Ohabolana 11 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Halan’ny TOMPO ireo mizana mandainga;

fa ny lanja marina no tiany.

2Setrin’ny fiavonavonana ny fahafaham-baràka;

fa ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena.

3Ny toetra vanona no mitarika ny olo-mahitsy;

fa ny haratsiana kosa mandringana ny mpamitaka.

4Tsy misy ilana ny harena amin’ny andro fitsarana;

fa ny fahamarinana no manafaka amin’ny fahafatesana.

5Ny fahamarinan’ny olom-banona manamora ny fiainany;

fa ny olon-dratsy kosa verin’ny faharatsiany.

6Ny fahamarinan’ny olo-mahitsy manafaka azy;

fa voafandriky ny filàn-dratsy kosa ny mpamitaka.

7Rehefa maty ny olon-dratsy, dia miara-maty aminy koa ny fanantenany,

indrindra fa izay nankininy tamin’ny harena.

8Ny olo-marina dia afahana amin’ny tebiteby;

fa ny olon-dratsy kosa no hiditra hisolo azy ao.

9Ny mpandà an’Andriamanitra dia manimba namana amin’ny teniny;

fa ny fahalalana kosa no hanafahana ny olo-marina.

10Mifaly amin’ny fahombiazan’ny olo-marina ny tanàna,

ary velom-pihobiana amin’ny fahafatesan’ny olon-dratsy.

11Ny tsodranon’ireo olo-mahitsy no isandratan’ny tanàna;

fa ny tenin’ireo olon-dratsy kosa no aharavany.

12Izay manambany ny namany no bado;

fa aleon’ny manan-tsaina mangina.

13Ny mpanely fanaratsiana no manambara tsiambaratelo;

fa ny olo-mahatoky kosa mahay manafin-javatra.

14Ho very ny vahoaka tsy misy mpitondra;

fa raha maro mpanolo-tsaina izy no handry feizay.

15Izay miantoka ny trosan’ny hafa dia hanenina mafy;

milamin-tsaina kosa izay tsy manaiky hanao izany.

16Ny vehivavy tsara tarehy mahazo haja;

ary ny lehilahy mavitrika mahazo harena.

17Ny olona tsara fanahy dia manasoa tena;

fa ny olona masiaka kosa mampahory tena.

18Karama manodoka no raisin’ny olon-dratsy;

fa valisoa azo antoka no an’izay mamafy fahamarinana.

19Izay mitandro fahamarinana dia ho velona;

fa izay mpanaraka ny ratsy kosa ho faty.

20Halan’ny TOMPO ny olona fetsifetsy;

fa izay manan-toetra vanona kosa no tiany.

21Azo antoka tokoa fa hofaizina ny ratsy fanahy;

fa ny taranaky ny marina kosa ho voavonjy.

22Ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy tsy misaina

dia toy ny kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa.

23Ny soa ihany no kendren’ny olo-marina;

fa ny fahatezeran’Andriamanitra kosa

no arehitry ny fanirian’ireo olon-dratsy.

24Misy izay malala-tanana nefa mitombo harena hatrany;

ary misy kahihitra loatra nefa mihamahantra ihany.

25Hiavosam-panambinana ny olona mpanao soa,

ary izay manome rano hosotroina dia ho afa-ketaheta.

26Ozonim-bahoaka izay mitahiry ny variny

fa tsofiny rano kosa izay mivarotra ny azy.

27Izay fatra-pikatsaka ny soa

dia misarika ny fanambinan’Andriamanitra;

fa izay mitady ny ratsy kosa dia hahita loza.

28Hihareraka izay mitoky amin’ny hareny,

fa ho tahaka ny ravin-kazo maitso kosa

no handrobonan’ny olo-marina.

29Izay mitondra korontana ao an-tranony dia adala,

ka handova rivotra sy ho tonga mpanompon’ny hendry.

30Ny vokatry ny fahamarinana dia toy ny hazon’aina;

ary ny hendry no mahataona olona.

31Omem-balisoa etỳ an-tany ny olo-marina;

koa ny ratsy fanahy sy ny mpanota

dia vao mainka hahazo ny setry sahaza!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help