1 Makabeo 4 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Nandresy tao Emaosy i Joda Makabeo(Jereo 2 Mak 8.23-29, 34-36)

1Tamin’izay i Gorjià dia naka miaramila andiany dimy sy mpitaingin-tsoavaly voafantina andiany iray; ary niainga alina izany tafika izany

2mba hiroatra tampoka amin’ny tafika jiosy ka handresy azy. Olona avy amin’ny toera-mafin’i Jerosalema no nitari-dalana ny tafik’i Gorjià.

3Vao nandre izany i Joda, dia niainga niaraka tamin’ny mahery fo nomba azy; ny nokendreny dia ny hamely ny tafi-panjakana izay ao Emaosy,

4fony mbola tafaely tany ivelan’ny toby ny andiany nentin’i Gorjià.

5Alina no nahatongavan’i Gorjià tao an-tobin’i Joda, saingy tsy nahita olona izy. Noheveriny ho nandositra azy ny Jiosy, ka dia nokarohiny tany an-tendrombohitra.

6Vao nipoaka kosa ny masoandro, dia niseho teo amin’ny tany lemaka i Joda nitondra miaramila andiany telo, izay tsy mba nanana ny fitaovam-piadiana niriny, na ny hiarovan-tena na ny hamelezana.

7Hitan’ireo fa voaaro mafy ny tobin’ny hafa firenena, hitany fa mitafy akanjo vy fiarovan-tena izy ary voahodidin’ny mpitaingin-tsoavaly sady samy zatra ady avokoa;

8ka hoy i Joda tamin’ireo miaramila nomba azy:

–Aza matahotra izay hamaroan’ireo na mivadi-po amin’izay famelezany.

9Tsarovy ny namonjena ny razantsika teo amin’ny Ranomasina Mena, fony nanenjika azy ny Farao nomban-tafika lehibe.

10Koa ankehitriny miantso vonjy amin’Andriamanitra isika; raha mitia antsika Izy, dia hahatsiaro ny fanekempihavanana nataony tamin’ny razantsika sy handrava io tafika io anio eo imasontsika.

11Ka ho fantatry ny firenena rehetra fa mana-mpanafaka sy mpamonjy azy ny vahoaka Israely.

12Tamin’izay ireo hafa firenena no nanopy maso ka nahatazana ny Jiosy tonga hamely azy,

13ary dia nivoaka ny toby mba hiady. Notsofin’ireo mpomba an’i Joda kosa ny trompetra;

14dia rafitra ny ady, ka rava ny hafa firenena sy nandositra teny amin’ny tany lemaka,

15ary matin-tsabatra avokoa ny vodilaharana. Hatrany Gezera sy hatrany amin’ny lemak’i Idomea ary hatrany Asdôda sy Jamnià no nanenjehan’ny Jiosy ireo fahavalo ka nahafatesany andiany telo eo ho eo.

16Izay vao niverin-dalana tsy nanenjika intsony i Joda mbamin’ny tafiny,

17sady hoy izy tamin’ny miaramilany:

–Aza liana ny hamabo ianareo, fa mbola misy ady miandry antsika.

18Ato an-tendrombohitra akaikintsika ato izao i Gorjià sy ny tafiny; ka tohero mafy sy reseo aloha ny fahavalontsika, vao izay ianareo no hahazo maka ny babony tsy amin’ahiahy.

19Vao nitsaha-niteny i Joda, dia indro niseho avy ao an-tendrombohitra sady mitsikilo ny zava-nitranga ny antoko miaramilan’i Gorjià.

20Hitan’ireo fa ny namany nandositra, ny toby nodoran’ny Jiosy, satria tazana ny setroka maneho izay natao.

21Raiki-tahotra mafy ny fahavalo nahita izany; nony tazany koa ny tafik’i Joda nivonon-kiady teo amin’ny tany lemaka,

22dia nandositra any amin’ny tanin’ny Filistinina avokoa izy rehetra.

