1Tamin’ny taona fahafito dia nanapa-kevitra hentitra i Jôiadà ka nanao fifanekena tamin’ireo mpifehy andia-miaramila: dia i Hazarià zanakalahin’i Jerôhama, i Jismahela zanakalahin’i Jôhanàna, i Hazarià zanakalahin’i Hôbeda, i Mahaseià zanakalahin’i Hadaià, ary i Elisafata zanakalahin’i Zikrỳ.
2Ary nitety an’i Joda ireo ka namory ny levita sy ny loham-pianakaviana israelita avy tany amin’ny tanàna jodeanina rehetra, dia niara-tonga tany Jerosalema ireo.
3Ary ny olona rehetra vory teo dia nanao fanekempihavanana tao an-tranon’Andriamanitra ny amin’ny mpanjaka, sady nilazan’i Jôiadà hoe:
–Indro i Jôasy zanakalahin’ny mpanjaka. Izy no tokony hanjaka araka ny nampanantenain’ny TOMPO ny amin’ny taranak’i Davida.
4Koa izao no hataonareo: ianareo mpisorona sy levita izay milatsaka amin’ny andro sabata, dia aoka ny ampahatelonareo ho mpiandry ny varavaran’ny tempoly,
5ny ampahatelo hafa hiambina ao an-dapan’ny mpanjaka, ary ny ampahatelo sisa hiambina ilay vavahadin’ny Fanorenana; ary ny vahoaka rehetra kosa dia ho eo an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO.
6Fa aza avela hisy hiditra ao an-tranon’ny TOMPO, afa-tsy ny mpisorona sy ny levita mpanao raharaha; ireo no hahazo miditra satria voatokana ho an’Andriamanitra; fa ny vahoaka rehetra dia hitandrina izay fepetra nasain’ny TOMPO hotandremana.
7Ianareo levita hafa kosa dia hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitam-piadiana avy, ary koa hanaraka azy amin’izay toerana halehany; fa na iza na iza miditra ao an-tempoly, dia vonoy ho faty.
8Araka izay baiko rehetra nomen’i Jôiadà mpisorona no nataon’ny levita sy ny Jodeanina rehetra; ka ny tompon’andraikitra tsirairay dia samy nitondra ny olom-peheziny, dia izay nilatsaka na izay niala tamin’ny andro sabata, satria tsy nisy andiany navelan’i Jôiadà mpisorona hahazo lalana hody.
9Nomen’i Jôiadà an’ireo mpifehy andia-miaramila ny lefona aman’ampinga isan-karazany, izay an’i Davida mpanjaka saingy natoby tao an-tranon’Andriamanitra.
10Ireo miaramila rehetra samy nitam-piadiana ireo dia nalahatr’i Jôiadà hanodidina ny mpanjaka manomboka eo amin’ny lafiny havanan’ny tempoly ka hatramin’ny lafiny havia, dia teo anoloan’ny alitara fisoronana sy ny vatan-trano, ary efa vonona hanodidina ny mpanjaka.
11Tamin’izay dia navoaka i Jôasy zanakalahin’i Ahazià, ka nampisatrohina ny satroboninahitra maha-mpanjaka sady notolorana ny rakitsoratra momba ny zo aman’andraikitry ny mpanjaka. Ary nanosotra menaka hanokanana azy i Jôiadà sy ireo zanany lahy ka niantso hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»
12Nony ren’i Hatalià ny kotaban’ny vahoaka nifamoivoy sy niarahaba ny mpanjaka, dia mba nankao amin’ny vahoaka tao an-tranon’ny TOMPO koa izy.
13Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana tambonin’ny lampihazo teo amin’ny fidirana, ka ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany; nifaly ny vahoaka rehetra, nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika, ary nandredona hira fiderana ireo mpihira omban’ny zava-maneno isan-karazany. Fa i Hatalià kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»
14I Joiadà moa efa nandrara ny hamonoana ho faty an’i Hatalià ao an-tranon’ny TOMPO, ka dia nasainy nanatona ireo mpifehy andia-miaramila sady mpiandraikitra ny mpiambina ary nilazany hoe:
–Avoahy any ivelany any i Hatalià ka ampandalovy eo anelanelan’ny laharanareo; ary izay manaraka azy, dia vonoy ho faty amin’ny sabatra.
15Dia nosamborin’ireo i Hatalià ka notaritaritiny ho any an-dapan’ny mpanjaka; ary rehefa tafapaka ny fidirana teo amin’ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy, dia novonoina ho faty teo.
16Nampanaovin’i Jôiadà fanekempihavanana ny olona rehetra sy ny mpanjaka mbamin’ny tenany mba ho vahoakan’ny TOMPO.
17Avy eo dia niditra tao an-tempolin’i Bahala ny besinimaro ka nandrava azy: nomontsaniny tanteraka ireo alitara sy ireo sarivongan-tsampy; ary novonoiny ho faty teo anoloan’ny alitara i Matàna mpisoron’i Bahala.
18Tamin’izay koa no voatendrin’i Jôiadà ny olona hitandrina ny tranon’ny TOMPO ka hofehezin’ireo levita mpisorona, izay efa notsinjarain’i Davida ho antokony mba hanolotra ny sorona dorana manontolo ao an-tranon’ny TOMPO araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy; ka amin-kafaliana sady ombàn-kira no hanatontosany izany, araka ny fepetra nataon’i Davida.
19Dia nametrahan’i Jôiadà mpiandry varavarana teo am-bavahadin’ny tranon’ny TOMPO mba tsy hisy zavatra na olona maloto ara-pivavahana ho tafiditra ao na inona na inona antony.
20Dia novorin’i Jôiadà ny mpifehy andia-miaramila sy ny loholona ary ny manampahefana mbamin’ny vahoaka rehetra; ary nentina avy tao an-tranon’ny TOMPO ity mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nandalovana hanatitra azy ao an-dapany. Rehefa tafapetraka teo amin’ny sezafiandrianana maha-mpanjaka azy i Jôasy,
21dia nifaly ny vahoaka rehetra.
Ary nandry feizay ny tanàna, satria efa matin-tsabatra i Hatalià.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.