Salamo 146 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Ny Tompo no mpiaro ny ory

1 Haleloià!

Aoka hidera ny TOMPO aho!

2Hidera ny TOMPO aho raha mbola miaina koa;

hankalaza ny Andriamanitro aho raha mbola velona koa.

3Aza mba mitoky amin’ny mpanapaka,

dia izay olombelona tsy afa-mamonjy:

4vantany vao miala ny fofonain’ireo,

dia miverina amin’ny vovoka niaviany izy;

ka amin’izay indrindra no rava ny fikasany.

5Sambatra izay manana an’Andriamanitra ho Mpitahy,

dia ilay Andriamanitr’i Jakôba;

sambatra izay mametraka ny fitokiany

ao amin’ny TOMPO Andriamaniny:

6dia Andriamanitra nanao ny lanitra sy ny tany

ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao amin’ireny,

mitandro fahamarinana hatrany

7ka manome rariny ny ampahorîna

ary manome sakafo ny noana.

Ny TOMPO mamaha ny mpifatotra;

8ny TOMPO mampahiratra ny jamba;

ny TOMPO mampitraka ny mitanondrika;

9ny TOMPO miaro ny vahiny

sy manohana ny kamboty ama-mpitondratena;

ny TOMPO mitia ny olo-marina

fa mampibirioka kosa ny olon-dratsy.

10Hanjaka mandrakizay ny TOMPO,

dia ny Andriamanitrao, ry Tsiôna ô,

amin’ny taona mifandimby.

Haleloià!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help