Jeremià 8 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Amin’izany fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny Tompo, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan’ireo mpanjakan’i Joda sy ny an’ireo lehibeny, ny taolan’ireo mpisorona sy ny an’ireo mpaminany ary ny an’ireo mponina tao Jerosalema,

2ka avela hiparitaka eo anatrehan’ny masoandro sy ny volana ary ny andian-kintana eny amin’ny lanitra izay notiavin’ireny olona ireny ka nivavahany sy niraiketany, ary nanontaniany hilan-kevitra sy niankohofany. Tsy hangonina na halevina intsony ireo taolana ireo fa ho tonga zezika eny ambonin’ny tany.

3Ary ny sisa tavela rehetra amin’izao taranaka ratsy izao, ka mbola velona any amin’ny toerana izay nanelezako azy any, dia haniry kokoa ny ho faty toy izay ny ho velona. Izany no teny hentitr’ilay TOMPOn’izao rehetra izao.

Mikiribiby aman-keloka

4Hoteneninao amin’ny vahoakan’i Joda, ry Jeremià, fa izao no lazain’ny TOMPO:

Izay mianjera ve dia tsy miarina intsony?

Izay miodina ve dia tsy miverina intsony?

5Koa nahoana àry ity vahoaka ity,

no niodina, ry Jerosalema,

ka mikiribiby amin’izany fiodinany izany?

Mifikitra amin’ny andriamani-tsiizy izy

ka tsy mety miverina amiko.

6Nohenoiko tsara izay nolazainy

fa tsy mitombina velively.

Tsy misy mba manenina amin’ny haratsiany izy

na mba manontany tena hoe: «Inona ity nataoko?»

Fa samy mivily amin’izay maharevo azy avy izy

tahaka ny soavaly miriotra amin’ny ady.

7Na dia ny vano aza dia mahalala

ny fotoanandro fifindrany lasy;

ary ny domohina sy ny sidintsidina

mbamin’ny tsikorovana koa

samy mitandrina ny fotoana fiverenany,

fa ny vahoakako kosa tsy mahalala ny fitsipiko.

Ireo mpisandoka ho hendry

8Ianareo mihambo hoe: «Hendry izahay,

sady ato aminay ny lalànan’ny TOMPO.»

Ahoana no ahazoanareo mihambo toy izany,

raha ireo mpanora-dalàna aza

manao fanoratana diso

ka mahatonga azy hivoana?

9Mahazo henatra ny hendry

ary ketraka satria voafandrika;

nanamavo ny tenin’ny TOMPO izy

ka inona indray no mahahendry azy?

Tsy fahatsiarovan-tenan’ny mpaminany sy ny mpisorona(Jereo Jer 6.12-15)

10Ary noho izany, hoy ny Tompo,

dia homeko ny hafa ny vadiny

ary ny sahany ho an’izay maka azy.

Satria izy rehetra na ny kely na ny lehibe

dia samy mitady tombontsoa avokoa.

Na ny mpaminany na ny mpisorona

dia samy mpamitaka avokoa.

11Alasafay fotsiny no nitsaboany

ny fahavoazan’ny vahoakako

tamin’ny nilazany hoe:

«Fiadanana, fiadanana!»;

kanjo tsy misy fiadanana akory.

12Tokony hahamenatra azy

ny zava-maharikoriko nataony;

nefa tsy menatra akory izy

sady tsy mahatsapa ny hadisoany.

Noho izany, hoy ny TOMPO,

dia ho isan’ireo ho lavo izy;

ka amin’ny andro hamaliako azy,

dia hitrosina amin’ny tany izy.

Diso fanantenana ny Tompo sy ny vahoaka (Ny Tompo)

13Nony tena hioty vokatra teo aminy Aho,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO,

dia tsy nisy voany teo amin’ny voaloboka

ary tsy nisy voany koa teo amin’ny aviavy,

fa nalazo ny raviny;

koa avelako ho an’ny mpandalo izy.

(Ny vahoaka)

14Nahoana no mijanona eto isika?

Andeha hifamory isika

ka hiditra ao amin’ny tanànamimanda

ary dia miandry ny ho faty ao,

satria ny TOMPO Andriamanitsika

no manendry antsika ho faty

ka mampisotro antsika rano voapoizina,

noho isika efa nanota taminy:

15Nanantena fiadanana isika,

nefa tsy nisy soa akory.

Nanantena fotoam-panasitranana isika

kanjo indro zava-mampihorohoro.

16Efa ao Dana ny fahavalo

ka re avy any ny fiefonefon’ny soavaly.

Mihorohoro ny tany manontolo

noho ny fanenon’ireo soavaly haingam-pandeha.

Avy izy handripaka ny tany sy izay mameno azy,

dia ny tanàna sy ny mponina ao aminy.

(Ny Tompo)

17Indro bibilava misy poizina

no halefako hamely anareo,

dia menarana tsy azon’ody;

ka hanaikitra anareo tokoa izy,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

Ny alahelon’i Jeremià (Jeremià)

18Marary mikainkona ny foko;

tsy misy fanafody hahasitrana ny alaheloko.

19Injany! Re hatrany amin’ny faritra lavitra any

ny antso vonjy ataon’ny vahoakako hoe:

«Tsy ao Tsiôna intsony ve ny TOMPO,

ary tsy ao aminy intsony ve ny mpanjakany?»

(Ny Tompo)

Nahoana moa izy no nahatezitra Ahy

tamin’ireo sarivongan-tsampiny,

dia ireo zava-poana avy any an-kafa?

(Jeremià)

20Efa lasa ny fararano

ary efa tapitra ny fotoam-pijinjana,

nefa tsy mbola misy famonjena ho anay!

21Noho ny fahavoazan’ny vahoakako

dia torotoro tanteraka aho;

misaona aho, azon’alahelo mafy!

22Moa tsy misy balisama mampitony

na dokotera ve any Gilehada?

Nahoana no tsy mety sitrana

ny ratran’ny fireneko?

23Enga anie ka ho feno rano ny lohako

ary ho loharanon-dranomaso ny masoko

mba hitomaniako andro aman’alina

ireo maty tao amin’ny fireneko!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help