1Noho ny ota izay nataonareo tamin’ny Tompo no hitondran’i Nebokadnetsara mpanjakan’ny Babilônianina anareo ho babo any Babilôna.
2Rehefa tonga any ianareo, dia hijanona maharitra any, mandritra ny taona maro hatramin’ny taranaka fito mifandimby. «Rehefa afaka izany, dia hataoko izay hamoahana anareo soa aman-tsara» hoy ny Tompo.
3Ankehitriny dia hahita andriamanitra hazo voarakotra volamena sy volafotsy any Babilôna ianareo. Lanjaina eny an-tsoroka ireny amin’ny filaharambe ary maharaiki-tahotra ny hafa firenena.
4Koa tandremo tsara mba tsy ho tonga tahaka ireo hafa firenena ianareo. Tandremo! Aza manaiky ho azon’ny fivavahany,
5raha mahita ny vahoaka miankohoka amin’ny tany eo aloha sy eo aorian’ireny andriamanitra ireny ianareo! Fa izao no lazao anakampo: «Tompo ô, Ianao ihany no tsy maintsy hotsaohina».
6Fa ny Tompo efa nilaza hoe: «Ny anjeliko no hiaraka aminareo, ka hiaro anareo.»
Ny sampy dia tsy tokony hampanofinofy7Ny lelan’ireo andriamanitra ireo dia nosokirin’ny mpahay taozavatra tanaty vatan-kazo. Na dia voarakotra volamena sy volafotsy aza ireny, dia fitaka ihany fa tsy mahay miteny.
8Ho azy ireo dia alaina ny volamena, tahaka ny ho an’ny tovovavy jefy mihitsy,
9ka hanaovana satro-boninahitra hapetraka eo an-dohany. Mety ho tonga aza ny fakan’ireo mpisorony indray io volafotsy sy volamena io mba hampiasainy ho an’ny tenany manokana,
10na mba hanomezany ho an’ireo vehivavy janga voatokana. Ireo andriamanitra hazo voarakotra volamena na volafotsy ireo dia ampiakanjoina tahaka ny olona.
11Nefa tsy mahay miaro tena amin’ny harafesina na kankana izy. Raha nampiakanjoina fitafiana mihaja izy,
12dia tsy maintsy fafàna ny tavany noho ny vovoky ny tempoliny izay niangona matevina teo.
13Tahaka ny mpifehy faritany, dia mba mitana tehim-pahefana koa izy, nefa tsy afaka hampamono ho faty izay nanao hadisoana taminy.
14Ny sasany mitana lefom-pohy na famaky eny an-tanany nefa tsy afaka miaro tena amin’ny miaramila na ny mpangalatra. Miharihary amin’izany fa tsy andriamanitra ireny; ka aza manaja azy akory.
15Ny vilia, rehefa vaky, dia tsy ilaina intsony;
16ny andriamanitra izay apetrak’ireny olona ireny ao amin’ny tempoly dia toy ny vilia vaky ka tsy ilaina akory. Rakotry ny vovoka ingain’ny tongotry ny olona mitsidika azy ny masony.
17Raha misy olona iray nanao heloka tamin’ny mpanjaka, dia hidina an-tranomaizina toy ny voaheloka ho faty; tahaka izany koa no ataon’ny mpisorona hiarovana ny mpangalatra tsy handroba ireo andriamanitra ireo: asiany varavarana nohamafisina misy hidiny sy karetsaka ny tempoly.
18Mandrehitra jiro ao ny mpisorona, ka ataony maro noho izay ilain’ny tenany aza, nefa tsy afaka mahita iray amin’ireny akory ireo andriamaniny.
19Mampahatsiaro ny anankiray amin’ireo andry ao amin’ny tempoliny izany: boboka hono ny ao anatiny. Kikisan’ny bibikely avy ao amin’ny tany ireny andriamanitra hazo ireny, tahaka ny ikikisany ny fitafiany koa; nefa tsy tsapan’ireo andriamanitra ireo akory izany.
20Maintin’ny setroka miparitaka ao amin’ny tempoly ny tavany.
21Tonga mba hiteronterona eny amin’ny vatany na eny an-dohany ireo ramanavy sy ny sidintsidina mbamin’ny vorona hafa; ary hita eny mbamin’ny saka aza.
22Izany no hahafantaranareo fa tsy andriamanitra ireny; ka aza manaja azy akory.
23Ny amin’ny volamena izay narakotra mba handravahana azy, dia tsy hainy ampamirapiratina ka olona no manadio ny matromatroka eo. Fa fony narendrika tao amin’ny lafaoro aza ireny, dia tsy nandre na inona na inona akory!
