Genesỳ 16 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny nahaterahan’i Jismahela

1Ary i Saray, vadin’i Abrama, dia tsy niteraka fa momba; nefa nanana mpanompovavy ejiptianina atao hoe Hagara izy

2ka niteny tamin’i Abrama hoe:

–Indro efa tsy nanome zanaka ahy ny TOMPO. Koa mba mandehana re any amin’ny mpanompovaviko; angamba hanan-janaka avy aminy aho.

Dia neken’i Abrama ny soso-kevitr’i Saray.

3Nalain’i Saray vadin’i Abrama i Hagara izay Ejiptianina mpanompovaviny ka nomeny an’i Abrama mba hovadîny; ary efa folo taona no nipetrahan’i Abrama tao amin’ny tany Kanahàna tamin’izay.

4Dia niray tamin’i Hagara i Abrama ka nitoe-jaza ravehivavy. Rehefa nahita ny tenany bevohòka i Hagara, dia nanao tsinontsinona ny tompovaviny.

5Ary hoy i Saray tamin’i Abrama:

–Manodiava anao ny fahoriako! Nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko; ka nony nahita ny tenany bevohòka izy, dia nanao tsinontsinona ahy. Koa aoka ny TOMPO no hitsara ahy sy ianao!

6Fa namaly i Abrama nanao hoe:

–Indro ny mpanompovavinao, eo ambany fahefànao izy ka ataovy izay tianao hatao aminy.

Dia nampahorîn’i Saray i Hagara ka nitsoaka nandositra.

7Hitan’ny anjelin’ny TOMPO teo akaikin’ny loharano iray tao an-taniefitra izy, dia teo amin’ny lalana mankany Sora,

8ka nanontaniany hoe:

–Ry Hagara, mpanompovavin’i Saray, avy taiza ianao, ary hankaiza?

Dia namaly izy hoe:

–Nandositra tsy ho eo anatrehan’i Saray tompovaviko aho.

9Fa hoy ilay anjelin’ny TOMPO taminy:

–Miverena any amin’ny tompovavinao, ka maneke ny fahefàny.

10Homen’ny TOMPO taranaka marobe tsy tambo isaina ianao.

11Indro efa bevohòka ianao, ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany hataonao hoe Jismahela, satria nohenoin’ny TOMPO ny fitarainanao.

12Ho toy ny boriky tsy folaka ny zanakao, ary hiady amin’ny olona rehetra sy hiadian’ny olona rehetra izy, nefa dia hitoetra misintaka amin’ny rahalahiny rehetra.

13Dia hoy i Hagara anakampo: «Moa nahita marina Ilay mahita ahy ve aho!» Ary dia nomeny ny TOMPO Izay niteny taminy izao anarana izao: «Ianao no ilay Andriamanitra mahita ahy.»

14Izany no niantsoana ilay fantsakana teo anelanelan’i Kadesy sy i Bareda hoe fantsakan’i Lahay-Rôy na fantsakan’Ilay Velona mahita ahy.

15Dia niteraka zazalahy i Hagara ka nataon’i Abrama hoe Jismahela ny anarany.

16Efa enina amby valopolo taona i Abrama, raha niteraka io zazalahy io ho azy i Hagara.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help