Mpitsara 5 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny tononkiran’i Debôrà

1Tamin’izany andro izany i Debôrà dia nihira niaraka tamin’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama ka nanao hoe:

2Efa samy vonon-kiantafika

ny vatan-dehilahy eto Israely,

nanolo-tena hiady ny vahoaka;

koa isaory ny TOMPO izany!

3Mihainoa ianareo, ry mpanjaka,

manongilàna sofina ianareo, ry mpifehy,

fa hihira ho an’ny TOMPO aho;

eny, hikaloako salamo

ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.

4Rehefa tonga avy tany Edôma Ianao, Tompo ô,

ka nidina avy teny an-tendrombohitra Sehira,

dia nihovotrovotra ny tany,

ary nandrotsaka orana ny rahona,

dia ora-mikija avy any an-danitra;

5ny tendrombohitra niempo teo anatrehanao,

ry TOMPO niseho tany Sinay;

ny tendrombohitra niempo teo anatrehanao,

ry TOMPO Andriamanitr’i Israely.

6Tamin’ny andron’i Samgary zanakalahin’i Hanata

sy tamin’ny andron’i Jahela

dia nidify ity faritra ity

ny andian’ireo mpitaingin-drameva;

fa nanaraka lalan-kafa ireo mpandeha.

7Tsy nisy lehibe intsony,

tsy nisy lehibe intsony teto amin’i Israely,

mandra-pisehoko izaho Debôrà

ho toy ny reny teto amin’i Israely.

8Nifidy andriamani-baovao ny olona

ka vetivety dia vaky ny ady;

nefa zara raha nahitana ampinga na lefona iray

ho an’ny vatan-dehilahy andiany efapolo teto Israely.

9Ny ahy ny fo dia miandany

amin’ireo komandin’i Israely;

ny foko dia miandany

amin’ireo vahoaka nanolo-tena hiady;

koa isaory ny TOMPO izany!

10Ianareo izay mitaingina borikivavy fotsy,

ianareo izay mipetraka eo ambony karipetra,

ianareo izay mandeha eny an-dalana,

mankalazà ny TOMPO noho ny fandresena!

11Teo akaikin’ny fampisotroan-drano,

ireo mpizara rano ho an’ny biby fiompy

no nankalaza ny fandresen’ny TOMPO,

dia fandresena nomeny ireo lehiben’i Israely

fony injay nirotsaka hiady

teo am-bavahadin’ny tanàna

ilay vahoakan’ny TOMPO.

12Mifohaza, mifohaza ianao, ry Debôrà,

mifohaza, mifohaza ianao, ka miventesa hiran’ady.

Ry Baràka zanakalahin’i Abinôhama,

mitsangàna ka ataovy babo ireo mpamabo anao.

13Nirohotra nankany amin’ny lehibeny ireo Israelita

ary nivory teo amiko ny vahoakan’ny TOMPO

niaraka tamin’ireo lehilahy mahery fo.

14Ireo taranaka avy any Efraîma

dia efa tonga ao an-dohasaha,

ka narahin’ny fokon’i Benjamîna

izay nifangaro tamin’ny andian-tafiny.

Nipoitra avy amin’ny terak’i Makira ireo mpitari-tafika

ary avy amin’ny fokon’i Zebolòna ireo manampahefana.

15Ireo lehiben’i Jisakara dia niandany tamin’i Debôrà;

ary nifikitra tamin’i Baràka ny fokon’i Jisakara

ka niriotra nanaraka azy teny amin’ny tany lemaka.

Tao amin’ny fokon’i Reobena kosa

dia adihevitra tsisy farany.

16Nahoana ianareo no nijanona

teny anelanelan’ny vala

hihaino ny siotsiokan’ny mpiandry ondry?

Tao amin’ny fokon’i Reobena tokoa

dia adihevitra tsisy farany.

17Tsy nihetsika koa ny terak’i Gilehada

teny an-dafy atsinanan’i Jôrdàna.

Ary nahoana ny fokon’i Dana

no nipetra-potsiny teo anilan’ny sambony?

Ny fokon’i Asera koa nonina teo amoron-dranomasina

ka nijanona teo amin’ny fitodian-tsambony.

18Ny vahoakan’i Zebolòna mbamin’i Naftalỳ kosa

dia nanaiky hanao vy very ny ainy

teo an-tany fiadiana, na dia ho faty aza!

19Tonga hiady ireo mpanjakan’i Kanahàna

ka dia nanafika tao Tahenàka,

teo akaikin’ny loharanon’i Megidao,

nefa tsy nahazo na babo na volafotsy!

20Avy eny an-danitra eny

no nandray anjara tamin’ny ady koa ny kintana,

ka ny fihodinkodinana arahiny

no niadiany tamin’i Siserà.

21Renirano efa nikoriana hatry ny ela,

dia ny renirano Kisôna,

no nipaoka ny fahavalo.

Aoka mba hiroso hiady amin-kerim-po koa aho!

22Dia nihazakazaka mafy ny soavaly;

ka nikatrokatroka ny hitsa-kitrony.

23Ozòny ny tanàna Merôza,

hoy ilay anjelin’ny TOMPO.

Ozòny, ozòny ny mponina ao aminy

noho izy tsy tonga hikatroka

niaraka tamin’ireo mahery fo

mba hanampy ny TOMPO hiady.

24 Hotahîna mihoatra noho ny vehivavy rehetra kosa anie

i Jahela izay vadin’i Hebera lehilahy kenita!

Eny, hotahîna mihoatra noho ny vehivavy rehetra

izay mitoetra an-day anie izy!

25Fa rano no nangatahin’i Siserà;

nefa ronono kosa no nomeny azy,

dia rononomandry tao anaty tsatokaty marevaka.

26Avy eo noraisiny tamin’ny tanan-kavia ny tsimaday

ary tamin’ny tanan-kavanana ny tantanan’ny mpiasa,

dia nasiany ka vaky ny lohan’i Siserà;

ary nataony gorobaka ny fihirifany.

27Teo an-tongo-dravehivavy izy

no nitolefika sy nianjera ary nitsitra;

teo an-tongo-dravehivavy teo izy

no nitolefika sy nianjera;

teo amin’ny nahatolefika azy teo izy

no nianjera ka maty.

28Nitazana teo am-baravarankely ny renin’i Siserà,

teo anelanelan’ny makarakara izy no nitaraina hoe:

«Nahoana àry no mbola tsy tonga ihany ny kalesiny?

Nahoana àry no mitaredretra any ny kalesiny?»

29Izay hendry indrindra tamin’ireo andriambavy namany

no nanome azy izao valinteny manaraka izao,

ka izany koa no naverimberin’ny tenany hoe:

30«Manangona babo izay ny miaramila,

ary mbola eo am-pizaràna azy:

tovovavy iray na roa isaky ny mahery fo;

karazan-damba miloko samy hafa

sady vita peta-kofehy ho an’i Siserà;

eny, lamba vita peta-kofehy anatiny sy ivelany

no hahodidina ny vozon’ilay mpamabo.»

31TOMPO ô, aoka ny fahavalonao rehetra

ho faty tahaka an’i Siserà avokoa;

fa ny sakaizanao kosa anie ho toy ny masoandro

fony izy miposaka mamirapiratra mafy indrindra!

Dia nandry feizay ny tany nandritra ny efapolo taona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help