Jôba 31 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Valinteny farany nataon’i Jôba (farany): Loha mitraka no anatrehako an’Andriamanitra

1Efa nanao fanekena tamin’ny masoko aho,

fa tsy hanam-pijery mitsiriritra tovovavy.

2Raha tsy izany dia inona no lova ho ahy

avy amin’ilay Andriamanitra Tsitoha

any amin’ny toerana ambony any?

3Tsy loza va no anjaran’ny ratsy fanahy,

ary fahoriana ho an’ny mpanao heloka?

4Moa tsy hitan’Andriamanitra ve ny toetrako?

Moa tsy manisa ny diako rehetra ve Izy?

*

5Raha tàhiny nandeha tamin’ny lainga aho

na nihazakazaka ho amin’ny fitaka,

6dia enga anie holanjain’Andriamanitra

amin’ny mizana tsy mandainga

hahafantarany fa tsy manan-tsiny aho.

7Fa raha niala tamin’ny lalany ny diako

na nanaraka ny filan’ny maso ny foko

na nisy tsiny niraikitra tamin’ny tanako,

8dia aoka olon-kafa no hihinana izay nafafiko

na aoka hongotana ny zavatra izay namboleko.

*

9Raha tàhiny sodokam-behivavy iray ny foko

ka namitsaka teo am-baravaran’ny namako aho,

10dia aoka hampiasain’olon-kafa ny vadiko,

ary aoka ny olon-drehetra no handry aminy!

11Fa fanitsakitsaham-bady izany nataoko izany,

eny, heloka melohin’ny mpitsara.

12Afo mandevona hatrany am-pahaverezana izany,

ka handrava ny vokatro manontolo.

*

13Raha tàhiny nanan-drariny ny mpanompolahiko

na ny mpanompovaviko izay nifamaly tamiko,

dia tsy nolaviko fa notandroviko tokoa.

14Raha tsy izany, dia inona no hataoko,

rehefa hitsangana hiampanga ahy Andriamanitra?

Ary inona no havaliko, rehefa mamototra Izy?

15Moa tsy Andriamanitra iray ihany

no nahary anay tao an-kibon-dreninay,

sady Izy koa no namolavola anay tao am-bohoka

na ny tenako na ireo mpanompoko ireo?

*

16Moa efa nanosi-bohon-tanana ny mahantra ve aho

ka nahapahina ny mason’ny mpitondratena,

17na nihinana samirery ny mofoko,

ka tsy namela akory ho an’ny kamboty?

18Fa hatramin’ny fahatanorako aho

dia tahaka ny ray niahy ny kamboty;

ary hatramin’ny fahazazako aho

ny mpitondratena no nikarakara.

19Moa efa nahita mahantra mitanjaka ve aho

na fadiranovana tsy nanan-kitafy,

20ka tsy nisaotra ahy ny tenany

noho izy nomeko akanjo nanafana azy

dia akanjo natao tamin’ny volon’ondriko?

21Raha naninji-tanana hampahory ny kamboty aho

satria mahita fa iandaniam-pitsarana,

22dia aoka ny soroko hiendaka amin’ny toerany

ary ny sandriko hitsoaka amin’ny kihoko.

23Satria matahotra ny famaizan’Andriamanitra aho

ka tsy afa-manoatra manoloana ny fiandrianany.

*

24Moa nametra-pitokiana tamin’ny volamena ve aho

na nanao taminy hoe: «Ianao no aroko»?

25Tsy nifaliako noho ny habetsahan’ny fananako

sy ireo harena voaangon’ny tanako.

26Raha nahita ny masoandro mamirapiratra aho

na ny volana mizotra mangarangarana,

27moa voababo mangingina hitsaoka azy ve ny foko,

ary moa nanoroka tanana ve aho ho fanajana azy?

28Ny fanaovako izany zavatra izany

dia heloka melohin’ny mpitsara ihany koa,

satria fandavako an’Andriamanitra Avo Indrindra.

*

29Moa faly tamin’ny fahavoazan’ny fahavaloko ve aho

na nibitabitaka raha nianjadiam-pahoriana izy?

30Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako

ka hanompa azy sy hanozona azy ho faty.

31Moa ny fianakaviambeko tsy efa nanao hoe:

«Iza no tsy novokisany hena?»

32Tsy nandry tany alatrano ny vahiny,

fa novohako varavarana hatrany.

*

33Moa nanafina ny fahadisoako

tahaka ny sarambaben’olona ve aho

na nikobona ny heloko tato anatiko?

34Tsia, tsy natahotra ny vavam-bahoaka aho

na nanahy ny fanaratsian’ny fokonolona,

ka hoe hangina ary tsy sahy hivoaka ny trano.

*

35Satriko mba hisy hihaino ahy,

fa azoko soniavina izay voalazako!

Hamaly ahy anie Andriamanitra Tsitoha.

Fa ny amin’ny taratasy fiampangana

voasoratry ny mpifanandrina amiko

36dia hiantsorohako tokoa izany

ary hisatrohako toy ny satroboninahitra aza.

37Hambarako amin’Andriamanitra

ny zavatra tsirairay nataoko;

ary toy ny zanak’andriana aho

ka tsy matahotra hanatona Azy.

*

38Raha niantso tody tamiko ny tany voleko

ka niara-nitomany ny vavasako,

39raha nihinam-bokatra maimaim-poana aho

ka tsy nanaja ny zon’ireo mpiasako,

40dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny varimbazaha

ary ny ahi-dratsy no hirobona hisolo ny ôrza!

*

Tapitra ny tenin’i Jôba.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help