23Fa i Joda kosa niverina nandraoka ny babo tao an-toby, ka volamena sy volafotsy betsaka mbamin’ny lamba jaky volomparasy sy jaky mena mangatrakatraka ary harem-bevava no nentiny.

24Fiderana sy fankalazana an’Andriamanitra no nataon-dry i Joda rehefa nody: «Eny, tsara Izy, ary maharitra mandrakizay ny fitiavany!»

25Nahazo famonjena lehibe ny vahoaka Israely tamin’izany andro izany.

26Nilaza ny nanjo rehetra tamin’i Lisià ireo miaramila hafa firenena izay afa-nandositra,

27ka nampalahelo sy nahakivy azy ny nandre izany vaovao izany; tsy ny zavatra nirîn’i Lisià manko no nihatra tamin’i Israely ary tsy izay voadidin’ny mpanjaka no nitranga.

Nandresy tao Bety-Tsoro i Joda Makabeo(Jereo 2 Mak 11.1-12)

28Tamin’ny taona manaraka no namorian’i Lisià tafika anankiray, dia miaramila voafantina nisy vondron-tafika enimpolo sy mpitaingin-tsoavaly nisy vondron-tafika dimy mba hoenti-miady amin’ny Jiosy.

29Dia nankany Idomea io tafika io, ka niorin-toby teo akaikin’i Bety-tsoro. I Joda kosa niaraka tamina miaramila nisy vondron-tafika folo no nandeha hifanehatra aminy.

30Nony nahita izany tafika matanjaka nentin’i Lisià izany i Joda, dia nivavaka nanao hoe:

–Hankalazaina anie Ianao, ry Mpamonjy an’i Israely ô! Ianao no nanorotoro ny herin’i Gôliata, lehilahy goavana, tamin’ny tanan’i Davida mpanomponao. Ianao no nanolotra ny tafika filistinina teo an-tanan’i Jônatàna, zanakalahin’i Saoly, sy teo an-tanan’ilay mpitana ny fitaovam-piadiany.

31Toy izany no aoka hangiazanao ity tafik’i Lisià ity eo an-tanan’ilay Israely vahoakanao; ary aoka hampahamenatra ny hafa firenena ny miaramilany na ny an-tongotra na ny an-tsoavaly!

32Ataovy raiki-tahotra izy, levòny ny hery be rehaka ananany; ary aoka hampangozohozo azy ny fahareseny!

33Ataovy matin’ny sabatr’ireto mpitia Anao izy; ary aoka izay rehetra mpahalala ny anaranao hiventy hira fiderana Anao!

34Dia natombok’izy roa tonta ny ady, ka nisy andiany dimy tamin’ny tafik’i Lisià no nitsitra teo anoloan’ny Jiosy.

35Hitan’i Lisià ny faharesen’ny tafiny, ary tsapany ny fahasahiana nananan’ny miaramilan’i Joda, izay nitomban-ko velona na ho faty amim-boninahitra; ka dia nody tany Antiôkia i Lisià, ary nampiditra hafa firenena hampitombo isa ny miaramilany mba hiverenany hamely an’i Jodea indray.

Ny nanadiovana ny tempoly

36Tamin’izay kosa no nitenenan’i Joda sy ireo rahalahiny hoe:

–Indreo efa resy ny fahavalontsika, koa ndeha isika hiakatra hanadio ny tempoly sy hanokana azy amin’Andriamanitra indray.

37Dia nifamory ny tafika manontolo ka niakatra ho any an-tendrombohitra Tsiôna.

38Hitany ny tempoly foana, ny alitara voazimbazimba ary ny varavarana may; nisy koa hazo madinika naniry tao amin’ny kianja, toy ny anaty ala na eny an-tendrombohitra; ary hitany ny efitrano voarava.

39Dia nandriatra fitafiana ny miaramila, nigogogogo tamim-pisaonana mafy, ary nanoso-davenona ny lohany;

40nampihohoka tarehy tamin’ny tany izy, ary nanao fitalahoana tamin’Andriamanitra rehefa naneno ny trompetra famantarana.

