Jeremià 12 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1TOMPO ô, mpandala ny rariny Ianao

ka tsy tokony mifandahatra aminao aho.

Nefa ny amin’ireto toe-javatra ireto

dia te hiady hevitra aminao aho.

Nahoana no ahitam-pahombiazana

ny lalana ombàn’ny olon-dratsy?

Ary nahoana no miadam-pinaritra

ireo rehetra mpivadika aminao?

2Nambolenao izy dia niorim-paka,

ka nitombo sy namoa.

Tononin’ny vavany Ianao,

fa ataony lavitry ny fony.

3Ianao kosa, TOMPO ô,

mahalala ahy sady mahita ahy;

nizaha toetra ny foko Ianao

fa miandany aminao izy.

Avaho toy ny ondry hovonoina

ireny olona ratsy fanahy ireny,

atokany ho amin’ny andro fandringanana.

4Mandra-pahoviana no hisaona ny tany ary ho maina ny ahitra eny an-tsaha rehetra eny? Ringana avokoa ny biby sy ny voromanidina noho ny faharatsian’ny mponina eo amin’ny tany, satria hoy izy hoe: «Tsy mahita izay ataontsika Andriamanitra.»

5Raha ny mpihazakazaka an-tongotra aza

tsy arakao, hoy ny Tompo,

ahoana, ry Jeremià, no hifaninananao

amin’ny mpitaingin-tsoavaly?

Raha amin’ny tany milamina ihany

no anananao toky

ahoana kosa no hataonao

rehefa ao anaty kirihitrala

eny amoron’i Jôrdàna?

6Fa na dia ireo mpiray foko aminao aza, eny na dia ireo iray fianakaviana aminao aza, dia mamitaka anao ka miantso olona am-badika hanohitra anao. Aza matoky azy, na dia tsara vava aminao aza izy.

Ilaozan’ny Tompo ny tempoliny sy ny vahoakany

7Ilaozako ny tranoko

ary afoiko ny fananako.

Atolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony

ilay notiaviko tamin’ny foko tokoa.

8Niova ho masiaka tamiko

toy ny liona any an’ala

ilay anjara fananako;

nierona tamiko izy ka halako.

9Moa ve ilay anjara fananako ankehitriny

dia tahaka ity vorona anankiray misoratsoratra

iantorahan’ireo vorona mpihaza manodidina azy?

Ndeha vorio ny bibidia rehetra,

ka ento mankao amin’ny fanasana!

10Mpitondra maro no nanimba ny voaloboko,

nohosihoseny ny anjara fananako.

Faritra mahafinaritra izany,

nefa nataony taniefitra lao,

11dia taniefitra lao mahonena ahy.

Lao sy rava ny tany manontolo,

kanefa tsy misy olona mitsetra azy.

12Eny amin’ireo havoana ngazana rehetra

any an-taniefitra any

no mipoitra ireo mpandroba.

Hatreo amin’ny sisintany an-kilany

ka hatrany amin’ny sisintany an-daniny

no andripahan’ilay sabatry ny TOMPO

ka tsy misy olona tsitsîny.

13Vary no nafafinareo

nefa tsilo no jinjainareo.

Nisahirana mafy ny tenanareo

fa tsy nisy tombontsoa akory izany.

Aoka ho menatra ianareo

amin’ny vokatra azonareo!

Fa ny fahatezeran’ny TOMPO

no mirehitra mamely anareo.

Ny fitaizana ny firenen-kafa

14Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ireo ratsy fanahy rehetra mpifanila fonenana amin’ny fireneko: «Mikasikasika ny zaratany nomeko an’i Israely vahoakako ireo, ka dia hongotako hiala amin’ny taniny, ary hongotako hiala eo anivony koa ny vahoakan’i Joda.

15Nefa rehefa voaongotro izy, dia hamindrako fo indray ka samy haveriko ao amin’ny anjara fananany ao amin’ny taniny avy.

16Nampianatra ny vahoakako hianiana amin’ny Bahala ireo ratsy fanahy ireo; kanefa raha mianatra tsara ny fanaon’ny vahoakako izy ka hianiana amin’ny anarako hoe: ‹Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa...›, dia hanam-ponenana indray eo anivon’ny vahoakako.

17Fa raha misy kosa firenena iray tsy mety mihaino Ahy, dia hongotako tanteraka izy sady haringako. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help