24Novidina lafo izy ireo nefa tsy manam-pofonaina velively.
25Ary satria tsy afaka mandeha izy, dia tsy maintsy entina eny an-tsoroka. Izany no manaporofo amin’ny olona rehetra fa tsy misy vidiny izy.
26Raha misy iray amin’ireo andriamanitra ireo mianjera amin’ny tany, dia tsy maintsy arenina; nony efa tafatsangana izy, dia tsy afaka mamindra ho azy. Ary raha mitongilana izy, dia tsy afaka miarina. Toy ny aterina amin’ny maty ny fanomezana atolotra an’ireo andriamanitra ireo.
27Fa ny biby novonoina atolotra ho sorona ho azy dia amidin’ny mpisorona indray ho amin’ny tombontsoany. Na koa ny vadin’ireo mpisorona dia manao azy ho varangan-kena fa tsy manome azy ho an’ny mahantra sy ny kilemaina.
28Ny vehivavy maloto azon’ny fadim-bolana na tera-bao aza dia sahy mikasika ny biby natao sorona. Koa fantaro amin’ireo ohatra ireo fa tsy andriamanitra ireny, ka aza manaja azy akory.
Hadisoana ny miantso azy ho andriamanitra29Avy aiza moa no hiantsoana ireo zavatra vita hazo norakofana volamena sy volafotsy ireo hoe andriamanitra, kanefa vehivavy no manao fanompoana azy?
30Ao amin’ny tempolin’ireo andriamanitra ireo no mipetraka ny mpisorony, ka voatriatra ny fitafiany, voaharatra ny volon-dohany sy ny volom-bavany ary mihanjahanja ny lohany.
31Mikiakiaka toy ny biby izy eo anatrehan’ireo andriamaniny, toy ireny misakafo amin’ny fisaonana ireny!
32Avy eo dia endahiny ny fitafian’ireo andriamaniny ireo mba hampitafiany ireo vadiny aman-janany avy.
33Ary raha asian-tsoa na asian-dratsy ireo andriamanitra ireo, dia tsy afaka mamaly izany, tahaka ny tsy ahazoany manome fahefana ny mpanjaka iray na manaisotra izany.
34Tahaka izany koa no tsy ahaizany manome vola olona iray mba hampanan-karena azy. Ary raha misy manao voady amin’izy ireo ka tsy manefa izany, dia tsy itakiany na inona na inona.
35Tsy afaka mamonjy olona amin’ny fahafatesana koa izy na hanaisotra ireo osa amin’ny vahohon’ny mahery.
36Tsy manan-kery hampahiratra ny jamba izy, na hanafaka olona iray amin’ny fahoriany.
37Tsy mahay mamindrafo amin’ny mpitondratena izy na hanao soa amin’ny kamboty.
38Ireo tapa-kazo voarakotra volamena na volafotsy ireo dia tahaka ireo vato miendaka avy amin’ny tendrombohitra. Koa henatra ho an’izay manompo azy!
39Ahoana moa no hiheverana na hihamboana fa andriamanitra ireo?
40Ankoatra izany, ireo mpisorona babilônianina ihany no manala baràka azy; fa raha mahita moana iray ireny, dia mitondra azy hankeo amin’i Bela andriamaniny, ka mangataka azy mba hampiteny ilay moana, toy ny hoe afaka hahare zavatra iny i Bela.
41Nefa ny tsy fahombiazany dia tsy mbola maharesy lahatra azy mba handao ireny andriamaniny ireny; koa izany no tena fahadalàny!
42Ary ireo vehivavy kosa dia mietra tady; ary indreo maka toerana eny an-dalambe mba handoro ampombo.
43Raha asain’ny mpandalo ny iray amin’ireny ka iarahany mandry, dia mandatsa ny vehivavy namany izy ho tsy nisy namaha tady satria tsy mba noheverina ho mendrika izany haja izany.
44Fitaka avokoa anefa izay rehetra atao momba ireo andriamanitra ireo. Ahoana moa no hiheverana na hihamboana fa andriamanitra ireo?
45Mpanao sary sokitra sy mpanefy firavaka no nanamboatra azy, ka tsy mety hanjary zavatra hafa fa dia izay tian’ny mpahay taozavatra hanaovana azy ihany.
46Ireo nanamboatra azy aza tsy ho ela velona kokoa noho ny hafa;
47Koa ahoana ireo zavatra nataony no ho andriamanitra? Noho izany dia fitaka sy latsa no navelan’ireny olona ireny ho an’ny taranany.
48Raha mananontanona ireo sampy ireo ny ady sy ny loza, dia mifanontany ireo mpisorona mba hahalalany izay hiafenany miaraka aminy.
