Baròka 4 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Ny Fahendrena dia ao amin’ilay boky

mirakitra ny didin’Andriamanitra:

ny Fahendrena dia lalàna

izay maharitra mandrakizay.

Izay rehetra mifikitra aminy

dia hankany amin’ny fiainana;

fa izay mandao azy kosa

dia hankany amin’ny fahafatesana.

2Miverena, ry taranak’i Jakôba!

Mifikira amin’ny lalàna,

mizora ho amin’ny famirapiratana

eo anoloan’ny fahazavàny!

3Aza omena ho an’ny hafa ny voninahitrareo,

na ho an’ny firenen-kafa ny tombontsoanareo.

4Sambatra isika, ry vahoakan’i Israely

noho isika nampahafantarina

izay zavatra sitrak’Andriamanitra!

FAMPIONONANA HO AN’NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRATokony hitafy herimpo indray ireo babo

5Mahereza, ry vahoakako

izay mitana ny anaran’i Israely!

6Namidy tamin’ny firenen-kafa ianareo,

nefa tsy handringanana anareo izany.

Fa ny nanoloran’Andriamanitra anareo

ho eo an-tanan’ny fahavalonareo

dia noho ianareo nihantsy ny fahatezerany.

7Demony no nanoloranareo sorona

fa tsy ilay Andriamanitra Mpahary anareo,

ka dia nampisafoaka Azy ianareo.

8Hadinonareo Andriamanitra mandrakizay

izay nanome hanina anareo;

ary nampalahelovinareo i Jerosalema

izay reny nitaiza anareo.

9Fa ny fahatezeran’Andriamanitra

dia efa hitan’i Jerosalema

nihatra taminareo, ka nampiteny azy hoe:

«Mihainoa ahy ianareo tanàna mpifanila amin’i Tsiôna,

fahoriana lehibe no nikapohan’Andriamanitra ahy;

10satria hitako ny fahababoana

nampiharin’Ilay Andriamanitra Mandrakizay,

tamin’ireo zanako lahy sy zanako vavy.

11Faly erỳ aho nitaiza azy ireny!

Kanjo tamin-dranomaso amam-pahoriana

no namelako azy handeha!

12Aoka tsy hisy olona hifaly

raha mahita ahy mpitondratena

sy nilaozan-janaka maro!

Indro aho tonga tsy misy mponina

noho ny fahadisoan’ny zanako

izay nihataka tamin’ny lalànan’Andriamanitra.

13Tsy niraharaha ny baikon’Andriamanitra izy,

tsy nizotra ny lalana voasoritry ny didiny,

ary tsy nanaraka ny sakeli-dalana

izay nanabeazany azy amin’ny fahamarinany.

14Ianareo tanàna mpifanila amin’i Tsiôna,

tongava hijery, tsarovy ny fahababoana

nampiharin’ilay Andriamanitra Mandrakizay

tamin’ireo zanako lahy sy zanako vavy.

15Firenena avy lavitra no nalefany hamely azy,

dia firenena tsy valahara sady hafahafa fiteny,

olona tsy mahalala manaja ny antitra

na mamindrafo amin’ny ankizy madinika.

16Satria nifaoka ireo zanakalahy

izay tsy foin’ny mpitondratena izy,

ary namela azy ho irery

voasaraka tamin-janakavavy.»

Mampahery ny zanany i Jerosalema

17Anaka, inona no azoko atao

mba hanampiana anareo?

18Ilay nahatonga izao loza izao taminareo

no hany afaka hamonjy anareo

teo an-tanan’ny fahavalonareo.

19Mandehàna, rankizy, mandehana!

Fa izaho tafajanona manirery eto.

20Nesoriko ny akanjo fitondrako

amin’ny androm-pifaliana

fa nanaovako ny fitafiana fisaonana.

Hiantso vonjy amin’ilay Andriamanitra Mandrakizay aho

mandritra ny andro sisa hiainako.

21Mahereza, anaka, miantsoa an’Andriamanitra;

dia hamonjy anareo amin’ny famoretana

sy ny vahohon’ny fahavalo Izy!

22Izaho manko dia ilay Andriamanitra Mandrakizay

no iandrasako ny famonjena anareo.

Efa nampifaly ahy sahady Ilay Masina:

fantatro fa tsy ho ela intsony

dia ho tonga hamindrafo aminareo

Ilay Mandrakizay mpamonjy anareo.

23Tamim-pahoriana aman-dranomaso

no namelako anareo handeha!

Nefa Andriamanitra hamerina anareo

ho eo amiko mandrakizay

ao anatin’ny haravoana amam-pifaliana.

24Ankehitriny ireo tanàna mpifanila amin’i Tsiôna

dia mahita fa any am-pahababoana ianareo.

Nefa ho hitan’izy ireo tsy ho ela intsony

fa Ilay Mandrakizay Andriamanitrareo

dia ho tonga hamonjy anareo

amim-boninahitra lehibe sy mamirapiratra.

25Anaka, zakao am-paharetana

ny vokatry ny fahatezeran’Andriamanitra.

Manenjika anareo ny fahavalo;

nefa vetivety dia ho hitanareo lavo izy

ka hohitsahinareo amin’ny hatony.

26Ry zanako mankamamy ahy,

nandia làlan-tsarotra ianareo

satria nalain’ny fahavalo an-keriny

toy ny biby fiompy nangalarina.

27Mahereza, anaka, miantsoa an’Andriamanitra;

fa Izy nahatonga anareo ho babo

dia tsy afaka hanadino anareo.

28Ianareo ihany no nanan-kevitra

hanalavitra an’Andriamanitra.

Koa ezaka im-polo heny no ataovy izao

mba hiverenana aminy sy hikatsahana Azy;

29satria Izy nahatonga izao loza izao taminareo

no ho avy hamonjy anareo,

ka hampifaly mandrakizay anareo.

Tokony hahery fo indray i Jerosalema

30Mahereza, ry Jerosalema!

Andriamanitra Izay nanome anarana anao

no ho avy hampionona anao.

31Hidiran-doza kosa ireo nanisy ratsy anao

ka nifaly tamin’ny fianjerànao

32Hidiran-doza ireo tanàna

izay nanandevo ny zanakao,

indrindra fa ilay tanàna

izay nandray azy ho babo:

33araka izay nifaliany tamin’ny fianjerànao

sy nihobiany tamin’ny fahavoazanao

no hahalelovany koa amin’ny faharavàny;

34hoesoriko aminy ny reharehany

ho anisan’ny tanàna be mponina indrindra,

ary hiova ho fisaonana ny fianjonanjonany;

35satria Ilay Andriamanitra mandrakizay

dia handefa afo hamely azy

ka handrava azy maharitra,

ary ho fonenan’ny fanahy ratsy izy

mandritra ny fotoana ela.

36Ry Jerosalema ô, mba mitodiha

any amin’ny fiposahan’ny masoandro

ary mitazàna manodidina anao,

dia ho hitanao ny hafaliana

entin’Andriamanitra aminao.

37Indreny tamy ireo zanakao

hitanao nandeha ho babo;

tonga avy any rehetra any ireo,

hatrany atsinanana ka hatrany andrefana,

nangonin’ny feon’ilay Andriamanitra masina,

ka ravo tokoa miatrika ny voninahiny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help