Zakarià 2 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fahitana faharoa: ny tandroka sy ny mpanefy

1Nanopy maso aho, ka indreo hitako nisy tandroka efatra.

2Ary nanontaniako ilay anjely niresaka tamiko hoe:

–Inona moa no dikan’ireo tandroka ireo?

Dia hoy ny navaliny ahy:

–Ireo no firenena matanjaka izay nampihahaka ny mponin’i Joda sy i Israely ary i Jerosalema.

3Dia nampisehoan’ny TOMPO mpanefy efatra aho

4ka nanontany indray hoe:

–Tonga mba hanao inona moa ireto?

Ary dia namaly izy hoe:

–Ireto kosa dia tonga hampihorohoro sy hampiongana ny firenena matanjaka izay nitsangana hanohitra ny firenen’i Joda sady nampihahaka ny vahoakany mba tsy hisy na iray aza hanohitra azy.

Fahitana fahatelo: ny mpandrefy

5Nanopy maso indray aho, ka indro hitako nisy lehilahy nihazona tady fandrefesana.

6Ary nanontaniako izy hoe:

–Ho aiza moa ianao?

Dia hoy izy namaly ahy:

–Ho any Jerosalema aho handrefy azy hahitana ny sakany sy ny lavany.

7Dia nandroso ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely iray koa avy hitsena azy

8sady nandidy azy hoe:

–Mihazakazaha, dia ilazao io zatovolahy izay mihazona tady fandrefesana io hoe: «Tsy ho tanànamimanda i Jerosalema fa ho marobe ny olona sy ny biby honina ao aminy.

9Ary hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: ‹Izaho no ho manda afo manodidina hiaro ny tanàna, ary ny voninahitro no ho eo afovoany›. »

Ny Tompo miantso ireo voasesitany

10Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:

«He! Ianareo izay naeliko

any amin’ny vazan-tany efatra,

mandosira ankehitriny,

ialao ny tany avaratra.»

Hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe:

11«He! Ry vahoakan’i Tsiôna

voasesitany ao Babilôna,

mitsoaha tao ianareo.»

12Fa ny TOMPOn’izao rehetra izao, Ilay naniraka ahy tamim-pahefana, dia miteny amin’ireo firenena izay namabo anareo hoe:

«Na zovy na zovy mikasika anareo,

dia mikasika ny anakandriamasoko.

13Eny, haninjirako tanana ireo firenena ireo

mba ho lasa babon’ireo nandevoziny.»

Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy.

14Dia hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe:

«Mihobia sy mifalia, ry vahoakan’i Tsiôna,

fa indro avy honina ao afovoanareo Aho.

15Amin’izany andro izany,

firenena maro no hiraiki-po amiko

ka ho tonga vahoakako;

ary honina eo afovoanareo Aho.»

Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy ho atỳ aminareo.

16Dia ho fananan’ny TOMPO indray i Joda ao amin’ny tany masina; ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray Izy.

17Aoka ny voaary rehetra hangina eo anatrehan’ny TOMPO satria avy ao amin’ny fonena-masiny Izy no hipoitra tampoka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help