49Zavatra tsy maharo tena amin’ny ady na amin’ny loza ireny; koa ahoana no tsy ahatakaran’ny olona fa tsy andriamanitra ireny?
50Izany no hahafantarana fa fitaka fotsiny ireo tapa-kazo voarakotra volamena na volafotsy ireo; hiharihary amin’ny firenena rehetra sy ny mpanjaka rehetra fa tsy andriamanitra ireo fa asan-tanan’olona ihany; tsy misy izay asan’andriamanitra akory ao aminy.
51Noho izany, iza no tsy hahalala fa tsy andriamanitra ireo?
52Tsy hahatsangana mpanjaka ho an’ny tany iray izy na hahalatsaka ranonorana ho an’ny olombelona,
53sady tsy afaka mitsara ny raharaha momba ny tenany na mamonjy ny iharan’ny tsy rariny: tsy mahefa na inona na inona fa tahaka ny goaika izay mihevaheva eo anelanelan’ny lanitra sy ny tany izy.
54Raha sendra hain-trano ny tempolin’ireo andriamanitra hazo voarakotra volamena na volafotsy ireo, dia handositra sy hiavo-tena ny mpisorony; izy kosa ho levona eo afovoan’ny afo tahaka ireo andry hazo.
55Raha misy mpanjaka fahavalo miaraka amin’ny andian-tafiny hamely azy, dia tsy hahatohitra azy izy.
56Ahoana àry no hiekena sy hiheverana fa andriamanitra ireo?
Tsy misy ilana azy ny andriamani-tsiizyTsy afaka mandositra ny mpangalatra aman-jiolahy mihitsy ireo andriamanitra hazo voarakotra volamena na volafotsy ireo.
57Raha maka sy mandroba ny volamena sy volafotsy ary ny fitafiana mandrakotra azy manko ireny ka lasa mitondra ny hazany, dia tsy afaka miaro tena akory ireo andriamanitra ireo!
58Koa aleo mpanjaka iray manana fahasahiana amin’ny ady na fitaovana iray mahasoa ny tompony na varavarana iray miaro izay ao an-trano na andry hazo iray ao an-dapan’ny mpanjaka... eny, aleo izany rehetra izany toy izay ireo andriamanitra fitaka ireo.
59Ny masoandro sy ny volana ary ny kintana dia manome ny hazavàny ka manatontosa izay nanirahana azy hanasoa.
60Ny tselatra ihany koa raha manjelatra dia maneho fa manao zavatra izy; tahaka izany koa ny rivotra izay mitsoka hatraiza hatraiza.
61Toy izany koa ny rahona: rehefa omen’Andriamanitra baiko handrakotra ny tany izy dia miara-manatanteraka ny baiko voarainy.
62Fa ny endrika nomena ireo andriamanitra ireo kosa dia tsy mba mampahatsiaro akory na ny endrika ivelany na ny tanjak’ireo hery voajanahary.
63Izao no tsoahina amin’izany: tsy azo atao ny mihevitra na mihambo azy ireny ho andriamanitra satria hita fa tsy afaka mitsara na manao soa amin’ny olombelona izy.
64Koa fantaro àry fa tsy andriamanitra ireny, ka aza manaja azy akory.
65Tsy manan-kery hanozona na hitahy ny mpanjaka izy,
66na hampiseho amin’ny vahoaka zava-mahagaga avy any an-danitra, na hamirapiratra toy ny masoandro, na hanazava toy ny volana.
67Na dia ny bibidia aza dia ambony noho ireo satria manana fitaovana ho enti-mandositra hahitana fialofana na hamonjeny tena.
68Izany rehetra izany no maneho fa tsy andriamanitra ireo ka tsy tokony hajainareo akory.
69Io an-tanimbolim-boatango dia tsy maharo na inona na inona ny kalom-pody. Tahaka izany koa ny andriamanitr’ireo olona ireo, izay andriamanitra tapa-kazo voarakotra volamena na volafotsy.
70Azo ampitahaina amin’ny lobolobo misy tsilo eo an-jaridaina koa izy izay azon’ny voronkely rehetra hiteronteronana, na koa oharina amin’ny faty natsipy ao amin’ny maizina any am-pasana.
71Raha hitanareo ireo fitafiany mihaja sy ireo lambany rongony madinika tratry ny fahalovana, dia ho fantatrareo fa tsy andriamanitra ireny. Ary na ny tenany aza amin’ny farany dia ho lanin’ny kankana sy hianjadian’ny henatra eo amin’ny tany.
72Aleo ny olo-marina tsy manan-tsampy toy izay ireo nohamboina ho andriamanitra ireo, satria tsy mba hitondra henatra izy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.