Jôba 26 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Valintenin’i Jôba:famonjena mampalahelo loatra ity omenao ahy!

1Namaly i Jôba ka nanao tamin’i Bildada hoe:

2Endrey ny fahaizanao manampy ny osa

sy mampahatanjaka ny miraviravy tanana toa ahy!

3Endrey ny fahaizanao manolo-tsaina

sy mizara fahendrena mitafotafo

amin’ny adala toy ny tenako izao!

4Fa iza moa no nampandahatra anao ireo teninao ireo?

Ary fanahin’iza no nampivolana anao toy izany?

Ny fahefàn’Andriamanitra manerana izao rehetra izao

5Mipararetra ny matoatoa any ambany any,

mihorohoro koa ny ranobe sy ny mponina ao aminy.

6Mihanjahanja eo anatrehan’Andriamanitra ny toeran’ny maty,

ary miharihary eo imasony ny hantsam-pahaverezana.

7Izy no mamelatra ny lanitra avaratra

eny amin’ny babangoana ambony eny,

ary mampihevaheva ny tany eny ana habakabaka.

8Angoniny ao amin’ny rahony ny orana

kanefa tsy mampitriatra ny fanambanin-drahona.

9Takony tsy hitantsika ny tavan’ny volana fenomanana,

satria amelarany raho-matevina hanarona azy.

*

10Hodidininy faribolana ny ranomasimbe,

dia amin’izay mampisaraka ny mazava sy ny maizina.

11Vao rahonany fotsiny ny andrin’ny lanitra

dia mihozongozona sy tsiravina.

12Ny heriny no namolahany ny ranomasina,

ary ny fahendreny no handreseny an’i Rahaba.

13Ny fofonainy no nampahazava ny lanitra,

ary ny tanany no namantsika ilay bibilava mpandositra.

14Indreny no ampahany kely amin’ny asany

ary ako malefak’izany no mba rentsika

fa raha ny fikotrokotroky ny heriny,

iza moa no hahatakatra izany?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help