2 Samoela 22 - Malagasy Bible Interconfessionelle

I Davida misaotra an’Andriamanitra taorian’ny fandreseny(Jereo Sal 18)

1Dia nanao izao tononkira izao ho an’ny TOMPO i Davida tamin’ny andro izay nanafahany azy tamin’ireo fahavalony rehetra, indrindra tamin’i Saoly.

2Ka hoy izy hoe:

Ny TOMPO no harambato

fierena azo antoka ho ahy.

3Izy no Andriamanitro

sy vatolampy ialofako,

ampinga fiarovana

sy herim-pandresena ho ahy.

Sady toeram-pamaharana fandosirako Izy,

no mpamonjy mahafaka ahy amin’ny fampahoriana.

4Hoderaina anie ny TOMPO! Fa niantso Azy aho,

dia voavonjy ho afaka amin’ny fahavaloko.

5Toy ny onja manototra ahy ny fahafatesana

sady nampitahotra ahy toa riaka mandrava;

6toy ny fatotra ahodidina ahy ny toeran’ny maty,

toa harato amandrihana ahy ny fahafatesana.

7Tao an-katerena aho no velon-taraina

sy niantso vonjy tamin’ny TOMPO Andriamanitro,

ka tany an-Tempoliny Izy no nandre ny feoko

ary koa nihaino izany antsoantsoko.

8Tamin’izay dia nihovitrovitra mafy ny tany;

nikorosy ny fiorenan’ny lanitra,

ka nihozongozona ireny fa tezitra ny TOMPO.

9Nisy setroka nidonaka avy teo an’orony

ary afo mandevona avy teo am-bavany,

ka narahina tselatra mandoro izany.

10Dia nandetsy ny lanitra ny TOMPO ka nidina;

rahona matevina no teo ambany tongony,

11ka toy ny kerobima nitaingenany izany;

dia nanidina sy nisosa Izy

ka teo amin’ny elatry ny rivotra no niseho.

12Tao anaty raho-mainty Izy no niery

ka voahodidina rahona miavosa

izay vesaran’ny rano mamonto azy.

13Manoloana Azy nisy hazavam-be

izay niteraka afo mitselatra.

14Tany an-danitra ny TOMPO Avo Indrindra

no nampitalakotroka ny varatra

sy nampanakoako izany feony;

15nalefany ny tselatra ka nipariaka

toy ny zana-tsipîka nifanaretsaka.

16Noho ny fandrahonan’ny TOMPO

mbamin’ny fifofofofon’ny hatezerany,

dia niseho ny fanambanin’ny ranomasimbe,

niharihary ny fanorenan’izao tontolo izao.

17Avy eny an-danitra ambony Izy

no naninji-tanana handray ahy

sy nisintona ahy hiala tamin-dranobe;

18ka afaka aho tamin’ny fahavaloko matanjaka,

dia tamin’ireo mpandrafy mahery noho izaho.

19Tamin’ny androm-pahoriako no nanafika ahy ireo

nefa tonga ny TOMPO ka nanohana ahy;

20navoakany ho eo an-kalalahana aho

ary nafahany satria tena tiany.

21Soa no ataon’ny TOMPO ahy satria marina aho;

izany no avaliny ahy satria madio ny toetrako,

22fa voatandriko ny sori-dalan’ny TOMPO

ary tsy ivadihako ilay Andriamanitro;

23ankatoaviko avokoa ny fitsipiny

ary tsy mba ialako ireo didiny.

24koa tsy manan-tsiny aho aminy

fa nitandrin-tena tsy ho diso.

25Eny, soa tokoa no navalin’ny TOMPO ahy

satria marina aho sy hitany madio toetra.

26TOMPO ô, mahatoky Ianao

amin’izay matoky Anao;

tsy manan-tsiny koa Ianao

amin’izay tsy manan-tsiny;

27madio Ianao amin’izay madio,

miolakolaka kosa amin’izay mpiolikolika.

28Ianao mihitsy no mamonjy ny vahoaka ory,

fa mampitanondrika an’ireo mpiavonavona.

29TOMPO ô, jiro mirehitra ho ahy Ianao;

eny, TOMPO ô, Ianao no manazava izany haiziko.

30Noho Ianao Andriamanitro,

na hady aza itsambikinako,

na manda aza ihoarako.

31Lavorary ny sori-dalan’Andriamanitra,

azo antoka ny torohevitry ny TOMPO;

toy ny ampinga fiarovana Izy

ho an’izay rehetra mialoka aminy.

32Fa iza moa no Andriamanitra

afa-tsy ny TOMPO ihany?

Ary iza no vatolampy ho anay

afa-tsy ilay Andriamanitray?

33Izy no mpiaro mahery ho ahy

sy mampizotra ahy lalana lavorary;

34Ataony kinga toy ny gazela aho

ary ajorony amin’ny toerana avo;

35Izy no manofana ahy ho amin’ny ady

ka ahaizako manenjana tsipîka varahina.

36Ny ampingam-pandresenao

no atolotrao ahy, Tompo ô;

mamaly ny antsoko Ianao

ary koa manandratra ahy.

37Ataonao faingam-pandeha kokoa aho,

nefa ny hato-tongotro tsy hangozohozo.

38Manenji-pahavalo aho ka mandripaka azy,

ary tsy miverina raha tsy efa ringako izy.

39Ringaniko sy montsaniko ireo

ka tsy hiarina intsony

ary dia mitsitra ambany tongotro.

40Omenao hery hoenti-miady manko aho,

ka adabokao ho ambaniko ny mpamely ahy.

41Ataonao mandositra ahy ny fahavaloko

ary aringako ireo mpankahala ahy.

42Miherikerika mitady vonjy izy,

kanefa tsy misy mamonjy;

ny TOMPO no antsoiny fa tsy mamaly azy.

43Kosehiko toa vovoka entin-drivotra ireny;

hoseko toy ny fotaka eny an-dalam-be.

44Afahanao amin’ny vahoaka mpikomy aho

ary arovanao ho filohan’ireo firenena;

ka olona tsy fantatro akory

no indro manjary manompo ahy.

45Vahiny no tonga mila sitraka amiko;

teny kely no ataoko, dia ekeny aho.

46Mikoy ry zareo ka mangovitra

no miala ny manda fiarovany.

47Velona ny TOMPO! Isaorana ilay Vatolampiko.

Hasandratra anie Andriamanitra

vatolampy mampandresy ahy.

48Izy no manao ny famaliana ho ahy

ary mampanaiky firenena hofeheziko.

49TOMPO ô, afahanao amin’ny fahavaloko aho;

eny, ataonao resiko ireo mpamely ahy

ary tsy mahazo ahy ny mpanao an-keriny.

50Koa eo anivom-pirenena no hiderako Anao

sady hankalazako Anao amin-kira.

51Ny TOMPO manome fandresena lehibe

ho an’ilay mpanjaka voafidiny;

ary maneho fitia an’ilay voahosony,

dia i Davida sy ireo taranany

hatrany amin’ny mandrakizay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help