41Tamin’izay no nakan’i Joda antokony iray tamin’ny tafiny mba hiady amin’ny Sirianina tao amin’ny toera-mafy mandra-panadio ny tempoly.

42Nifidy mpisorona tsy azo kianina sady miraiki-po amin’ny lalànan’Andriamanitra koa i Joda;

43dia nodiovin’ireo ny tempoly ary notateriny tany amina toerana maloto ny vato voazimbazimba.

44Nifampidinihana ny amin’izay tokony hanaovana ny alitara fanaovana sorona dorana manontolo, dia ilay alitara nozimbazimbain’ny hafa firenena;

45ka ny hevitra tsara niaraha-nahita dia ny handrava izany, fandrao hahatonga fahafaham-baràka ho an’ny Jiosy satria alitara efa voaloton’ny hafa firenena. Dia noravana tokoa ilay alitara;

46ka ny vatony dia napetraka tamina toerana sahaza teo amin’ny tendrombohitry ny tempoly, mandra-pahatongan’izay mpaminany

hanapaka ny amin’ny hanaovana azy.

47Araka ny Lalàna, dia vato tsy voapaika no nalaina, ka nananganana alitara anankiray vaovao mitovy amin’ilay taloha.

48Namboarina ny Toeramasina mbamin’ny atin’ny tempoly ary naverin-kasina ny kianjany.

49Fanaka masina vaovao koa no natao; dia napetraka tao an-tempoly indray ny fitoeran-jiro sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra ary ny latabatra fametraha-mofo.

50Nodorana hanetona eo ambony alitara ny ditin-kazo manitra; nampirehetina ny lahin-jiro teo amin’ny fitoeran-jiro ary voazava ny tempoly.

51Napetraka teo ambony latabatra ny mofo fanolotra ho an’Andriamanitra, ary nahantona ny efitra lamba; dia novitaina avokoa ny asa rehetra natao.

52-54Ny andro faha-25-n’ilay volana antsoina hoe Kisleo, tamin’ny taona faha-148, no fitsingerenan’ny andro nanimbazimban’ireo hafa firenena ny alitara fisoronana. Nifoha maraina ny Jiosy tamin’io daty io ary nanolotra sorona, araka ny Lalàna, teo amin’ny alitara vaovao izay narafiny hanaovana sorona dorana manontolo. Hiran-tsalamo ary feom-baliha aman-dokanga sy kipantsona no nanokanana indray io alitara io.

55Indray nihohoka ny vahoaka sady nitsaoka sy nankalaza an’ilay Andriamanitra nanambina azy.

56Naharitra valo andro no nanaovany ny fanokanana ny alitara; sady an-kafaliana no nanolorany sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana ary sorom-pisaorana.

57Noravahany fehiloha volamena sy ampinga be renty ny anoloan’ny tempoly; namboariny koa ny fidirana amin’ny tempoly sy ny efitrano sady nasiany varavarana.

58Nisy fifaliana lehibe tokoa teo amin’ny vahoaka, sady afaka ny fahafaham-baràka nafitsoky ny hafa firenena.

59Nifanara-kevitra i Joda sy ireo rahalahiny mbamin’ny Israelita rehetra tafangona ka nandidy ny hankalazana amim-pifaliana sy firavoravoana ireo andro fitokanana ny alitara ireo, mandritra ny valo andro isan-taona, miantomboka amin’ny faha-25-n’ny volana Kisleo.

60Tamin’izany fotoana izany ihany no nanorenana manda avo sy tilikambo mafonja teo amin’ny tendrombohitra Tsiôna, mba tsy hahazoan’ny hafa firenena manosihosy ireo toerana ireo intsony toy ny efa nataony teo aloha.

61Nametrahan’i Joda miaramila antokony iray tao mba hiambina sy hiaro ny tempoly; nohamafisiny koa i Bety-Tsoro mba hananan’ny vahoaka tanàna mimanda anankiray manoloana an’i Idomea.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help