1 Makabeo 1 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny nanjakàn’i Aleksandra Lehibe

1I Aleksandra Lehibe, zanakalahin’i Filipo mpanjaka masedônianina, dia niainga avy ao Masedônia izay taniny mba hiantafika. Tamin’izay no nandreseny an’i Dariôsa amperôran’ny Persianina sy Medianina, ka nanitatarany fanjakana tamin’i Gresy aloha, ary koa nahatonga azy ho amperôra nandimby an’i Dariôsa.

2Dia niantafika imbetsaka i Aleksandra Lehibe, ka nahazo tanàna mimanda maro sy namono ireo mpanjaka tompon-tany.

3Tongany hatrany amin’ny faran’ny tany, ka firenena maro no nahazoany babo. Rehefa nilamina ny tany teo ambany fahefàny, dia niavonavona am-po sy nibohibohy izy.

4Namory tafika mahery tokoa izy, ka nampanaiky faritany amam-pirenena sy mpanjaka maro izay nanjary mpandoa hetra ho azy.

5Avy eo dia nilamaka tao am-pandriana i Aleksandra Lehibe, ary nanandindona azy ny ho faty;

6ka nantsoiny hanatona azy ireo manamboninahiny, dia ireo andriambaventy namany hatry ny fahazazàny, ary nozarainy tamin’ireo ny fanjakany dieny mbola tsy maty izy.

7Naharitra 12 taona no nanjakan’i Aleksandra Lehibe, dia nodimandry izy.

8Samy nandray fahefana teo amin’ny zarataniny avy ireo manamboninahiny.

9Samy nisatroka ny fehiloha maha mpanjaka azy avy izy rehetra, taorian’ny nahafatesan’i Aleksandra; toy izany koa no nataon’ireo zanany nandimby azy nandritra ny taona maro, ary nampitomboiny be ny faharatsiana teto an-tany.

Nandray ny fomba amam-panao grika ny Jiosy sasany(Jereo 2 Mak 4.7-17)

10Nisy taranaka anankiray tsy mpivavaka, nipoitra avy amin’ireo mpanjaka ireo, dia i Antiôkôsa Epifàna zanakalahin’i Antiôkôsa mpanjaka. Natao antoka tany Rôma izy io, dia tonga mpanjaka tamin’ny taona faha-137 nisian’ny fanjakana grika tao Siria.

11Tamin’izany andro izany, nisy andian’olom-poana avy amin’i Israely ka nahatarika hafa maro fony nanao hoe: «Ndeha isika hikambana amin’ireo firenena manodidina antsika, fa niharam-pahavoazana isika, hatrizay nitokanantsika lavitra an’ireo izay.»

12Noheverina ho tsara harahina izany teny izany,

13ka ny sasany tamin’ny vahoaka dia dodona ery nanatona ny mpanjaka; izy kosa nanome lalana hanarahany ny fanaon’ny firenen-kafa.

14Dia namboatra toerana fanaovana fanatanjahan-tena tao Jerosalema ireo olona ireo, araka ny fomban’ny firenen-kafa.

15Nofoanany koa ny mariky ny famorana azy, ary nialany ny fanekempihavanana masina mba hikambanany amin’ny firenen-kafa. Dia nivaro-tena izy hanao ny ratsy.

Namely an’i Ejipta i Antiôkôsa Epifàna

16Nony efa hitan’i Antiôkôsa fa mafy orina ny fanapahany, dia nihevitra izay hanjakany amin’i Ejipta izy mba ho tonga mpanjaka amin’ny fanjakana roa tonta.

17Ka niditra tany Ejipta izy nitondra tafika goavana, nomban-kalesy aman’elefanta sy mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny sambo vaventy maro.

18Nanomboka ady tamin’i Ptôlemeo mpanjakan’i Ejipta izy; nefa raiki-tahotra io teo anoloany, ka nitsoaka nandositra ary miaramilany maro no niampatrampatra maty.

19Azon’i Antiôkôsa ny tanàna mimanda tao Ejipta ary nofaohiny ny babo eran’io tany io.

20Rehefa avy nandresy an’i Ejipta izy tamin’ny taona faha-143, dia niakatra nomban-tafika goavana hamely an’i Israely sy i Jerosalema.

