Jôba 27 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Valintenin’i Jôba (tohiny):Hitaraina amin’Andriamanitra ve ny meloka

1Mbola nanohy ny teniny ihany i Jôba ka nanao hoe:

2Velona Andriamanitra Izay tsy manome rariny ahy,

velona ilay Tsitoha Izay mameno ahy fahoriana mangidy

ka manao izao fianianana izao aho:

3raha mbola misy koa aina kely ato amiko

ary eo am-bavoroko ny fofonain’Andriamanitra,

4dia tsy hiteny fitaka ny molotro

ary tsy hilaza lainga ny lelako.

5Sanatria amiko ny hihevitra

fa manana ny marina ianareo!

Hizingiziniko mandra-pahafatiko kosa

fa tsy manan-tsiny ny tenako.

6Hazoniko mafy ny fahamarinako

ka tsy havelako hiala:

Mandry ny eritreritro

ka tsy misy hampahamenatra ahy akory

na dia ny amin’ny androko iray monja aza.

*

7Ny anjaran’ny ratsy fanahy anie

no ho an’ny fahavaloko!

Ary ny anjaran’ny olon-dratsy kosa

no ho an’ny mpifanandrina amiko!

8Fa hanantena inona ireo tsy mivavaka,

raha esorin’Andriamanitra ny ainy?

9Hihaino ny fitarainany ve Andriamanitra

raha sendra zoim-pahoriana izy?

10Raha mba nahita fahafinaretana

teo anilan’ilay Tsitoha izy,

dia ho niantso an’Andriamanitra mandrakariva.

11Hampiseho anareo ny asan-tanan’Andriamanitra aho,

ary tsy hanafina ihany koa ny hevitr’ilay Tsitoha.

12Satria efa tsapanareo rehetra izany,

koa nahoana no miteniteny foana ianareo?

Fahombiazana mandalo.

13Izao no anjara natokan’Andriamanitra

ho an’ny ratsy fanahy

sy lova atolotr’ilay Tsitoha

ho an’ny olon-dozabe:

14Na mitombo isa aza ny taranany,

dia ho fatin-tsabatra;

ary ny zanany tsy hanan-kohanina.

15Izay sisa velona haripaky ny pesta,

ary ny mpitondratenany tsy hitomany azy.

16Na dia mahangona volafotsy

hoatra ny vovoka aza izy

ary fitafiana miavosa tahaka ny fotaka,

17dia aoka izy hanangona;

fa ny marina no hiakanjo ny fitafiana

ary ny olom-banona no handray ny volafotsy.

*

18Mora simba ny trano aorin’ny olon-dratsy

fa toy ny kitranotranon’ny mpiandry voly.

19Mbola manana harembe izy,

nony mandry indray maka farany;

saingy tsy eo intsony ireny rehefa mihiratra ny masony.

20Mamely azy toy ny riaka ny horohoro,

ary indray alina no ipaohan’ny tadio azy.

21Indaosin’ny rivotra avy any atsinanana izy,

ka ongotany mafy hiala amin’ny toerany.

22Asian’io rivotra io tsy ananany antra izy

ka voatery mandositra ny fisafoahany.

23Mitehaka noho ny fahavoazany kosa ny olona

sady manakora azy nandao fonenana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help