1Anaka, raha nanota ianao, dia aza mamerina intsony;
fa angataho famelana ny hadisoanao lasa.
2Tahaka ny andosirana menarana no andosiro ny fahotana;
fa raha manatona azy ianao, dia hokekeriny.
Toa nifin-diona ny nifin’ny fahotana
ka mahafaty ain’olona ireny.
3Ny fandikan-dalàna isan-karazany
dia tahaka ny sabatra marani-dany roa
ka tsy azo sitranina ny ratra afitsony.
4Fandrahonana sy herisetra no mandrava harena;
toy izany koa no haharava ny mpiavonavona
mbamin’ny ankohonany sy ny fananany.
5Ny fangatahana aloaky ny vavan’ny mahantra
dia tonga any an-tsofin’Andriamanitra;
ary tsy ho ela no hanomezan-drariny azy.
6Izay mankahala fananarana
dia manaraka ny soritry ny mpanota
fa izay manaja ny Tompo kosa
dia mandray anatra amin’ny fo tokoa.
7Ny mahay miteny dia fantatra hatraiza hatraiza;
fa raha milaza hadalana kosa izany olona izany
dia tsapan’ny mahira-tsaina avy hatrany.
8Izay manorin-trano amin’ny volan’olon-kafa
dia toy ny manangom-bato ho fasana ho an’ny tenany.
9Ny andian’olo-meloka dia toy ny faikan-drongony navosa,
ka ho rembin’ny afo miredareda no hiafarany.
10Rary vato mitovy tantana ny lalan’ny mpanota,
kanefa miafara amin’ny lavaka be itoeran’ny maty.
Ny olon-kendry sy ny olona adala11Izay mitandrina ny Lalàn’Andriamanitra
dia mahafehy ny eritreriny;
ary ny fanajana ny Tompo
dia miafara amin’ny fahendrena.
12Izay tsy manana fahakingana
dia tsy azo beazina velively;
kanefa misy fahakingana
miteraka fahoriana maro.
13Ny fahaizan’ny olon-kendry
dia hitombo toy ny ony tondraka;
ary ny torohevitra arosony
dia toy ny loharano mahavelona.
14Ny fon’ny olona adala
dia toy ny vilany tany vaky;
ka ny fahalalana isan-karazany
dia tsy misy voatanany akory.
15Raha ny olona manam-pahaizana
no mandre teny miraki-pahendrena,
dia sady mankatò izany izy
no manamafy lanja azy;
fa raha ny mpanaram-batana kosa no nandre io teny io,
dia maharikoriko azy izany ary hariany any ivohony.
16Ny lahateny ataon’olona adala dia mavesa-poana
tahaka ny entana fitondra mivahiny;
fa ny teny aroson’ny mahira-tsaina kosa
no ahitana ny fahafinaretana hatrany.
17Ilaina ho heno eo am-pivoriam-bahoaka
ny zavatra lazain’ny olon-kendry;
ary ao am-po no hisaintsainana ny teniny.
18Ny fahendrena, ho an’ny olona adala,
dia tahaka ny trano ravarava,
ary ny fahalalan’ny tsy manan-tsaina
dia teny tsy misy fifandraisany akory.
19Ny fitaizana, ho an’ny olona adala,
dia tahaka ny parapaingo amin’ny tongotra
ary tahaka ny gadra mangeja
eo amin’ny tanana ankavanana.
20Ny olona adala, rehefa mihomehy,
dia mitokelakelaka mafy erỳ;
fa ny olona tsara ofana kosa
dia mitsiky mora sy am-pitandremana.
21Ny fitaizana ho an’ny olona misaina,
dia tahaka ny firavaka volamena fehin-tanana
entiny eo amin’ny sandriny ankavanana.
22Ny olona adala dia dodododona
ny hiditra ao an-tranon’ny hafa;
fa ny olona efa mahay miaina kosa
miahotra amim-pahamaotinana.
23Ny olona tsy manan-tsaina dia hatreo am-baravarana
no hanarangarana ny ao anaty trano;
fa ny olona tsara taiza kosa mijanona eo ivelany.
24Ny olona tsy voataiza no mihaino eo am-baravarana;
fa ny misaina kosa dia hovesaran-kenatra manao izany.
25Ny molotry ny olona be resaka
dia mamerina ny voalazan’ny hafa;
fa ny tenin’ny olona misaina kosa
dia toa voalanjalanja tamin’ny mizàna.
26Ny olona adala dia miteny, vao mieritreritra
fa ny olon-kendry kosa mieritreritra, vao miteny.
27Raha manozona an’i Satàna ny tsy mpivavaka,
dia ny tenany ihany no ozoniny.
28Manala baràka tena ny mpanaratsy olona
sady hankahalain’ireo mpiara-monina aminy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.