Hôsea 7 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1ka te hanasitrana an’i Israely,

dia miseho amiko ny heloky ny Efraîmita

sy ny haratsian’ny olon’i Samaria.

Fa manao fisolokiana ireo;

miditra an-trano ny mpangalatra,

manendaka an-dalambe ny jiolahy.

2Ary tsy mba misy mieritreritra

fa tsaroako avokoa ny haratsiany.

Ankehitriny mangeja azy

ny asa ratsy fanaony,

ka mby eo anatrehako izany.

3Manafim-paharatsiana sy fiokoana izy

no mamalifaly ny mpanjaka sy ny mpifehy.

4Samy mpanitsakitsa-bady avokoa izy,

ka toy ny lafaoro voafana loatra

izay tsy soronan’ny mpanendy mofo intsony

hatramin’ny namolavolany ny koba

ka mandra-pibontsiny.

5Amin’ny andro fankalazana

ny fetin’ny mpanjakany

dia ny herin’ny divay

no mamparary ireo mpifehy;

ka olona mpaniratsira

no raisin’ny mpanjaka tanana,

6rehefa manatona azy ny mpifehy.

Tahaka ny lafaoro tokoa

ny fo feno fitaka ananan’ireo:

mandritra ny alina

dia matory ny fahatezerany;

ary nony maraina dia mirehitra

tahaka ny afo midedadeda.

7Mahamay toa lafaoro izy rehetra

ka mandringana ireo filohany.

Lavo avokoa ireo mpanjakany,

nefa tsy mba nisy niantso Ahy akory.

8«Miharoharo amin’ny firenen-kafa i Efraîma

ka toy ny endi-mofo tsy voavadika.

9Tsentsefin’ny vahiny ny heriny

nefa tsy fantany akory izany;

ary mihafotsy ny volon-dohany,

nefa tsy fantany akory izany.

10Vavolombelona manameloka azy

ny avonavon’i Israely.

Kanefa izy tsy niverina

tamiko TOMPO Andriamaniny;

ary, na teo aza izany rehetra izany,

dia tsy mba nitady Ahy izy.

11I Efraîma dia tahaka ny domohina

izay adaladala sady tsy manan-tsaina;

miantso an’i Ejipta izy,

ary mankany Asiria.

12Iny izy mankany iny kosa

no velariko aminy ny haratoko,

ka ataoko izay hilatsahany ao

toy ny voromanidina;

avy eo dia faiziko izy

araka ny zavatra ratsy nataony.

13«Lozan’ireo olon’i Efraîma,

satria nandositra Ahy izy.

Faharavana no eo aminy,

satria nikomy tamiko izy!

Ny tenako dia te hanavotra azy;

fa izy kosa milaza lainga,

isaky ny miteny momba Ahy.

14Tsy mba vokatry ny fony

no iantsoany vonjy amiko;

fa mitoloko eo am-pandriany izy,

ary mandidy tena mba hahazoana

vary sy divay vaovao;

fanoherana Ahy no ialany amiko.

15Izaho no nanazatra

sy nampatanjaka ny sandriny;

nefa izy kosa ny amiko

dia nisaintsain-dratsy hatrany.

16Raha misy ny fiverenany,

dia tsy ho amiko ilay Avo izany;

fa mandiso fanantenana

tahaka ny tsipîka ketraka izy.

Ho lavon-tsabatra ny mpifehy azy

noho ny fitsaontsaom-bavany;

izany no handatsana azy any Ejipta!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help