Norobain’i Antiôkôsa Epifàna ny tempoly(Jereo 2 Mak 5.11-21)

21Tamin’izay i Antiôkôsa dia nisolantsolana niditra tao an-tempoly; ka nalainy avokoa ny alitara volamena, ny fitoeran-jiron’ny fanazavana mbamin’ny kojakoja rehetra momba azy,

22ny latabatra fasina ny mofo atolotra ho an’Andriamanitra, ny jôgy fandrarahan-divay, ny tsatokaty, ny fitaovana fandoroana ditin-kazo manitra, ny efitra lamba, ary ny fehiloha. Nendahany hatraiza hatraiza ny peta-bolamena manontolo nandravaka ny rindrina anoloana teo amin’ny tempoly;

23nalainy koa ny volamena sy volafotsy ary ny fanaka sarobidy mbamin’ny raki-tsoa niafina azony nokarohina.

24Nentiny avokoa izany rehetra izany, dia lasa nody any amin’ny taniny izy. Namono olona betsaka tokoa izy ary namoaka teny feno avonavona mihoa-pampana.

25Fisaonana lehibe no teo amin’ny Israelita

manerana ny faritra manontolo nonenany.

26Velon-taraina ny manampahefana aman-doholona;

niraviravy tanana ny zatovovavy sy zatovolahy,

nihamatroka ny bikan’ny vehivavy.

27Ny vao nampaka-bady dia re nidradradra;

ny avy nampakarina dia namarin-dranomaso

nipetraka tao an’efitrano fampakarana.

28Nihorohoro ny tany

noho izay nanjo ny mponin’i Israely,

fa safo-kenatra avokoa

izay rehetra taranak’i Jakôba.

Fanorenana toera-mafy tao Jerosalema(Jereo 2 Mak 5.24-26)

29Roa taona taorian’izany ny mpanjaka no nandefa mpamory hetra ho any amin’ny tanànan’i Jodea; dia tonga tao Jerosalema izy io, nomban-tafika goavana.

30Nanao teny malefaka hamitahana ny mponina izy ka noraisin’ny olona tamin-toky. Kanjo nodainany tampoka ny tanàna ka nianjadian’ny loza mafy; ary nahafatesany betsaka ny Israelita.

31Nobaboiny ny tanàna, nodorany tamin’ny afo, noravany ny trano sy ny manda manodidina.

32Nentin’ny miaramila ho babo ny zaza amam-behivavy ary nalainy ho fananana koa ny biby fiompy.

33Avy eo dia nohodidinin’ny Sirianina manda avo sy matevina ny Tanànan’i Davida, sady nasiany tilikambo mafonja, ka nataony toera-mafy ho azy.

34Karazan’olon-dratsy, tsy manam-pinoana ary tsy mpanara-dalàna, no napetrany tao sy niorina mafy teo.

35Fiadiana sy sakafo no natobiny tao; dia nangoniny koa ny remby azony tao Jerosalema ka napetrany tao; ary izany toera-mafy izany dia nataony fandrika goavana.

36Eny, tonga fanotrehana izany

hamelezana ny tempoly,

sady asan-devoly mamohehatra

hamelezana lalandava an’i Israely.

37Teo amin’ny manodidina ny tempoly

no nandrarahan’ireo fahavalo ireo

ny ain’ny olona tsy manan-tsiny

ka nandotoany io toeramasina io.

38Ny nafitsok’ireo no nampandositra

ny mponina hiala tao Jerosalema

ka nahatonga ny tanàna

ho fonenan’olon-kafa,

fa zary fivahiniana kosa

ho an’izay teraka tao anatiny

saingy voatery nandao azy.

39Ny tempoly dia tonga foana toa taniefitra,

ny fetiny nivadika ho andro fisaonana,

ny sabatany nivadika ho fahafaham-baràka

ary ny voninahiny nivadika ho fandatsana azy.

40Araka ny haavon’ny voninahiny taloha

no halalin’ny fietreny ankehitriny,

ka ny fahalehibeazana nananany

no nivadika ho fisaonana.

