Jôba 9 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Valintenin’i Jôba: Mahery loatra amiko Andriamanitra

1Dia namaly i Jôba ka nanao hoe:

2Fantatro tokoa fa izany no izy:

aiza no hahamarina ny olona

eo anatrehan’Andriamanitra?

3Raha olona no te hiady hevitra aminy, dia tsy hahavaly

na dia fanontaniana iray amin’ny arivo aza.

4Lalim-pahendrena Izy sady mahery tsy hay tohaina,

koa iza no hanohitra Azy ka ho afa-maina?

5Andriamanitra no mamindra ny tendrombohitra,

nefa tsy ampoizin’ireo akory

Ilay manova toerana azy amim-pahatezerana.

6Mampihorohoro ny tany Izy

ka mihozongozona ny andriny.

7Mandidy ny masoandro tsy hiposaka Izy

ary manidy ny kintana amin’ny fitombo-kase.

8Mamelatra ny lanitra samirery Andriamanitra

ary mandeha eny amin’ny onjan-dranomasina.

9Izy no nanao ny vondron-kintana isan-karazany:

dia ny Orsa sy Telonohorefy ary Ikotokelimiadilaona

mbamin’ny andian-kintana any atsimo.

10Tsy takatry ny saina ireo zava-dehibe ataony

ary tsy hita isa ny zava-mahagaga vitany.

11Mandalo ahy Andriamanitra nefa tsy hitako,

ary mihelina indray saingy tsy fantatro.

12Raha misy zavatra voatazony,

zovy no hampamotsotra azy an’izany?

Zovy no hiteny aminy hoe:

«Inona ity ataonao?»

13Tsy voatana Andriamanitra rehefa tezitra.

Milefitra eo anatrehany i Rahaba sy ny tariny.

*

14Mainka fa Izaho indray ve no hamaly Azy

ka hahafantina izay teny hatao aminy?

15Fa na marina aza ny ahy, dia tsy hamaly akory aho

fa hitalaho kosa ny famindrampon’ny mpitsara ahy.

16Raha niantso ihany aho, ka namaly ahy aza izy,

dia tsy ho nino aho fa nekeny ny fitalahoako.

17Mamely ahy amin’ny tafiotra Izy

ka mampitombo ny feriko tsy amin’antony.

18Tsy avelany mba haka aina akory aho

fa vokisany fahoriana mangidy kosa.

19Raha hery no hampiasaina,

mahery rahateo Izy;

raha fitsarana indray, dia hoy Izy hoe:

«Zovy no sahy hitory Ahy?»

20Na marina aza ny ahy,

dia hodisoin’ny vavako ihany;

ary na tsy manan-tsiny aza aho,

dia holazainy meloka ihany.

21Eny, tsy manan-tsiny aho,

nefa tsy mampaninona ahy izay fiainana,

mankaloiloy ahy ny fisiako.

22Iray ihany izany, ka hoy aho hoe:

na ny tsy manan-tsiny na ny meloka

dia samy aringan’Andriamanitra.

23Raha tonga tampoka ny loza

ka mahafaty ny tsy manan-tsiny,

dia ihomehezan’Andriamanitra fotsiny

ny fahoriana manjo azy ireo.

24Raha mby eo an-tanan’ny olon-dratsy ny tany iray,

dia tapenan’Andriamanitra ny mason’ny mpitsara.

Fa raha tsy Izy no manao izany,

dia mba ho iza kosa àry?

*

25Nandeha faingana noho ny mpihazakazaka ny androko,

ka nandositra tsy nahita hasambarana akory,

26nisosa malaky toy ny lakan-jozoro,

tahaka ny voromahery miantoraka amin’ny hazany.

27Hoy aho anakampo hoe:

aoka hohadinoiko ny fahoriako,

hatsahatro ny alaheloko

ka ho miramirana aho.

28Kanefa mbola mangovitra ihany aho

noho ny fijaliana rehetra hanjo ahy,

ary fantatro fa Andriamanitra

dia tsy hanala tsiny ahy velively.

29Satria aminy dia meloka hatrany aho,

koa inona no hisahiranako hanamarin-tena?

30Na dia handro amin’ny savony aza aho

ka hanasa ny tanako amin’ny ranon-davenona,

31tonga dia harobokao indray ao anaty fotaka,

ka haloan’ny fitafiako toa zava-maharikoriko.

32Fa tsy olombelona tahaka ahy Andriamanitra

ka ho azoko valiana

sy iarahana miseho amin’ny fitsarana.

33Raha mba nisy ahay mpanelanelana

izay nametra-tanana taminay roa tonta,

34dia ho nesoriny tamiko ny karavasin’Andriamanitra

ka ho nitsahatra ny fampihorohoroany ahy;

35ho niteny aminy tsy amin-tahotra aho.

Noho ny toe-javatra tsy toy izany, dia honjohonjoko izaho irery.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help