1 Makabeo 13 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Nandimby an’i Jônatàna i Simôna

1Ren’i Simôna fa namory tafika lehibe i Trifôna mba hankany Jodea sy handrava io faritany io.

2Nony hitan’i Simôna fa raiki-tahotra sy nivadi-po ny vahoaka jiosy, dia niakatra tany Jerosalema izy, niantso ny vahoaka hivory

3sy nampirisika azy nanao hoe:

–Fantatrareo tokoa ny zava-drehetra nataon’ireo rahalahiko sy ny tenako ary ny fianakavian-draiko manontolo mba hiarovana ny lalàna aman-tempolintsika; fantatrareo ny ady natrehinay mbamin’ny fahoriana niaretanay.

4Izany fiarovana an’i Israely izany no nahafatesan’ireo rahalahiko rehetra; ary izaho no hany sisa.

5Koa ankehitriny, sanatriaviko ny hitsitsy ny aiko na inona na inona voina mihatra, satria tsy sarobidy mihoatra noho ny an’ireo rahalahiko ny aiko.

6Fa ny tiako dia ny hiaro ny fireneko sy ny tempoly ary ny vady aman-janakareo, satria tafakambana handrava antsika ny hafa firenena rehetra noho ny fialonany antsika.

7Nirehitra indray ny hafanam-pon’ny vahoaka, nony nandre izany teny izany;

8ka namaly an’i Simôna tamim-pihobiana izy nanao hoe:

–Ianao no lehibenay, dimbin’i Joda sy i Jônatàna rahalahinao.

9Tariho izahay amin’ny ady hatrehinay, fa hotanterahinay avokoa izay holazainao.

10Dia novorin’i Simôna tamin’izay ny vatan-dehilahy rehetra afaka hiady; nohafainganiny ny famitàna ny mandan’i Jerosalema ary nohamafisiny ny manodidina io tanàna io.

11Nalefany ho any Jôpa i Jônatàna zanakalahin’i Absalôma, nitondra miaramila maromaro; ka noroahin’io Jônatàna io ny mponina tao, dia izy no nitoetra tao an-tanàna.

Namitaka an’i Simôna i Trifôna ary namono an’i Jônatàna ho faty

12Niala tao Ptôlemaida i Trifôna, nitondra tafika lehibe hankany Jodea; nentiny niaraka taminy koa i Jônatàna voafatotra.

13I Simôna kosa niorin-toby tao Hadidà, teo anoloan’ny lemaka.

14Nony fantatr’i Trifôna fa hoe i Simôna no nandray ny fanapahana, nandimby an’i Jônatàna rahalahiny sady efa nivonon-kiady taminy, dia nandefa iraka ho any aminy izy hilaza hoe:

15–Ny andraikitr’i Jônatàna rahalahinao dia tokony nandoavany vola ho an’ny tahirin-drakitry ny mpanjaka; noho izy tsy nanefa izany no itanako azy ho voafatotra.

16Koa votsoriko ho afaka izy, raha toa ianao mandefa volafotsy 2 700 kilao mbamin’ny zanany roa lahy mbola kely hatao antoka mba tsy hivadihan’i Jônatàna hamely anay rehefa afaka izy.

17Fantatr’i Simôna fa ny hamitahana azy no nitenenan’ireo iraka ireo taminy toy izany. Kanefa nasainy nalaina ihany ny vola mbamin’ireo zaza roa lahy; natahotra manko izy sao hiharan’ny fankahalana lehibe avy amin’ny vahoaka israelita izay mety hilaza hoe:

18«Ny tsy nandefasan’i Simôna ny volafotsy 2 700 kilao sy ireo zaza roa no nahafaty an’i Jônatàna.»

19Dia nalefany àry ireo zaza sy ny volafotsy 2 700 kilao; kanjo nivadi-bolana tokoa i Trifôna fa tsy namotsotra an’i Jônatàna.

20Taorian’izany i Trifôna no niroso hanafika sy handrava an’i Jodea. Nisafelika izy sy ny miaramilany ka nihazo ny lalana mankany Adôrà; kanefa notanahin’i Simôna sy ny tafiny hatrany ireo, na taiza na taiza nalehany.

21Nandefa iraka ho any amin’i Trifôna ny olona nitoby tao amin’ny toera-mafin’i Jerosalema, nangataka azy hihazo any an-taniefitra ka ho tonga faingana hitondra sakafo ho azy.

22Dia nanomana ny mpitaingin-tsoavaliny rehetra i Trifôna hankanesany any; kanjo latsaka be dia be ny vongam-panala tamin’io alina io, ka tsy afaka nankany Jerosalema izy noho ny vongam-panala; dia lasa izy nankany Gilehada.

23Nony mby teo akaikin’i Baskamà izy, dia nampamono an’i Jônatàna ho faty sy nampandevina azy teo.

24Ary nitodi-doha i Trifôna ka lasa nody ho any amin’ny taniny.

25Dia naniraka olona i Simôna haka ny fatin’i Jônatàna rahalahiny, ary nandevina azy tao Môdina tanànan-drazany.

26Nisaona azy fatratra ny Israelita rehetra; ary naharitra andro maro no nitomaniany azy.

27Izany fasan-drainy aman-drahalahiny izany dia nanorenan’i Simôna rafi-bato avo mba ho tazan-davitra; ka nataony vato voalama na teo anoloany na teo ivohony.

28Piramida fito mifanila koa no nasainy natsangana teo ambonin’ny fasana mba ho an-drainy aman-dreniny sy ho azy efa-dahy rahalahiny.

29Ireo piramida ireo kosa nasainy nohodidinina andry avo; ary nohaingoina fitaovam-piadiana ireto andry avo ireto mba hahatsiarovana mandrakizay ny Makabeo; sady teo anilan’ny fitaovam-piadiana tsirairay dia nasiana sambo voasokitra natao tazan’izay rehetra miantsambo eny amin’ny ranomasina.

