Jôba 28 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny zava-miafin’ny Fahendrena

1Misy ny tany fitrandrahana volafotsy

ary ny toerana fanadiovana volamena.

2Ny vy dia alaina avy amin’ny tany,

ary ny varahina avy amin’ny vato narendrika.

3Mampisava ny haizina ny mpitrandraka;

ka hatrany amin’ny fanambanin’ny tany

no ikarohany ny vato miafina

ao anatin’ny haizim-pito mangitsokitsoka.

4Mihady lavaka lavitry ny fonenana izy;

ka any amin’ny toerana tsy fandalovan’olona

no ihantonany sy itsingevahevany amin’ny tady.

5Ny vohon-tany no mamokatra hanina

fa ny ao ambany kosa toa navadibadiky ny afo.

6Ny vatony no fitoeran’ny safira

ary ny vovony no ahitam-bolamena.

7Tsy fantatry ny papango ny lalana mankany

sady tsy hitan’ny masom-boromahery.

8Tsy mbola nodiavin’ny biby masiaka izany,

ary tsy mba falehan’ny liona.

9Nefa sahy mihady ny vatomainty ihany ny olona

ka misava ny tendrombohitra hatrany ifotony.

10Anokafany lalana ao anaty vatolampy

mba hahitany ny zava-tsarobidy rehetra.

11Hainy ny manampina ny loharano

tsy hikorianan’ny renirano;

ka avoakany eo amin’ny mazava

ny harena miafina rehetra.

*

12Fa ny Fahendrena, aiza kosa no hahitana azy?

Aiza no toerana ipoiran’ny fahalalana?

13Tsy misy olona mahalala ny hasarobidiny,

satria tsy hita ao amin’ny tanin’ny velona izy.

14Fa hoy ny hantsana anaty ranobe: «Tsy aty izy.»

ary hoy ny Ranomasina: «Tsy ato amiko izy.»

15Tsy mahatakalo azy ny vongam-bolamena madio

ary tsy mahavidy azy ny antontam-bolafotsy.

16Tsy mifandanja aminy na ny volamena avy any Ôfira

na ny berila sarobidy mbamin’ny safira aza.

17Tsy mitaha aminy na ny volamena na ny fitaratra.

Ary ny vazy tena volamena tsy mahatakalo azy.

18Tsy misy antony aminy na ny voahangy na ny kristaly,

fa mihoatra noho ny perla ny fahazoam-pahendrena.

19Tsy azo ampitahaina akory

ny tôpaza avy any Etiopia;

ary tsy mifandanja aminy

na dia ny volamena madio aza.

*

20Fa avy aiza àry ny fahendrena?

Aiza no toerana ipoiran’ny fahalalana?

21Miafina amin’ny mason’ny velona rehetra izany,

ary takona amin’ny vorona eny an-danitra koa aza.

22Hoy Rafahafatesana sy Rafandravana hoe:

«Eny, renay siosio fotsiny ny aminy.»

23Fa Andriamanitra no mahalala ny lalana mankany,

ary Izy ihany no mahafantatra ny misy azy.

24Fa mahatsinjo hatrany am-paran’ny tany Izy

ary mahita izao rehetra ambanin’ny lanitra izao.

25Rehefa nametra ny lanjan’ny rivotra

sy nandraikitra ny fatran’ny rano Izy

26ary nandrindra lalàna ho an’ny orana

sy nanori-dalana ho an’ny kotroka,

27dia nahita ny Fahendrena

ka nanambara ny hatsarany

nony avy nandinidinika azy

ary koa namotopototra ny aminy.

28Dia hoy Andriamanitra tamin’ny olona:

«Ny fanajana ny Tompo, izany no Fahendrena;

ary ny fialana amin’ny ratsy no fahalalana.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help