Noraran’i Antiôkôsa mpanjaka ny fivavahana jiosy(Jereo 2 Mak 6.1-11)

41Tamin’izay ny mpanjaka Antiôkôsa dia namoaka didy an-tsoratra eran’ny fanjakany manontolo mba hiraisan’ireo olom-peheziny rehetra ho vahoaka tokana

42ka samy hanariany ny lalànany manokana avy. Nanaraka ny didin’ny mpanjaka avokoa ny hafa firenena;

43ary betsaka ihany koa tamin’ny Israelita no nanaiky am-pitiavana ny fivavahan’ny mpanjaka, ka nanao sorona tamin’ny sampy ary tsy niraharaha ny sabata.

44Ankoatra izany, nisy iraka nampitondrain’ny mpanjaka taratasy ho an’i Jerosalema sy ho an’ny tanàna hafa ao Jodea mba handidy ny mponina hanaraka fomba tsy tokony hatao eo amin’ny taniny.

45Nobaikoina izy mba hampitsahatra ao an-tempoly ny sorona dorana manontolo sy ny sorona amam-panatitra araraka, mba tsy hiraharaha ny sabata sy ny fety

46ary mba hanimbazimba ny tempoly sy ny zava-masina.

47Nobaikoina koa izy mba hanangana alitara sy toeram-pivavahana ary tempoly ho an’ny sampy, sady hanolotra kisoa amam-biby maloto hafa koa ho sorona fanajana azy.

48Ary nobaikoina izy mba tsy hamela ny zanany lahy hoforana, ary mba handoto tena amin’ny fomba maloto sy fanimbazimbana isan-karazany

49ka hahatonga azy hanadino ny lalànan’i Mosesy ary hanova ny zava-drehetra fanaony.

50Koa na iza na iza tsy hankatò ny didin’ny mpanjaka Antiôkôsa dia hohelohina ho faty.

51Toy izany no teny nandidiany an-tsoratra ny olom-peheziny rehetra eran’ny fanjakany manontolo; sady nanendry olona hanara-maso ny vahoaka rehetra izy ary nandidy ireo tanànan’i Jodea tsirairay avy mba samy hanolotra sorona ho an’ny sampy.

52Maro tamin’ny vahoaka jiosy, dia izay rehetra nandao ny lalàna, no niandany tamin’ireny mpanara-maso ireny ka nanao zava-dratsy teo amin’ny taniny,

53ary nahatonga ireo Israelita tena mpivavaka ho voatery hiafina any amin’ny toerana rehetra fiereny any.

54Tamin’ny taona faha-145, volana Kisleo, andro fahadimy, dia ilay fanimbazimbana mahatsiravina no naorin’Antiôkôsa teo ambonin’ny alitara fanolorana sorona dorana manontolo. Nanorenana alitaran-tsampy koa tany amin’ny tanànan’i Jodea rehetra teny manodidina.

55Nandorana vovo-javamanitra teny am-baravaran’ny trano sy teny an-kianja.

56Norovitina sy nodorana ny bokin’ny lalàna sendra hita.

57Izay olona nahitana bokin’ny fanekempihavanana na niseho ho miraiki-pitia amin’ny lalànan’i Mosesy, dia novonoina ho faty, noho ny didin’ny mpanjaka.

58Toy izany no famelezana mafy nampiharina; ka indray andro isam-bolana dia novonoina ho faty ny Israelita tena mpivavaka, izay hita teny amin’ny tanàna teny.

59Isaky ny faha-25-n’ny volana no fanateran-tsorona teo amin’ilay alitaran-tsampy izay naorina teo ambonin’ny alitara fanolorana sorona dorana manontolo ho an’Andriamanitra.

60Araka ny didin’ny mpanjaka ihany, izay vehivavy nampamora ny zanany lahy dia novonoina ho faty

61sady teo am-bozony no nanantonana io zanany io; natao maty koa ny fianakaviany sy izay olona nanatontosa ny fandidiana.

62Kanefa maro ny Israelita no nanohitra tamin-kerimpo sy nanapa-kevitra tsy hihinana zava-maloto.

63Naleony maty toy izay handoto tena amin-tsakafo ary tsy hiraharaha ny fanekempihavanana masina; ka dia natao maty tokoa izy ireny.

64Habibiana goavana dia goavana no nihatra tamin’i Israely fahizany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help