Salamo 8 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Ny voninahitr’Andriamanitra sy ny fahambonian’ny olona

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny jejilava. Salamo nataon’i Davida.

2TOMPO Andriamanitray ô,

endrey ny halehiben’ny voninahitrao

manerana ny tany tontolo!

Nataonao manoatra ny lanitra ny fiandriananao.

3Kanefa ny feon’ny ankizy madinika,

eny, ny feon’ireo zaza mbola minono aza

no anoheranao ny mpandrafy Anao;

ary izany dia toy ny manda natsanganao

hampanginanao ireo fahavalonao

sy izay te hamaly ratsy.

4Raha jereko ny lanitra asan-tananao

sy ny volana aman-kintana napetrakao eny,

5dia mba inona moa ny olombelona no tsarovanao,

sy izay zanak’olombelona no karakarainao?

6Fa nataonao latsaka kely noho ny anjely izy,

ka nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana;

7nampanjakainao amin’ny asan-tananao:

nataonao ho eo an-tongony ny zava-drehetra,

8dia ny omby aman’ondry sy osy

mbamin’ny bibidia any an-tsaha,

9ny voro-manidina sy ny trondron-dranomasina

izay miriaria manaraka ny onjan-driaka.

10TOMPO Andriamanitray ô,

endrey ny halehiben’ny voninahitrao

manerana ny tany tontolo!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help