ilay mpanompovavy mpiandraikitra ny fananany rehetra no nirahin’i Jodita ho any amin’i Hozià sy i Kabry ary i Karmy izay samy loholon’ny tanàna mba hanasa azy hankao an-tranon’i Jodita.
Ny firotsahan’i Jodita an-tsehatra11Rehefa tonga tao amin’i Jodita izy telo lahy, dia hoy ravehivavy taminy:
Mba henoinareo aho, ry filohan’ireo mponina eto Betolia. Diso iny teny voalazanareo tamin’ny vahoaka androany iny, fony ianareo nanao fianianana mamatotra an’Andriamanitra sy ny tenanareo. Tsy tokony nampanantena hanolotra ny tanàna amin’ny fahavalontsika ianareo, raha tsy tonga hitondra famonjena ho antsika ny Tompo ato anatin’ny dimy andro.
12Fa iza ianareo no mihantsy ny Tompo toy izao nataonareo androany izao sy maka ny toerany eo anivon’ny taranak’olombelona?
13Eny, maka fanahy an’Andriamanitra ianareo, saingy na oviana na oviana ianareo tsy hahalala na inona na inona amin’izay kendreny.
14Ny halalin’ny fon’olombelona aza tsy fantatrareo ary tsy arakareo akory ny eritreritry ny fisainany. Koa ahoana no hahatakaranareo an’ilay Andriamanitra nanao ireny rehetra ireny? Ahoana no hahafantaranareo izay heviny na hahazoanareo an-tsaina izay kendreny? Tsia, ranadahiko isany, aza mampahatezitra ny Tompo Andriamanitsika ianareo.
15Raha tsy te ho tonga hamonjy antsika Izy ato anatin’ny dimy andro, dia manam-pahefana Izy hiaro antsika amin’ny andro izay tiany na handringana antsika eo anoloan’ny fahavalontsika.
16Aza mitaky antoka ny amin’izay kasain’ny Tompo Andriamanitsika hatao, satria tsy mba tahaka ny olombelona Izy ka hoe horahonana hanao zavatra na hoterena hifampiraharaha.
17Noho izany, eo am-piandrasana ny hamonjeny antsika dia aoka isika hiantso vonjy aminy hatrany; ka hihaino vavaka antsika Izy, raha izany no sitrapony.
18Tamin’ireo taranaka niaraka tamintsika na tamin’izao andro ankehitriny izao dia tsy nisy foko na tarika na fianakaviana na mpiray tanàna amintsika hoe niankohoka nitsaoka andriamanitra nataon-tanan’olona. Kanefa izany no fanao taloha,
19tamin’ny andron’ireo razambentsika; ka nahatonga azy hianjadian’ny ady sy ny fandrobana ary hiharam-pahavoazana lehibe teo anoloan’ny fahavalontsika.
20Fa isika tsy mitsaoka andriamani-kafa ankoatra ny Tompo, ka manantena fa tsy handao ny tenantsika Izy ary tsy hanaisotra ny indrafo amam-pamonjeny amin’ireo mpiray firazanana amintsika;
21satria raha azon’ny fahavalo isika, dia ho azony koa i Jodea manontolo, ho voaroba ny tempolintsika ary hanadinan’Andriamanitra antsika ny nanimbazimbana azy.
22Isika no hataony tompon’andraikitra raha ho voavono ho faty ny mpiray tanindrazana amintsika na hoentina ho babo ny mponina na ho rava ny tanintsika. Handevozin’ny firenena vahiny isika, ary hoesoiny sy hotsiratsirainy.
23Tsy hahazoantsika fitserana akory izany fanandevozana antsika izany, fa hataon’ny Tompo Andriamanitsika hampahamenatra antsika mihitsy aza.
24Izao kosa, ranadahy isany, aoka hasehontsika amin’ny mpiray tanindrazana amintsika fa miankina amintsika ny tsy hahafaty azy, miankina amintsika ny Toeramasina sy ny tempoly ary ny alitara fisoronana.
25Ireo antony rehetra ireo no aoka hisaorantsika ny Tompo Andriamanitsika amin’ny itsapany antsika tahaka ny efa nataony tamin’ny razambentsika.
26Tsarovy ny nataony tamin’i Abrahama sy ny nitsapany an’i Itsehàka; tsarovy ny nihatra tamin’i Jakôba tany Mezôpôtamia fony izy niandry ny ondrin’i Labàna anadahin-dreniny.
27Toy ny nampandalovin’Andriamanitra tamin’ny afo ireo mba hamantarany ny toe-pony. Kanefa tsy tahaka izay nataony tamin’ny razambentsika no nataony tamintsika; tsy mba nampiharany sazy isika. Raha mikapoka ny olona akaiky Azy ny Tompo, dia mba ho fanairana an’ireo.
28Dia hoy i Hozià tamin’i Jodita:
–Ny zavatra rehetra voalazanao dia nambaranao araka ny teo-po tsara; ary tsy misy afa-manohitra ny teninao.
29Tsy hoe vao androany akory no nisehoan’ny fahendrenao; efa hatry ny fahatanoranao no nahalalan’ny olona rehetra ny fahiratan-tsainao sy ny hatsàran’ny fironam-ponao.
30Saingy izao: nangetaheta mafy ny vahoaka, ka nanery anay hanao araka izay voalazanay taminy ary hamato-tena amin’ny fianianana izay tsy hivadihanay.
31Noho izany, aoka ianao hivavaka amin’ny Tompo ho anay, satria vehivavy tia vavaka ianao; dia handefasany orana isika, ary ho feno indray ny famorian-dranontsika, ka tsy ho reraka intsony isika.
32Hoy kosa i Jodita tamin’ireo loholona telo lahy:
–Mba henoy kely aho fa hanao zavatra izay hifampitantaran’ireo taranatsika amin’ny taona mifandimby.
33Hijanona eo am-bavahadin-tanàna ianareo telo lahy anio alina; dia hivoaka ny tanàna izaho sy ilay mpanompovaviko. Alohan’ny hahatapitra ny fe-potoana naraikitrareo hanolorana ny tanàna amin’ny fahavalontsika, dia hamonjy an’i Israely amin’ny alalako ny Tompo.
34Ianareo kosa aza manadihady izay hataoko, satria tsy holazaiko anareo izany alohan’ny hanatontosako azy.
35Dia hoy i Hozià sy ireo loholona roa lahy tamin’i Jodita:
–Mandehana ombàm-piadanana; ary aoka ny Tompo Andriamanitra no hitarika anao hanafay ny fahavalontsika!
36Dia niala tao amin’ny tranotomboka fisitahan’i Jodita izy telo lahy ary niverina tany amin’ny toeram-pitiliany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.