Jodita 2 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Nasaina nanafika firenena maro i Hôlôferna hamaly faty azy

1Tamin’ny taona fahavalo ambin’ny folo nanjakan’i Nebokadnetsara, mpanjakan’i Asiria, fony andro faharoa amby roapolo tamin’ny volana voalohany, no niadian-kevitra tao an-dapa ny amin’ny valifaty izay efa nianianan’ny mpanjaka hafitsoka amin’ireo vahoaka rehetra nikomy.

2Dia nantsoin’i Nebokadnetsara hivory ny minisitra rehetra sy ny loholona rehetra; ary nanaovany fiaraha-midinika ireo, ka vavany mihitsy no namoaka ny fanapahan-kevitra momba ny sazy isan-karazany hafitsoka amin’ny tanin’iretsy vahoaka nikomy.

3Nankatoavin’ireto mpanolotsaina azy fa tokony hofongorana avokoa ny olona rehetra izay nitsipaka ny baiko navoakan’i Nebokadnetsara.

4Rehefa vita ny fiaraha-midinika, dia nantsoin’i Nebokadnetsara i Hôlôferna, izay filohan’ireo komandin-tafika sady olona faharoa eo amin’ny fanjakana, ka nilazany hoe:

5–Izaho ilay mpanjaka lehibe, mpifehy ny taniko manontolo, no milaza ireto teny ireto: Ndeha ianao maka ireo miaramila azo antoka ho matanjaka; dia ataovy tsy latsaky ny antokony roapolo amby zato ireo miaramila an-tongotra ary tsy latsaky ny antokony roa ambin’ny folo ireo mpitaingin-tsoavaly.

6Avy eo hiainga ianao hamely an’ireo tany rehetra any andrefan’i Eofrata, izay tsy nanaiky ny baiko navoakako;

7ary hotakînao amin’ireo vahoaka ny tolotra tany sy rano ho mariky ny fanoavany ahy. Ampahafantaro azy fa mirehi-katezerana aho ka mandefa izao tafika izao hamely azy. Hanenika ny vohon-taniny manontolo ny miaramilako ka avelako handroba azy.

8Ireo olona voaratra dia hameno ny hantsana; ka ny lohasahan-driaka sy ny ony dia ho tototra faty hihoatra ny morony.

9Ireo babo kosa hasaiko hoentina any am-paran’ny tany.

10Hotazoninao amin’ny anarako ny faritaniny rehetra.

11Ka rehefa nilavo lefona izy, dia hambenanao ho an’ny andro hitsarana azy; ireo mbola hanohitra ihany, eo amin’ny tany isan-tokony efa azonao, dia tsy hanananao antra fa ampamonoy ho faty ary asaovy robaim-pananana.

12Ny aiko sy ny fahefana maha mpanjaka ahy no nianianako fa hampihatra hery aho hanatanterahako izany.

13Ianao kosa, ry Hôlôferna, aza misy dikainao ireo baiko nomeko anao ireo na iray aza; fa tanteraho antsakany sy andavany sady tsy misy hataka andro; araka ny nandidiako anao.

14Dia niala teo anatrehan’ny mpanjaka i Hôlôferna, ary niantso ireo andriana mbamin’ireo komandy sy manamboninahitry ny tafika asirianina.

15Araka ny nandidian’ny mpanjaka azy, dia namory miaramila voafantina hiantafika izy, ka nisy antokony roapolo amby zato ireo miaramila an-tongotra ary antokony roa ambin’ny folo ireo mpitaingin-tsoavaly.

16Dia nalahatr’i Hôlôferna ireo ka voarindra ho tahaka ny tafika goavana efa hiady.

17Naka rameva sy boriky ary mole marobe io filoha io mba hitondra entana; naka ondry aman’osy ary omby tsy tambo isaina koa izy mba ho tohan’aina ara-tsakafo.

18Teo ny vatsy ho an’ny miaramila tsirairay avy; teo koa ny volafotsy amam-bolamena betsaka hanaramana azy.

19Dia niainga i Hôlôferna mbamin’ny tafiny manontolo hialoha an’i Nebokadnetsara mpanjaka sy handrakotra ny vohon-tany, ao andrefana ao, amin’ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly ary ny miaramila an-tongotra izay voafantina.

20Nisy mpiantafika hafa niaraka taminy, ka tsy tambo isaina toy ny valala na toy ny fasika any an-taniefitra ireo.

21Niala tao Ninive izy rehetra ireo, ka telo andro ihany dia tonga tao amin’ny lemak’i Bektileta, ary avy teo dia lasa nitoby akaikin’ny tendrombohitra avaratr’i Silisia am-patrana.

22Tamin’izay no nentin’i Hôlôferna ny tafiny manontolo, na miaramila an-tongotra na mpitaingin-tsoavaly na kalesy, ka nihanaka tany amin’ny faritra be tendrombohitra.

23Nataony resy i Pota sy i Loda, ary norobainy avokoa ireo taranak’i Rasy na ireo taranak’i Jismahela izay samy niorim-ponenana teo akaikin’ny taniefitra, tao atsimon’i Keleôna.

24Avy eo nita ny ony Eofrata i Hôlôferna, dia namakivaky an’i Mezôpôtamia sy nandrava ny tanàna mimanda rehetra teny amoron’ny ranon-driaka Habrôna ary tafapaka hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea.

25Voatanany koa ny faritr’i Silisia ka nofongorany avokoa ny mpanohitra; ary nianatsimo izy ka tafapaka hatrany amin’ny faritanin’i Jafeta, izay mifanila amin’i Arabia.

26Voahodidin’i Hôlôferna ny Midianita rehetra, nodorany ny tobim-pilasiany ary nataony babo ny biby fiompiny.

27Tamin’ny fotoana fijinjam-bary no namakivakiany ny lemak’i Damasy, ka nodorany avokoa ny vokatra, nataony ringana ny biby fiompy na omby na ondry aman’osy, norobainy ny tanàna, nosimbany ny saha, ary nofongoriny tamim-tsabatra ny zatovo rehetra.

28Tahotra sy horohoro no nianjady tamin’ny mponina rehetra amoron-tsiraka, dia izay nonina tao Tsidôna sy Tiro mbamin’izay tao Soro sy Okinà ary Jamnià. Raiki-tahotra mafy koa ny mponin’i Azôta sy i Askelôna.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help