Fahendrena Sava lalana - Malagasy Bible Interconfessionelle

Sava lalana –Ny bokin’ny Fahendrena na ny Fahendren’i Salômôna dia voasoratra tamin’ny teny grika, ary mpanoratra jiosy tsy fantatr’anarana no nanao azy, tokony ho telopolo taona talohan’i Jesoa Kristy tany ho any. Na dia voasoratra tamin’ny teny grika aza ity asa soratra ity, dia tena anisan’ireo «lahatsoratra milaza fahendrena» tahaka ireo boky hebreo: Ohabolana, Jôba sy Kôheleta na ny Salamo sasantsasany, araka ny lohatenim-boky nomena azy rahateo. Fantatry ny mpanoratra tokoa ny Genesỳ, ny Eksôdy, ny Bokin’i Isaià, ny Ohabolana ary koa ny literatiora grika malaza tahaka an’i Homère na i Platon. Te hijoro ho vavolombelon’ny finoana jiosy nananany amin’ny alalan’ny fomba fisainana grika izy. Koa amin’izany ny itenenany dia Jiosy izay mety hahodin’ny fandrosoana grika mba hiala amin’ny finoan-drazany ary koa angamba olona grika mety hamaky azy; ary te handresy lahatra azy roa tonta izy ny amin’ny hasarobidin’ny lova ara-panahin’i Israely.

Ny fizaràna voalohany (toko 1–5) dia voatokana ho fandinihana ny anjaran’ny mpino ampitahaina amin’ny an’ny ratsy fanahy. Ho hita ao (2.10-20) ny famelabelarana ny fanenjehana ny «marina».

Ny fizaràna faharoa (6.1–9.12) dia teny fankalazana ny Fahendrena. Izany manko dia tena ilain’ny rehetra, indrindra fa izay manana andraikitra amin’ny fitondram-pirenena. Ho fanazavana izany dia mitonon-tena ho i Salômôna mpanjaka ny mpanoratra; fa, araka ny lovantsofina israelita, dia izy no ilay hendry mendrika indrindra (ampitahao 1 Mp 4.4-15; 5.9-14). Koa Andriamanitra no tsy maintsy hangatahana ny Fahendrena.

Ny fizaràna fahatelo (9.13–19.22) dia azo omena lohateny hoe: «Ny Fahendrena ao amin’ny Tantara masina». Vavak’i Salômôna no endrika isehoany ka itetezana ireo tantara ao amin’ny Genesỳ ary indrindra ao amin’ny Eksôdy. Tenenin’ny mpanoratra koa ny fivavahana fanompoan-tsampy hazavaina avy amin’ny rijan-teny toa ny Is 44; Sal 115; 135; ary dia marihiny tsara ny famindrampon’ny Tompo na dia manoloana ireo mpanaraka fivavahana mivaona ireo aza.

Ny foto-kevitry ny mpanoratra izany dia ny haneho famoaboasana ny rijan-teny biblika araka ny fisainana grika. Koa tsy dia hatao hahagaga ny fisehoan’ireo hevitra tsy fantatra tao amin’ny Fanekempihavanana Taloha hebreo toy ny fisarahan’ny fanahy sy vatana (9.15) na ny tsy fetezan’ny fanahy ho faty (3.14; 8.17; 15.3 sns).

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help