1Ny Fahendrena dia nanambina ireo asan’ny Israelita
noho ny nataon’ny mpaminany masina iray.
2Namaky taniefitra tsy misy mponina ireo
ary nanangan-day tamin’ny toerana
izay tsy mbola nodiavina akory.
3Nahatohitra ny fahavalony izy
ary nahatosika izay nifanandrina taminy.
Ny hetahetan’ny Israelita sy ny hetahetan’ny Ejiptianina4Main’ny hetaheta ireo Israelita
ka niantso Anao, Tompo ô;
dia nomenao rano avy amin’ny vatolampy mideza
sy fanalana hetaheta avy amin’ny vato mafy.
5Koa ny zavatra nenti-namaizana
ny Ejiptianina fahavalony
no tonga fitahiana ho azy kosa
tao anatin’ny fahoriany.
6-7Ho sazin’ireo nanome didy
hampamono ny zaza menavava,
dia nolotoinao tamin’ny ra miharo fotaka
ny ranon’ilay ony tsy mety ritra.
Ny Israelita vahoakanao kosa
nomenao ranobe tsy nampoiziny akory.
8Fa nasehonao tamin’ny hetaheta nahazo azy
ny fomba namaizanao ny fahavalony.
9Tamin’izany fitsapana izany manko,
na dia nofaizinao tamim-pamindram-po aza izy,
dia nahalala ny hamafin’ny fijaliana
mihatra amin’ny tsy mpivavaka
tsaraina amim-pahatezerana.
10Ny olonao dia notsapainao
toy ny fananatry ny ray;
ny hafa kosa notsarainao
toy ny fanameloky ny mpanjaka sarotiny.
11Niharam-pijaliana avokoa ireo
na lavitry ny olona na akaiky azy.
12Alahelo roa sosona no nahazo azy:
nisento izy nahatsiaro ny lasa;
13ankoatra izany, reny fa ny famaizana nidona taminy
dia nody fitahiana ho an’ny Israelita,
koa dia tsapany fa tao ny Tompo.
14Fa ilay nariany fahiny
hotandindomin’ny fahafatesana,
sy noroahiny tamim-paniratsirana,
no nampitolagaga azy tamin’ny farany
satria voan’ny hetaheta mafy kokoa
noho ny an’ny marina izy.
Voalanjalanja ny famaizana an’i Ejipta15Ny hevitra adaladala
vokatry ny haratsian’ireo Ejiptianina
no namitaka azy ka nitarika azy hivavaka
amin’ny biby mandady tsy manan-tsaina
sy amin’ny biby hafa maharikoriko;
koa biby marobe tsy manan-tsaina
no nalefanao taminy ho famaizana azy.
16Izany no hahafantaran’ny Ejiptianina
fa izay nanotany ihany no hamaizana azy.
17Tsy nanahirana ny tananao mahery
izay nahary izao tontolo izao
tamin-javatra tsy misy endrika
ny mandefa orsa na liona masiaka aminy
18na koa biby mahatahotra tsy fantatra
vao noarîna sady feno haromotana,
afaka mamoaka fofonaina afo
na manely setroka mamofon-dratsy
na mampiasa ny masony handefasana
tselatra mampivarahontsana.
19Tsy nila hamely ny fahavalonao akory
ny biby toy ireny mba handringana azy;
fa ny fahitan’ny olona azy fotsiny
dia ampy hahafatin’ny tahotra azy.
20Ary na tsy misy an’ireny biby ireny aza,
fofonainao indray mitsoka fotsiny
dia mahafaty ny fahavalonao,
rehefa hoenjehin’ny fahamarinanao
sy voafafan’ny fofonainao mahery.
Saingy tsy izany, fa ny zavatra rehetra
dia voalamindaminao avokoa
araka ny fatra aman-drefiny
sy araka ny isa aman-danjany.
Andriamanitra tia izay rehetra noariny21Eo am-pelatananao mandrakariva
ny herinao lehibe, Tompo ô,
ka iza no hahatohitra
ny herin-tsandrinao?
22Eo anoloanao izao tontolo izao
dia toy ny vatomizana maivan-kely
fampiasa amin’ny lela-mizana
na toy ny ranonando indray mitete
izay latsaka an-tany amin’ny maraina.
23Kanefa iantranao avokoa ny olona
satria mahefa ny zava-drehetra Ianao,
ka tsy mijery izay fahotany
mba hitaomana azy hibebaka.
24Tianao ny zavatra rehetra misy
ary tsy misy halanao izay nataonao;
fa raha nisy iray nankahalainao,
dia tsy ho noarînao akory.
25Ary ahoana no haharetan’ny zavatra iray
raha tàhiny tsy sitrakao izany;
na ahoana no hampisy azy
raha tsy nantsoinao ho amin’ny fisiana izy?
26Kanefa mitsimbina azy rehetra Ianao
satria Anao avokoa ireo,
ry Tompo mankamamy aina ô!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.