1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida, hitaomana an’Andriamanitra hahatsiaro azy.
2Andriamanitra ô, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy;
TOMPO ô, faingàna re hamonjy ahy!
3Ho menatra sy hangaihay anie
izay olona mitady hahafaty ahy;
hihemotra sy ho afa-baràka anie
izay olona maniry loza ho ahy!
4Aoka hiverina ilalana ho safotry ny henatra
ireo mpanakora ahy hoe: «Akorinao izay!»
5Izay rehetra mitady Anao kosa anie
hifaly sy hiravo amin’ny nataonao;
ary izay olona mpitia Anao Mpamonjy anie
hivolan-dava hoe: «Lehibe tokoa Andriamanitra!»
6Izaho kosa dia ory sy mahantra;
faingàna ho eto amiko, Andriamanitra ô.
Mpamonjy sy mpanafaka ahy Ianao
ka aza ela fa tongava, TOMPO ô!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.