Isaià 31 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Olombelona ihany ny Ejiptianina

1Lozan’izay midina any Ejipta

mba hitady famonjena!

Ny soavaly no ianteherany;

ny kalesy no itokiany

satria maro ireny;

ary ny mpitaingin-tsoavaly no antenainy,

satria mahery tokoa ireny;

fa tsy andrandrainy akory ilay Masin’i Israely

ary tsy anontaniany mihitsy ny TOMPO.

2Izy koa anefa mahay zavatra,

afaka mahatonga loza

ary tsy mitsoaka amin’izay nolazainy.

Eny, ny TOMPO efa nitsangan-kamely

ny antokon’ny olon-dratsy

ary koa ireo mpanao heloka

izay fitadiavam-pamonjena.

3Olombelona ihany ny Ejiptianina

fa tsy Andriamanitra akory;

nofo ihany ny soavaliny fa tsy fanahy;

koa vao maninji-tanana ny TOMPO,

dia ho solafaka izany mpamonjy izany,

hianjera koa ilay natao harovany

ary hiara-devona izy roa tonta.

Mpiaro an’i Jerosalema ny Tompo

4Izao no nolazain’ny TOMPO tamiko:

«Rehefa ny liona na ny liona tanora

no mierona hiambina ny remby azony

eo anoloan’andiana mpiandry ondry

izay tafangona hamely azy,

dia tsy matahotra ny antsoantson’ireo izy

na lasa mitsoaka noho ny tabatabany.

Ho tahaka izany koa Aho,

hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao,

rehefa midina hiady

eo an-tendrombohitra Tsiôna

na eo amin’ilay havoany.»

5Tahaka ny vorona mamelatra ny elany

no hamelaran’ny TOMPOn’izao rehetra izao

ny fiarovany amin’i Jerosalema;

ka sady hiaro no hanafaka azy ny Tompo,

eny, sady hitsimbina no hamonjy azy.

6Ry Israelita ô, miverena amin’Ilay efa niodinanareo lavitra.

7Amin’izany andro izany, dia samy hanary ny sampy volafotsy sy volamena ianareo tsirairay avy, dia ireo sampy namboarin’ny tananareo feno heloka.

8Tsy sabatra nataon’ny olona

ilay sabatra handavo ny Asirianina;

ary tsy sabatra an’olombelona

ilay sabatra handringana azy.

Handositra eo anoloan’io sabatra io ny Asirianina;

ary ny miaramila voafantiny

dia hampanaovina asa an-terivozona.

9Ny mpanjakany handositra noho ny tahotra,

ary ny manamboninahiny ho kivy

ka hitsoaka hamela ny fanevany.

Izany no teny hentitry ny TOMPO

izay manana ny fatana fandoroany ao Tsiôna

sy ny lafaorony miredareda ao Jerosalema.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help