30Toy izany no fasam-be nasain’i Simôna natsangana tao Môdina, fasam-be izay mbola ao mandraka androany.

Nohamafisin’i Demetry II ny fifanekena tamin’ny Jiosy

31Tamin’izay koa no nanaovan’i Trifôna hafetsena i Antiôkôsa, mpanjaka tanora, ka novonoiny ho faty.

32Dia izy no tonga mpanjaka nandimby azy sy nitondra ny satro-piandrianana maha mpanjakan’i Azia ary nampidi-doza lehibe tamin’ny tany.

33I Simôna kosa nanorina indray ireo tanànamimandan’i Jodea, ka nohodidininy tilikambo avo sy manda matevina ary vavahady misy hidy mafy sady nametrahany hanina fitahiry.

34Nifidy olona koa izy nirahiny ho any amin’i Demetry mpanjaka, mba hangataka fanafoanan-ketra ho an’i Jodea, satria raharahan-tontakely avokoa ny nataon’i Trifôna.

35Dia nasain’i Demetry mpanjaka nomena valinteny mifanaraka amin’izany i Simôna, ka toy izao ny taratasy nosoratany ho azy:

36–Izaho Demetry mpanjaka no manoratra aminareo sy miarahaba anareo, ry Simôna mpisorombe sady «sakaizan’ny mpanjaka» sy ry loholona amam-pirenena jiosy.

37Voarainay ny fehiloha volamena sy ny sampan-drofia nampitondrainareo; ka vonona izahay hanao fanekempihavanana ankapobe aminareo sy hanoratra amin’ny mpiasam-panjakana mba hanomezany anareo fanafoanan-ketra samihafa.

38Izay rehetra efa tinapakay ny aminareo aloha dia tsy miova; ary aoka ho fanananareo ny tanànamimanda naorinareo!

39Avelanay avokoa ny hadisoana sy fandikan-dalàna vitanareo hatramin’izao andro izao; toy izany koa ny hasin’andriana tokony haloanareo. Ary raha nisy hetra hafa notakîna tao Jerosalema dia tsy hotakîna intsony izany.

40Raha misy aminareo mazoto hilatsa-tenany ho anisan’ny miaramila mpiambina ahy, aoka izy hilatsaka! Ny fihavanana anie no ho tanteraka eo amintsika!

41Tamin’ny taona faha-170 no nahafahan’i Israely teo amin’ny fifehezan’ny hafa firenena.

42Ka ny vahoaka israelita dia nanomboka nanoratra tamin’ny raki-tsoratra amam-pifanekena hoe: «Tamin’ny taona voalohany nanapahan’i Simôna mpisorombe sy mpitari-tafika ary mpifehy ny Jiosy.»

Azon’i Simôna ny tanàna Gezera sy ny toera-mafin’i Jerosalema

43Tamin’izany andro izany i Simôna dia nanao fahirano an’i Gezera. Nasainy nanemitra io tanàna io ny miaramilany; dia nampanangana tilikambo azo akodia izy, ka nampandroso izany hanakaiky ny tanàna; ary notonafany vato ny tilikambo anankiray teo amin’ny manda ka azony.

44Dia nirotsahan’ireo mpanafika i Gezera, ka loza ny hatairana vokatr’izany.

45Ary niakatra teny ambony manda ny mponina, nomban’ny vady aman-janany, dia nandriatra fitafiana ary nandefa feo fitarainana mafy nangataka an’i Simôna hanao raharaham-pihavanana

46sady niteny hoe: «Aza valiana araka ny haratsiam-panahinay izahay fa araka ny indrafonao.»

47Nifandamina tamin’ny Gezerita ihany i Simôna ka tsy namely azy intsony. Kanefa noroahiny hiala ny tanàna ireo, nodioviny ny trano nisy sampy; dia niditra an’i Gezera tamin-kira fiderana amam-pisaorana an’Andriamanitra izy.

48Nony voaesotr’i Simôna tao an-tanàna ny fahalotoana rehetra ara-pivavahana, dia nametrahany olona mpankatò ny lalàna i Gezera sady nohamafisiny ny màndany ary nanorenany trano ho azy koa.

49Ireo olona voahitsoka tao amin’ny toera-mafin’i Jerosalema dia tsy nahazo nivezivezy teo amin’ny faritany manodidina mba hividy na hivarotra zavatra; ka voan’ny mosary mafy ireo, ary maro no matin’ny hanoanana.

50Niantso vonjy tamin’i Simôna izy mba hanao raharaham-pihavanana; dia nekeny tokoa izany. Saingy noroahin’i Simôna hiala tao amin’ny toera-mafy ireo; ary ny toerana kosa nodioviny ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra ara-pivavahana.

51Tamin’ny taona faha-171, volana faharoa sy andro faha-23, dia velom-pihobiana ny Jiosy no niditra tao amin’io toera-mafy io, ka nitondra sampan-drofia sady nanao hira fiderana amam-pisaorana an’Andriamanitra nomban’ny valiha sy kipantsona ary harpa; fahavalo lehibe manko no voafongotra tao Israely.

52Nodidian’i Simôna hankalazaina amin-kafaliana isan-taona izany andro izany.

53Nohamafisiny ny tamboho teo amin’ny tendrombohitry ny tempoly, teo akaikin’ilay toera-mafy; dia nonina teo izy sy ny ankohonany.

54Ary hitan’i Simôna fa lehilahy be herimpo i Jôhany zanany lahy; koa natolony azy ny fifehezana ny andian-tafika rehetra. Ary i Gezera no nataon’i Jôhany fonenana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help