Bena-Siràka 30 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny fanabeazana(Jereo 7.23; Ohab 13–24)

1Izay tia ny zanany no mahavatra mikaravasy azy

mba hifaliany aminy kosa any am-parany any.

2Izay tsara fanabe ny zanany hahazo fahafaham-po aminy;

ary eo afovoan’ny olom-pantany no hireharehany aminy.

3Izay mampianatra ny zanany

dia hahatonga ny fahavalo hialona;

ary eo anatrehan’ny sakaizany

no hahazoany miravoravo ny aminy.

4Maty ihany ny rainy nefa toy ny tsy maty,

satria tahaka azy ilay navelany rehefa lasa izy.

5Fony velona ny rainy, dia nahita azy sy nifaly taminy;

ary rehefa maty kosa izy, dia tsy nitondra alahelo.

6Ny zanany no navelany ho mpamaly ny fahavalony

ary haneho fankasitrahana an’ireo sakaizany.

7Izay mampihanta ny zanaka, dia mbola hamehy fery;

ary hangotika ny atiny isaky ny antsoantson-janany.

8Tonga maditra ny soavaly tsy voafolaka;

ary mikorosy fahana ny zaza nampanaranim-po.

9Raha tambatambazanao ny zanakao,

dia hampangovitra anao;

raha zatra sangisanginao izy,

dia hampitomany anao.

10Aza miara-mihomehy amin-janaka,

fandrao hiaraka ory aminy ianao;

ary any am-parany any aza

dia hikitro-nify foana ianao.

11Aoka ianao tsy hamela zanaka

hanao izay saim-pantany,

raha mbola tanora izy;

ary aza odian-tsy hita ny hadisoany.

12Ataovy mangan-tehezana ny zanakao,

raha mbola anaty fahazazana;

fandrao ho tonga maditra izy,

ka tsy hanaiky anao intsony.

13Beazo ny zanakao ary milofosa hitaiza azy,

fandrao ho tonga fandatsana anao

ny fitondrantena mahamenatra hataony.

Ny fahasalamana

14Aleo ny mahantra izay salama sy matanjaka,

toy izay ny mpanankarena izay saozanim-batana.

15Aleo salama sy finaritra

toy izay hanana ny volamena rehetra;

aleo vatana mavitrika

toy izay harena tsy hita lany.

16Tsy misy harena tsara noho ny fahasalamàm-batana,

ary tsy misy hafinaretana lehibe noho ny hafaliam-po.

17Aleo maty toy izay velon-dratsy;

ary aleo fitsaharana mandrakizay

toy izay aretina maharitra.

18Ny hanim-py aroso amin’ny olona malain-komana

dia tahaka ny sakafo atao fanatitra eo ambony fasana:

19inona no soa azon’ny razana amin’izany?

Tsy azony hanina na hamboloina akory ilay sakafo.

Toy izany koa no manjò ny olona

izay tanahin’ny Tompo amin’ny aretina:

20mijery dia mijery izay aroso azy izy sady misento,

tahaka ny fisenton’ny lehilahy vositra

izay mamihina tovovavy virijiny.

Ny hafaliana(Jereo Kôh 11.9-10)

21Aza avela hianjadian’alahelo ny fonao,

ary aza mampahory tena amin’ny eritreritrao.

22Ny hafaliam-po mampateza aina ny olona

ary ny firavoany no mahela ny androny.

23Ario dia ny fanahinao ka ampaherezo ny fonao,

ary roahy lavitra anao ny alahelo;

satria efa nahafaty olona maro ny alahelo

sady tsy misy soa azo rehefa ianjadiany.

24Ny fialonana amam-pahatezerana

no mahafohy andro iainana,

ary ny fanahiana no mahatonga

fahanterana alohan’ny fotoana.

25Ny fo mirana dia manampy hazoto homana

sady mampifantoka tsara amin’ny sakafo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help