Josoa 7 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny famaizana an’i Hakàna noho ny heloka vitany

1Nanao fahadisoana bevava ny Israelita tamin’ny fandikana didy momba ireo zavatra voatokana hafoy ho an’ny TOMPO; fa naka zavatra sasany tamin’ireo i Hakàna, zanakalahin’i Karmỳ sy zafin’i Zabdià ary zafiafin’i Zera sady anisan’ny fokon’i Joda, koa tezitra tamin’ny Israelita ny Tompo.

2I Josoa kosa naniraka vatan-dehilahy avy tao Jerikao ho any Hay, izay tanàna ao atsinanan’i Betela eo akaikin’i Bety-Avena, ka nanome baiko azy mba hiakatra hisafo iny faritra iny. Dia niakatra nisafo an’i Hay ireo lehilahy ireo

3ary niverina tany amin’i Josoa ka nanao taminy hoe:

–Aoka tsy hiakatra avokoa ny tafika manontolo; fa roa arivo na telo arivo lahy ihany no aoka hiakatra hamely an’i Hay. Aza manasatra ny tafika manontolo any fa vitsy ihany ry zareo.

4Koa tokony ho lehilahy telo arivo no niakatra tany. Kanjo voatery nandositra teo anatrehan’ny mponina tao Hay ireo;

5fa nahafatesany olona 36 ny Israelita sady nenjehiny nanomboka hatreo ambavahadin’ny tanàna ka hatrany Sebarîma ary nasiany teny am-pidinana. Dia ketraka ny fon’ny vahoaka fa hoatra ny voatapo-drano.

6Dia nandriatra fitafiana i Josoa sy ireo loholon’i Israely ka nanosom-bovoka ny lohany sady niankohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO mandra-paharivan’ny andro.

7Ary hoy i Josoa hoe:

–Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô! Nahoana moa izahay vahoakanao izao no nentinao nita an’i Jôrdàna? Mba hanoloranao anay ho eo an-tanan’ny Amôrita ka handringanana anay ve? Naleonay ihany nijanona tany an-dafin’i Jôrdàna!

8Inona moa no azoko lazaina, ry Tompo, fa ny Israelita efa nandositra teo anoloan’ny fahavalony?

9Ho henon’ny Kanahanita sy ny mponina rehetra amin’ity tany ity izany, dia hikambana hamely anay ireo ka handringana anay; koa inona àry no hataonay mba hiekena ny lazanao lehibe?

10Dia hoy ny TOMPO tamin’i Josoa:

–Mitsangàna fa nahoana ianao no miankohoka toy izao?

11Nanota ny Israelita ka nivadika tamin’ny fanekempihavanana nodidiako hotandremany; fa ny zavatra nasaiko nolevonina dia nakany sy nangalany ary nanafenany ka nataony tanaty entany.

12Izany no tsy hahazoan’ny Israelita hanohitra ny fahavalony; fa handositra eo anoloan’ireo ny Israelita, satria efa voaozona ho ringana. Tsy homba anareo intsony Aho raha tsy fongotra teo aminareo izay nasaiko nolevonina.

13Mandehana omany ny vahoaka mba hihaona amiko rahampitso ka ilazao izy mba samy hanadio ny tenany; fa Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely no milaza amin’ny Israelita hoe: «Mbola manana zavatra nasaiko nolevonina ianareo; noho izany, tsy afaka hanohitra ny fahavalonareo ianareo raha tsy foana teo aminareo ireny zavatra ireny.

14Rahampitso maraina dia hiseho eo anatrehako araka ny fokony avy ianareo. Ny foko izay voatondroko dia hiseho eo anatrehako isan-tarika; ary ny tarika izay voatondroko dia hiseho isam-pianakaviana; ary ny lehilahy ao amin’izay fianakaviana voatondroko dia hiseho tsirairay eo anatrehako.

15Ary hotondroiko ilay lehilahy mitana zavatra tokony holevonina, ka hodorana amin’ny afo izy mbamin’izay rehetra azy satria nivadika tamin’ny fanekempihavanako izy ka nanao izay tsy fanao teo amin’i Israely.»

16Dia nifoha vao maraina i Josoa ny ampitso ary nampanatona ny Israelita isam-pokony, ka ny fokon’i Joda no voatondro.

17Ary nampanatoniny isan-tarika ny fokon’i Joda ka ny tarik’i Zera no voatondro. Dia narosony isam-pianakaviana ny tarik’i Zera ka ny fianakavian’i Zabdỳ no voatondro.

18Dia narosony tsirairay ny lehilahy tao amin’ny fianakavian’i Zabdỳ ka i Hakàna, zanakalahin’i Karmỳ sy zafin’i Zabdỳ ary zafiafin’i Zera sady anisan’ny fokon’i Joda, no voatondro.

19Dia hoy i Josoa taminy:

–Anaka, omeo voninahitra sy haja ny TOMPO Andriamanitr’i Israely; lazao amiko izay nataonao fa aza misy afenina ahy.

20Dia novalian’i Hakàna hoe:

–Marina tokoa fa izaho no nanota tamin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely ary ireto avy no nataoko:

21Tamin’ny zavatra babo dia nahitako kapaoty tsara tarehy iray avy any Babilôna sy volafotsy roa kilao ary anja-bolamena antsasa-kilao. Notsiriritiko fatratra ireo ka nalaiko. Ho hitanareo milevina anaty tany ao an-daiko ireny ka ny volafotsy no any ambany indrindra.

22Dia nandefa iraka vitsivitsy ho any amin’ny lain’i Hakàna i Josoa. Nirohotra ho any faingana ireo, ary dia nahita ny zavatra nalevina ka ny volafotsy no tao ambany indrindra.

23Navoakan’ireo avy tao an-day ireny ka nentiny tany amin’i Josoa sy ny Israelita rehetra, ary napetrany teo anatrehan’ny TOMPO.

24Dia noraofin’i Josoa sy ny Israelita rehetra i Hakàna zafiafin’i Zera, noraofiny niaraka tamin’ny volafotsy sy ny akanjobeny ary ny anja-bolamena. Nalain’ireo koa ny zanakalahin’i Hakàna sy ny zanakavaviny, mbamin’ny ombiny sy ny borikiny, ondry aman’osiny, ary ny lainy mbamin’izay rehetra azy ka nentiny ho any amin’ny lohasaha Hakôra.

25Dia hoy i Josoa tamin’i Hakàna:

–Nampidi-doza anay loatra ianao! Koa hahatonga loza aminao kosa ny Tompo anio!

Dia novonoin’ny Israelita rehetra tamin’ny tora-bato i Hakàna. (Novonoiny toy izany koa ny ankohonany, ary indray nodorany tamin’ny afo ny fananany rehetra).

26Avy eo dia nananganany antontam-bato lehibe teo ambonin’i Hakàna, ary mbola eo mandraka androany ilay antontam-bato. Izany no niantsoana io toerana io hoe lohasaha Hakôra mandraka ankehitriny.

Taorian’izany vao nitony ny hatezeran’ny Tompo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help